Toko faha 30

1 Nandefa iraky tamin'Israely vo i Joda aby i Hezekia, dra ko nanorasy taratasy ho an'i Afraima vo Manase, fa tokony ho avy ao atragnon'i Yaveh agny Jerosalema ereo, ba hakalaza gny Pska ho an'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely. 2 Fa gny pazaka, reo pitariky, vo gny fengona aby tagny Jerosalema dra nindray nihevisy, nanapa-kevisy gny hakalaza gny Paska amigny vola faharo. 3 Sy afaky nakalaza anizay teo gny ho eo anefa ereo, akory sy apy reo pisoro ze nagnamasy gny vatan'ereo, na gny olo ze nindray nivory tagny Jerosalema. 4 Ho mary teo amasonigny pazaka vo gny fengonan'aby izay tolo-kevisy izay. 5 Dra nagneky gny hanao fagnambara manera an'Israely manotolo ereo, hatragny Beriseba dra hatragny Dana, fa gny vahoaky dra tokony ho avy hakalaza gny Paska ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, tao Jerosalema. Fa ereo dra sy nitandry anizay niaraky tamigny vahoaky maro an'isa, araky ze voasorasy. 6 Noho izay reo iraky dra nandeha ninday gny taratasy boak'amigny pazaka vo reo pitariny nanera an'Israely vo Joda aby, araky gny baikonigny pazaka. Hoy ereo ho: "Handrareo vahoakin'Israely, miheregna amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Abreahama, Isaka, dra Israely, ba hiharegnany amigny sisa tavela amindrareo ze tafasoaky boak'eo atagnan'ireo pazakan'i Asyria. 7 Aoky handrareo sy hitovy amigny razambendrareo na gny rahalahindrareo, ze nanota tamin'i Yaveh, gny zagnahariny gny razamben'ereo, dra nandringanany anereo, araky gny hitandrareo. 8 Dra ka maheriloha, manahaky reo razambendrareo; fa koa, manolora tegna ho an'i Yaveh handrareo dra midira ao amigny fitoerany masy, zefa nihamasininy mandrakizay, dra manopoa an'i Yaveh zagnaharindrareo ba hiala amindrareo gny firehetanigny fahatezerany. 9 Fa raha mihery amin'i Yaveh handrareo, dra hahita fangoraha-po manoloa an'ireo ze ninday anereo ho gadra gny rahalahindrareo vo gny zanandrareo, dra hihery amity tany tihoky ereo. Fa Yaveh zagnaharindrareo, dra mahari-po vo mamindra fo, dra sy hagnavony gny tavany amindrareo, raha mihery aminazy handrareo." 10 Dra lasa reo iraky nandeha isa-tana nanera gny faris'i Efraima vo i Manase, gny lalan'aby nagnagny Zebolona, fa nihomehy vo naneso anereo gny olo. 11 Na izay aza, gny ilany tamigny lelahin'Aseraha vo i Manase dra Zebolona dra nanetry tegna dra avy tagny Jerosalema. 12 Avy tamin'i Joda avo koa gny tagnan'Agnahary, ba hagnome fo raiky anereo, ba hagnatetaraky gny didinigny pazaka vo reo pitariky tamigny alalanigny zakan'i Yaveh. 13 Vahoaky maro, fengona lahibe vatany, gny tafaango tagny Jerosalema ba hakalaza gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira tamigny vola faharo. 14 Dra nisanga ereo dra nangalaky reo alitara ze tagny Jerosalema, vo reo alitara aby ho anigny liti-kazo magnisy; narian'ereo tagny amigny lohasakan-driaky Kidrona zay. 15 Boak'eo dra namono gny zanak'agnondrinigny Paska ereo tamigny agnondry fahefasy ambiny folonigny vola faharo. Megnasy reo pisoro vo reo Levita, dra nagnamasy gny vatany vo ninday fagnatisy oroa tao atragnon'i Yaveh ereo. 16 Nizoro tegny amigny toerany avy araky gny fizarany ereo, magnaraky reo torolala name tao amigny lalan'i Mosesy, gny lelahin'Agnahary. Nafafin'ireo pisoro gny lio ze niresinigny boak'amigny tagnan'ireo Levita. 17 Akory nisy maro tamigny fengona gny sy nagnamasy gny vatany. Noho izay dra namono gny zanak'agnondriny gny Paska ho anigny olon'aby sy voalio vo sy afaky nagnamasy gny soron'ereo ho an'i Yaveh reo Levita. 18 Fa vahoaky marobe, maro tamin'ereo boak'agny Efraima vo Manase, Isakara vo Zebolona, gny sy nagnaligno gny vatan'izy, nefa nihina gny sakafonigny Paska avo ereo, sy araky ze fapenara voasorasy. Dra nivavaky ho anereo i Hezekia, nanao anizahoky ho: "Enga anie Yaveh soa hamindra fo gny olon'aby 19 ze manefy gny fony hitalia an'Agnahary, Yaveh, gny zagnaharin'ireo razambeny, na dre sy voalio tamigny fahaliova araky gny fenisy gny fitoera masy aza izy." 20 DRa niteno an'i Hezekia i Yaveh dra nagnasitrany gny vahoaky. 21 Gny vahoakin'Israely ze tagny Jerosalema dra nitandry tami-kafaliam-be gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny hafitoa. Reo Levita vo reo pisoro dra nidera an'i Yaveh isan'andro isan'andro, nihira niaraky tamigny raha magneno fatrasy ho an'i Yaveh. 22 Dra Hezekia napahery reo Levita aby ze nahatakasy gny fanopoa an'i Yaveh, Ko dra nihina tami-piravoravoa nandrisy gny hafitoa ereo, nanolosy reo soro ho fagnati-pihombona, dra nibebaky tamin'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razam-ben'ereo. 23 Dra gny fengona manotolo nanapa-kevisy gny hakalaza hafitoa hafa, dra nanao anizay tamin-kafalia ereo. 24 Dra Hezekia pazakan'i Joda nagnome agnombilahy arivo vo agnondry fito arivo ho anigny fengona ho fagnatisy; dra reo pitariky nagnome agnombilahy arivo vo agnondry aman'osy ray aly ho anigny fengona. Pisoro maro an'isa gny magnamasy gny vatany. 25 Gny fengonan'i Joda aby, miaraky amireo pisoro vo reo Levita, dra gny vahoaky aby ze nindray avy boak'agny Israely, dra reo vahiny ze avy boak'agny amigny tanin'Israely vo reo ze nipetraky tagny Joda dra nifaly avokoa. 26 Dra nisy fifaliam-be tao Jerosalema, fa hatramigny fotoan'i Solomona zanak'i Davida, pazakan'Israely, dra sy bo nahita manahaky anizay tao Jerosalema. 27 Dra nisanga vo niso-drano gny vahoaky reo pisoro, vo reo Levita. Re gny feon'ereo, dra gny vavak'ereo niaraky tagny an-dagnisy, gny fitoera masy ze anenan'Agnahary.