Toko faha 8

1 Gny fa niafaky gny ro-polo tao, nandrisy gny nagnamboaran'i Solomona gny tragnon'i Yaveh vo gny tragnony manoka, 2 Dra namboaran'i Solomona ndraiky reo tana zay namen'i Hirama anazy, dra napetrany tao gny vahoakin'Israely. 3 Nanafiky an'i Hamata-zoba i Solomona dra nandresy zay. 4 Dra izy nananga an'i Tadmora tagny agnefisy, vo reo tana fitehiriza aby, zay naoriny tao Hamata. 5 Nananga an'i beti-horona Ambony, vo Beti-horona Ambany, tana voaaro amigny manda, vo vavahady, dra fefy vy avo koa izy. 6 Nananga an'i Betela vo reo tana fitehiriza aby zay nanagnany izy, vo gny tanaby ho an'ireo kalesiny vo gny tana ho an'ireo pitikisy sovala, vo zay aby niriny asanga araky zay tiany tao Jerosalema, tao Libonona, vo tao ami'reo tany aby ambany fifeheza. 7 Dra reo olo aby zay sisa tavela avy tamigny Hetita, gny Amorita, gny Perizita, gny Hivita, vo gny Jebositra, zay sy an'Israely, 8 Reo taranany sisa tavela tafaran'izy reo tagny amigny tany, zay sy naringany vahoakin'Israely___dra nataon'i Solomona piasa an-terivozo, zay izy reo mandrak'akehitriny. 9 Na izay aza, sy nataon'i Solomona ho piasa aterivozo gny vahoakin'Israely. Fa koa, lasa maramilany, vo pifehiny, mana-pahefa, dra pifehy gny tafiky gny kalesiny vo gny pitikisy sovala ereo. 10 Reo avo koa gny mana-pahefa lahibe pandrindra reo pagnaramaso ze an'i Solomona pazaka, 250 tamin'ereo, gny nagnaramaso gny vahoaky ze nanao gny asa. 11 Nandesin'i Solomona niboaky gny tanan'i Davida ho agny amigny tragno ze namboariny ho anazy gny zanakapelan'i Farao, fa hoy izy ho: "Sy mahazo mitoby ao atragnon'i Davida pazakan'Israely gny valiko, akory na iza na iza niavianigny fiaran'i Yaveh dra masy." 12 Boak'eo Solomona nanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh teo amigny alitara ze naoriny teo anoloanigny lavarangy. 13 Nanolosy soro rak'ize nitakenigny fanao isan'andro izy; nanolosy anireo izy, nagnaraky anireo torolala hita taninigny didin'i Mosesy, tamigny andro sabata, gny vola vaovao, vo tamigny andro firavoravoa voatondro in-telo mia-tao: dra gny andro Firavoravoa amigny Mofo sy misy Masirasira, gny Herignandro Firavoravoa, dra gny andro Firavoravoanigny felofa. 14 Tami-pitandrema reo lalan'i Davida babany, gny nagnoroan'i Solomona reo pisoro ho amigny asany, dra reo Levita ho amigny fitoerany, ba hidera an'Agnahary vo hanopo eo anoloan'ireo pisoro, araky ze takenigny fanao isan'andro. Dra nanendry reo piamby vavahady tamigny fizarany isaky gny vavahady aby avo koa izy, fa izay gny fa nandidian'i Davida, gny lelahin'Agnahary. 15 Dra reo vahoaky reo dra sy ba nivily tamireo didinigny pazaka tamireo pisoro vo reo Levita na tamin'ino na tamin'ino. mahakasiky reo tragno fitehiriza. 16 Reo asa aby napanovin'i Solomona dra lomboky avokoa, hatramigny andro nagnora gny fagnambaninigny tragnon'i Yaveh dra mandra-pahavitan'izay. Vita gny tragnon'i Yaveh. 17 Boak'eo Solomona nagnagny Ezio-gebera vo Elota, tegny amoron-dranomasinigny tany Edoma. 18 Dra nandefasan'i Hirama sambo nandesin'ireo mana-pahefa ze tasambo nana traikefa izy. Niasambo niaraky tamireo panopon'i Solomona ho agny Ofira ereo. Nangalaky taleta volamena 450 boak'agny ereo ze nizaka tagny amin'i Solomona pazaka.