Toko faha 32

1 Tafaran'ireo raha vo asam-pahatokia reo, dra avy dra nilisy tao Joda i Sankeriba, Pazakan'i Asyria. Nitoby hanafiky reo tana mifefy izy, zay nokasainy ho baboiny. 2 Fa gny hitan'i Hezekia fa avy i Sankeriba dra izy nikasa hialy amin'i Jerosalema, 3 dra nifampizoso tamin'ireo mpitariny vo reo lelahiny manam-pahefa izy gny hampiatoa gny ranon'ereo loharano zay teo ambaliky tana;dra nagnampy anazy hanao anizay izy reo. 4 Olo maro gny niango vo nampiato reo loharano aby vo gny rano miroro ze namakivaky gny agnevony tany. Hoy izy reo ho:''Nanao akory Pazakan'i Asyria gny avy hitalia rano be?'' 5 Beheri-po i Hezekia dra nanaga gny manda aby ze raha. Nananga reo tilikambo ho abo kokoa, vo gny manda hafa agny ivelany avo koa izy. Nagnamafy gny Milo tao amigny tanan'i Davida avo koa izy, dra namboasy fitova-pialia vo apinga marobe. 6 Nametraky pifehy maramila teo amigny vahoaky izy. Namory anereo ho eo aminazy teo amigny tany malalaky teo amigny vavahadinigny tana izy dra nizaka tami-paherezana tamin'ereo. Hoy izy ho: 7 "Mahereza vo matazaha. Ka matahosy na kivy nohonigny pazakan'i Asyria vo reo tafiky aby miaraky aminazy handrareo, fa misy olo momba asika ze lahibe mihoasy noho reo ze momba anazy. 8 Sandrinigny nofo avo gny momba anazy, fa i Yaveh, zagnaharisika, koa gny momba asika, ba hagnapy asika, vo hialy gny alisika." Ko dra napahery gny vatan'ereo tamireo zakan'i Hezekia, pazakan'i Joda reo vahoaky. 9 Tafaran'izay, dra nagniraky reo panopony ho agny Jerosalema i Sankeriba, pazakan'i Asyria (teo anoloan'i Lakisa izy, dra gny tafiny aby nomba anazy), ho agny amin'i Hezekia, pazakan'i Joda, vo gny vahoaky aby ze tagny Jerosalema. Hoy izy ho: 10 "Izao gny zakan'i Sankeriba, pazakan'i Asyria: Ino gny hiateherandrareo ba hiareta gny fahirano agny Jerosalema? 11 Moa sy mamitaky handrareo ra Hezekia, ba hahavy andrareo ho matinigny misary vo gny hetaheta, gny fa mizaka amindrareo izy ho: 'Yaveh Zagnaharisika gny hagnavosy asika eo atagnanigny pazakan'i Asyria.' 12 Moa ra sy io Hezekia io avo gny nangalaky reo fitoera abony vo reo alitarany dra nandidy gny Joda vo gny Jerosalema ho: 'Eo amigny alitara raiky gny sy maisy hanopoandrareo, dra eo amizay gny sy maisy hagnoroa gny sorondrareo'? 13 Fatandrareo ra ze fa nataoko vo reo razambeko tamireo vondron'olo aby boak'amireo tany hafa? Moa afaky namozy gny tanin'ereo teo ambany fahefako tamigny fomba aby ra reo zagnaharin'ireo vondron'olonigny tany? 14 Teo amireo zagnaharin'ireo ferenena aby ze naringanigny razambeko reo, moa nisy zagnahary afaky gny namozy gny vahoaky hiala teo atagnako ra? Nagnino gny Zagnaharindrareo gny tokony hahavozy andrareo eo amigny fahefako? 15 Ko ka anga handiso fanatena vo hitao andrareo amigny alalan'izay i Hezekia. Ka mino anazy, fa sy nisy zagnahariny gny firenena na fazaka afaky namozy gny firenena na fazakana afaky namozy gny olo sy ho eo atagnako, na nangalaky sy ho eo atagnan'ireo razambeko. Ko maiky fa gny zagnaharindrareo gny hahavozy andrareo amigny tagnako?" 16 Bo nizaka rasy manohisy an'i Yaveh zagnahary vo manohisy an'i Hezekia panopony aza reo panopon'i Sankeriba. 17 Nanorasy taratasy avo koa i Sankeriba ba hanesoa an'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely, dra nizaka rasy taminazy, Hoy izy ho: "Manahaky reo zagnaharin'ireo firenenigny tany reo ze sy nahavozy gny olon'ereo teo atagnako, gny zagnaharin'i Hezekia avo koa dra sy hahavozy gny olony hiala sy ho eo atagnako." 