Toko faha 33

1 Ro ambiny folo tao i Manase raha nanomboky nazaka; nazaka nandisy gny dimy amby dimapolo tao tagny Jerosalema izy. 2 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky reo raha maharikorikon'ireo firenena ze fa nalan'i Yaveh teo agnatrehanigny vahoakin'Israely. 3 Fa nananga ndraiky reo fitoera abo ze niravan'i Hezekia babany, dra nananga reo alitara ho an'ireo bala izy, nanao reo baon'Aseraha izy, dra nekohoky teo amireo kitanigny lagnisy dra nanopo anereo. 4 Nagnory alitara fanompoan-tsapy tao antragnony Yaveh i Manase, dre dra nandidy: ''Any Jerosalema gny itobohany gnagnarako mandrakizay.'' 5 Namboasy alitara ho an'ereo vasiany lagnisy aby teo amy kianja ro gnany tragnony Yaveh izy. 6 Noroa tao an-dohasa han'i Ben-hinoma ereo zanadahiny. Nanao fanandroana sy nisiliky izy; namaky fahitana izy; dra nandeha tagny amin'ereo ze nizaka amy maty sy erea nizaka amin'erea fagnahy. Nanao raha-rasy maro teo amasony i Yaveh izy dra nandigny gny haorian'i Zagnahary. 7 Gny sary sokisin'i Aseraha ze namboary, napetrany tao an-tragnon'i Zagnahary zay. Gny mamban'io tragno io gny nizaka i Zagnahary tamin'i Davida sy Solomona zanadahiny; zay gny nizakany: ''Eto amity tragnoty sy agny Jerosalema, zay fa nifiliko fokon'Israely aby, gny hametrahako gny agnarako mandrakizay. 8 Sy hafidrako amy tany ze nitedreko ho gnany razamben'ereo gny tokany vahoakin'Israely, raha toa ka mitadry ze aby nandidiako anazy ereo magnaraky gny lala, fisipiky, dra ereo didy ze nameko an'ereo tamin'ny alalan'i Mosesy ereo.'' 9 Nitarihin'i Manase hanao rasy mihoasy lavisy nohon'ereo firenena ze fa naringan'i Yaveh teo agnatrehany vahoakin'Israely i Joda sy gny mponina tao Jerosalema. 10 Niresaky tamin'i Manase vo tamy olony i Yaveh, fa sy niraharaha ereo. 11 Koa nandesin'i Yaveh teo aminazy reo mpifehy gny tafiky gny Pakakan'i Asyria, zay nanagalaky an'i Manase tamy ravaky vy, namehy anazy tamy ravaky vy dra namoaky anazy ho agny Babylona 12 Rana tao agnatiny fahoria i Manase, dra nitalaho tamin'i Yaveh, Zagnahariny, dra nanetry fatrasy gny vatany teo anatrehany Zagnaharin'ereo razambeny. 13 Nivavaky taminazy izy;dra Zagnahary gny nitalahony, ka ren'Agnahary gny fitalahohoany dra nandesiny nihery ho agny Jerosalema, tagny amy fazakany izy. Dra fatasin'i Masena fa Yaveh gny Zagnahary. 14 Tafaran'izay, Manase dra nagnamboasy manda ambalikiny teo amy tanan'i Davida, teo amy tapany andrefan'i Gihona, tagny an-dohasaha, teo amy filira amy fefidi-kazandrano. Nagnodidy gny havoan'i Ofela izy dra nananga gny manda ho tena abo.Nametraky mpifehy mahery fo teo amy tana mifefy iaby i Joda izy. 15 Nalany sy ho ao antranon'i Yaveh reo Zagnahari-kafa, gny sampy, dra reo alitara aby ze namboariny vo tany Jerosalema, dra nariany tagny ambaliky tana zay. 16 Naoriny draiky gny alitaran'i Yaveh dra nanolosy soro ho fagnati-pihombona vo fagnati-pisaora teo izy;nandidy an'i Joda hanompo an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely izy. 17 Na zay avo, gny vahoaky dra bo nanao soro teo amin'ireo fitoera abo avo , nefa ho an'i Yaveh raiky, zay Zagnaharin'ereo. 18 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Manase, gny vavaky nataony tamin'Agnahary, vo gny zakan'ireo pahita ze nizaka taminazy tamigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ingo, voasorasy ao amigny asan'ireo pazakan'Israely zay. 19 Ao agnatin'izay gny tataranigny vavaky nataony, vo gny fiheseha-pon'Agnahary tamizay. Ao avo koa gny fahotany vo reo fahadisoany aby, dra reo toera ze nananganany reo fitoera abo vo nametraky reo baon'Aseraha abo gny sary raha voasokisy, talohanigny nanetreny gny tenany__voasorasy ao amigny tataran'ireo pahita anizay. 20 Dra nimaty tagny amireo razambeny i Manase, dra nalevin'ereo tao atragnony. Amona, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby anazy. 21 Ro amby ropolo tao i Amona raha nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny ro tao tagny Jerosalema izy. 22 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky ze fa nataon'i Manase, babany. Nanao soro ho an'ireo sary raha voasikisy aby ze fa nataon'i Manase babany i Amona, dra nanopo reo izy. 23 Sy nagnetry tegna teo agnatrehan'i Yaveh izy, manahaky ze fa nataon'i Manase babany. Fa koa, ty Amona tihoky avo koa nanao fahadisoa besaky kokoa. 24 Nanao tetiky hanohisy anereo panopony dranamono anazy tao atragnony avo. 25 Fa gny poninigny tany namono reo aby ze nitetiky hanohisy an'i Amona pazaka, dra nataon'ereo ho pazaka nandimby anazy i Josia, zanadahiny.