Toko faha 7

1 Gny fa nahare gny zakan'i Solomona gny pazaka apelan'i Sheba, dra nagnagny Jerosalema izy ba hisapa anazy amigny fagnotania sarosy. Nandeha niaraky tamigny panao rodobe lava dra lava , vo rameva napilazany raha magnisy, volamena maro be, dra vatosoa sarobily maro izy. Gny fa avy tagny amin'i Solomona izy, dra nambarany taminazy avokoa ze tao apony aby. 2 Nivalian'i Solomona avokoa reo fagnotaniany aby; sy dra nisy loasy ho an'i Solomona; sy nisy fagnotania ze sy voavaliny. 3 Gny fa hitan'ny pazaka vavin'i Sheba gny fahendren'i Solomona vo gny lapa zay fa naoriny, 4 Gny sakafo teo ambony latabany, gny fipetrahan'ireo panopony, gny asan'ireo panopony dra gny fitafian'izy reo, reo pinday kapoakiny vo fitafiany avo koa, dra gny fomba zay nanolorany gny fagnatisy oroa tao atragnon'i Yaveh, dra sy nisy fagnahy sasy tao aminazy. 5 Dra hoy izy tamigny pazaka ho: ''Marina tokoa, gny tatisy zay reko tagny amigny taniko momba reo zakanao vo gny fahendrenao. 6 Sy nino zay reko zaho ambara-pahaviako teto, dra ankehitriny dra hitan'ny masoko zay. Sy asasaky gny nizakany taminahy momban'ny fahendrenao vo gny harenao! Nihoranao gny laza zay reko. 7 Endrey sambasy gny vahoakinao, dra sambasy reo panoponao zay fa teo agnatrehanao foana, satria mahare gny fahendrenao izy reo. Isora anie yaveh Zagnaharinao, zay faly nandray anao, zay nametraky anao teo amigny seza fiandrianany, ba ho pazaka ho an'i Yaveh Zagnaharinao. Satria gny Zagnaharinao fa nihita an'Israely, ba hametraha anazy reo mandrakizay, dra nataony ho pazaka teo amin'izy reo hanao, ba hanovanao gny rariny vo fahamarina!'' 9 Nomeny talenta volamena 120 gny pazaka dra zava-magnisy vo vato sarobidy maro. Sy nisy fatra-zava-magnisy maro noho reo zay nomen'ny pazaka vavin'i Seba ho an'i Solomona pazaka bo name ho anazy ndraiky. 10 Reo panopon'i hirama vo reo panopon'i Solomona, zay ninday volamena avy tagny Ofira, dra ninday hazo Almoga vo vato sarobidy avo koa. 11 Tamigny hazo Almogo, dra nanao dinga ho an'ny tragnon'i Zagnahary vo gny tragnony gny pazaka, dra koa harpa vo lokanga ho an'ireo pitendry. Sy bo nisy hazo manahaky zay dra hita tagny amigny tanin'ny Joda tagny aloha. 12 Dra nomen'i Solomona pazaka reo raha zay niriny gny pazaka vavin'i Sheba, na ino na ino nangatahiny, ho fagnapin'izay fa nandesiny tamigny pazaka. Dra lasa izy dra nihery tagny amigny taniny, izy vo reo panopony. 13 Dra gny laza-volamena avy tagny amin'i Solomona tao agnatin'ny heritao dra talenta volamena 666, 14 Akoasy gny volamena zay nandesin'ireo piserasera vo reo pandrato. Reo pazakan'i Arabia aby vo reo governora tao amigny firenena avo koa dra ninday volamena vo volafosy ho an'i Solomona. 15 Nagnamboasy apinga volanema voafaty lahibe rozato i Solomona pazaka. Sekely volamena enizato name ho an'ny kiraikiraiky. 16 Nagnamboasy apinga volamena voafaty telozato avo koa izy. Mina volamena telo gny nagnarogna gny apinga kiraikiraiky; napetrany gny pazaka teo amigny lapan'ny Alan'i Libanona reo. 17 Avy eo gny pazaka nagnamboasy seza fiandriana ivoara lahibe dra nipetahiny takelam-bolamena tena matify indrindra zay. 18 Dingana eny gny nagneo amigny seza fiandriany, dra boribory gny tao afaran'ny tapon'ny seza fiandriana. Nisy fitehena-tagna teo amigny andanin'ny fitobohany kiraikiraiky, dra nisy liona ro nizoro teo ami'reo andanin'ny fitehena-tagna. 19 Liona ro ambin'ny folo gny nizoro teo ami'reo dinga, raiky isaky gny andanin'ny isaky gny dinga eny. Sy bo nisy seza fiandria manahaky itiky tagny amigny fazakana hafa. 20 Volamena avokoa reo kapoaky fisotron'i Solomona pazaka, dra gny kapoaky finoma aby tao amigny tragnon'ny Alan'i Libanona dra volamena sy mifangaro avokoa. Sy nisy volafosy satria sy nihevery ho sarobidy gny volafosy tamigny andron'i Solomona. 21 Gny pazaka dra nana sambo pandeha an-dranomasy, nindray tami'reo sambon'i Hirama. Indray mandeha isa-telo tao gny nandesany sambo volamena, volafosy, dra ivoara, mbamin'ireo razako vo gidro. 22 Noho zay dra nihoasy reo pazaka aby eran'izao tontolo izao tamigny harena vo fahendre i Solomona pazaka. 23 Izao tontolo izao dra nitalia fagnatrehan'i Solomona ba hahare gny fahendreny, zay fa napetrak'i Zagnahary tao am-pony. 24 Reo zay nisiliky dra ninday rakisy, fanaky volafosy vo volamena, fitafia, fiarova, dra zava-magnisy, dra sovala vo apondra, isa-tao. 25 Nana fihinana-bolo efasy arivo ho an'ireo sovala vo reo kalesy i Solomona, dra pitikisy sovala ro arivo vo ray aly, ze natobiny tao amigny tananigny kalesy vo niaraky taminazy tagny Jerosalema. 26 Nanapaky teo amireo pazaka aby hatragny amigny Ony Eofrata dra hatragny amigny tagnan'i Filistita izy, dra hatragny amigny tanin'i Filistia izy, hatragny amigny sisi-tanin'i Egypta. 27 Nana volafosy tagny Jerosalema gny pazaka, maro noho reo vatosoa tegny amigny tany. Namboasy hazo sedera maro noho reo hazo lemaly izy. 28 Ninday sovala ho an'i Solomona boak'agny Egypta vo boak'agny amigny tany aby ereo. 29 Gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Solomona, volohany sady farany, sy fa voasorasy tao amigny tataran'i Natana paminany, tao amigny Faminanian'i Ahiza gny Silonita, vo tao amigny Fahitan'Ido pahita mahakasiky an'i Jeroboama zanadahin'i Nebata ra izay? 30 Nazaka teo amin'Israely aby nandrisy gny afapolo tao i Solomona. 31 Nimaty niaraky tamireo razambeny izy dra gny vahoaky nandevy anazy tagny amigny tanan'i Davida raiky. Rehoboama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.