18 Nitoka fatrasy gny vahoak'i Jerosalema ze tao amigny rindry tamigny fizakanigny Jiosy ereo, hapitahora vo hapihorohoroa anereo, ba hahafahan'ereo mambabo gny tana. 19 Nizaka mombanigny zagnaharin'i Jerosalema manahaky gny fizakan'ereo momba reo zagnahary gny olonigny tany hafa firenena, ze asa-tagnanigny olo fosiny avo, ereo. 20 Hezekia, pazaka, vo Isaia, paminany, dra nivavaky noho izay raga zay dra nitoka fatrasy tagny an-dagnisy izy. 21 Nagniraky azely i Yaveh, ba hamono reo lelahy pialy, reo pifehy, dra reo mana-pahefanigny pazaka tao atoby. Dra nihery tami-kegnasy tagny ataniny i Sankeriba. Gny fa nagnagny amigny tragnonigny zagnahariny izy, dra nivononigny ilany tamireo zanany tamigny sabasy tagny izy. 22 Manahaky anizay gny nagnavotan'i Yaveh an'i Hezekia vo reo panon'i Jerosalema tamigny tagnan'i Sankeriba, pazakan'i Asyria, dra tamigny tagnan'ireo hafa aby, dra nagnome anereo fiadagna tamigny fomba aby. 23 Maro gny ninday fagnatisy ho an'i Yaveh tagny Jerosalema, vo fagnomeza sarobily ho an'i Hezekia pazakan'i Joda, ba hahavy anazy hisandrasy teo amason'ireo ferenena aby nanomboky tamizay fotoa zay. 24 Dra tamin'izay fotoa zay Hezekia dra narary fa ho maty. Nivavaky tamin'i Yaveh izy, zay nizaka taminazy dra nagnome famatara anazy fa ho sitrana izy. 25 Nafa Hezekia sy ba namaly an'i Yaveh tamin'izay soa nome anazy, fa niavognavo gny fony.Ka dra avy taminazy, vo tamin'i Joda bamin'i Jerosalema gny fahoria. 26 Na zay avo , dra nanendry vata tamy avognavom-pony avo koa Hezekia, izy vo reo mponin'ereo gny Jerosalema, ka sy avy tamin'ireo gny hahorian'i Yaveh nandrisy gny andron'i Hezekia. 27 Nanan-kanagna marobe vo voninahisy vatany i Hezekia. Nanao efi-tragno fignaza ho agny volafosy , volamena, vato sarobily, vo ho an'ireo hagnisy , dra ho an'ireo apinga vo reo raha-mana-daza samy hafa karaza izy. 28 Nana tragno fagnaza-bokasy ho agny vary, divay vaovao, dililo, dra tragno fihinam-bilo ho an'ireo biby fiteza karazany aby avo koa izy. Nana agn'ondry vo osy tao am-balany avo koa izy. 29 Fagnapin'izay , nanao tana ho anazy avo koa izy dra nana agn'ondry vo osy vo agn'omby marobe,fa Zagnahary nagnome anazy hanagna maro be indrindra. 30 Io Hezekia io avo gny nagnapy gny loharano laha tagny agnabony tany Gihona, vo nampivavasy anizay ho agny amy tapany andrefany tanan'i Davida. Nahomby tamin'ereo tetikasany aby i Hezekia. 31 Na zay avo, gny amy raha mahakasiky reo masoambohon'ereo zagnaharin'i Babylona, zay nirahiny hagnany aminazy ba hametra-pagnontania momba reo ze nahafatasy , gny mombany famatara mahalasa zay fa natao teo amy tany, dra nagnenga anazy ho raiky Zagnahary, ba hisapa anazy , dra hahafatara anizay tao am-pony. 32 Raha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky an'i Hezekia, ao agnatin'izay reo asa sy fivaliam-panekeny, ingo fa voasorasy ao amy Fahitan'Isaia Mpaminany Zanadahin'i Amosa reo, vo ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely. 33 Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Hezekia, ka nalenin'ereo tagny amy havoa misy reo lolony taranak'i Davida izy. Nagnome voninahisy anazy tamy fahafatesany gny joda aby vo gny mponin'i Jerosalema. Dra Manase zanadahiny gny avy Pazaka nandimby anazy.