Toko faha 14

1 Nagnato anahy gny sasany tamin'ireo loholon'Israely dra nitoboky teo agnoloako. 2 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 3 "Ry zanak'olo, reo lelahy reo nandramby tao am-pony reo sapin'ereo dra nametraky gny vato fanafitohigna gny helok'ereo teo agnatrehan'gny tarehin'ereo. Tokony agnotanian'erep aminahy se zeho raha zeho? 4 Noho zeho dra ambarao amin'ereo zeho dra zakao amin'ereo ho: 'Zao gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Gny olo aby ao amin'gny hasaveregnan'Israely ze mangalaky ao am-pony gny sapiny, na mametraky vato fanafitohigna gny helony eo agnoloan'gny tarehiny, vo boakeo magnato paminany--- Zaho, Yaveh, dra hamaly anazy araky gny isan'gny sapiny. 5 Ho ahiko anizeho so hapiheregnako gny hasaveregnan'israely ao am-pon'ereo ze nala lavisy teo aminahy tamin'gny alalan'ireo sapin'ereo. 6 Noho zeho ambarao amin'gny hasaveregnan'Israely ho: 'Zeho gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Mibebaha dra miala amin'gny sapindrareo! Omeo lamosy gny fahavetavetandrareo aby. 7 Ho an'gny olonaby boaky amin'gny hasaveregnan'Israely vo gny vahiny aby mizano ao Israely ze mivaliky aminahy, ze mandramby ao am-pony reo sapiy dra mametraky vato fanafitohigna gny helony eo agnoloan'gny tarehiny, vo magnato paminany boakeo so hitalia Anahy--- Zaho, Yaveh, mihisy gny hamaly anazy. 8 Dra hagnandry anizeho olo zeho gny tavako sady hanao anazy ho famatara vo ohabola, akory ho gongoriko sy ho eo amin'gny vahoakiko izy, dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 9 No misy paminany voafitaky vo mizaka hafasy, dra Zaho, Yabeh, gny hamitaky anizeho paminany zeho; hagninzisy gny tagnako aminazy Zaho dra hamotiky anazy eo amin'Israely vahoakiko. 10 Hitaty gny helony avo ereo; gny heloky gny paminany dra hitovy amin'gny helok'ize magnotany anazy. 11 Noho zeho, dra sy hisitaky amin'gny fagnaraha Anahy sasy gny hasavereagnan'Israely na handoto gny vatan'ereo amin'ireo fandikan-dalagna aby sasy. Ho vahoakiko ereo, vo ho Zagnaharindrareo Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."' 12 Dra avy taminahy gny zakn'i Y aveh, nanaoho: 13 "Ry zanak'olo, no manota Aminahy gny tany raiky amin'gny fanaova ze mahadiso dra hagninzisy gny tagnako eo amin'izeho Zaho dra hanapaky gny tehin'gny mofony, dra handefa mosary eo amin'izeho sady handripaky gny olo vo gny biby ao amin'gny tany; 14 vo ndre tahoky lelahy telo tahoky aza--- Noa, daniela, vo Joba--- gny eo agnivon'gny tany, dra sy afaky hagnavosy laha-sy gny ainy avo ereo amin'gny fahamarignan'ereo--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 15 No mandefa bibidia masiaky manera gny tany Zaho dra mandripaky anizeho so hazary taly lao ze sy afaky dinganin'gny olo noho reo biby, 16 dra ndre ao amin'izeho aza reo lelahy telo reo--- nobo velo Zaho, ho gny Tompo Yaveh--- dra sy ho afaky gny hagnavosy ereo ndre dra ereo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy, fa gny tany dra hizary tany lao. 17 Na no manday mesa amin'izeho tany zeho Zahi dra mizaka ho: 'Ry mesa, mandehana manera gny tany dra haringano hiala amin'izeho gny olo vo gny bibidia', 18 dra ndre dra eo agnivon'gny tany aza reo lelehy telo reo--- no bo velo Zaho, ho gny Tompo Yaveh--- dra sy ho afaky gny hagnavosy ereo ndre dra reo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy. 19 Na no mandefa areti-mandripaky amin'iho tany iho Zaho dra mandraraky gny hahoriako eo amin'izeho amin'gny alalan'gny fandasahan-dio, so handripaha gny olo vo gny bibidia, 20 dra ndre dra ao amin'izeho tany zeho aza i Noa, Daniela, vo Joba--- dra sy ho afaky gny hagnavosy reo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy nohon'gny fahamarignan'ereo. 21 Fa zeho gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Azo atoky fa hahiko miharasy gny toe-draha amin'gny alalan'gny fandefasako reo fatrokafa efasy--- mosary, mesa, bibidia,vo areti-mandripaky--- amin'i Jerosalema so handripaha gny olo vo gny bibidia eo aminazy. 22 Fe, ingo! Hisy ho tavela ao aminazy, reo sisa velo ze hiboaky mindray amin'ireo zanadahy vo reo zanakapela. Ingo! Hiboaky ho agny aminiha ereo, dra hahita reo fomba vo fihesik'ereo hanao dra hiono mahakasiky gny fatrokafa ze fa nalefako tagny Jerosalema, vo mahakasik'ireo raha hafa aby ze nalefako teo amin'gny tany. 23 Reo sisa velo dra hapiegny andrareo nofa hitandrareo reo fomba vo fihesik'ereo, koa dra ho fatandrareo reo raha aby fa vitako taminazy, fa sy nahiko raha fahatany reo! --- zeho gny fagambaran'gny Tompo Yaveh."