Toko faha 29

1 Nanomboky nazaka i Hezekia tamigny fahadimy amby ropolo taonany; nazaka nandrisy gny sivy amby ropolo tao tagny Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Abia; zanakapelan'i Zakaria. 2 Nanao mary teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny fa nataon'i Davida babany. 3 Tamigny tao volohany nazakany, tamigny vola volohany, dra nanokaky reo vatrangaranigny tragnon'i Yaveh i Hezekia dra namboasy anireo. 4 Napilisy reo pisoro vo reo Levita izy, dra namory anereo niaraky tao amigny kiaza tamigny ilany asignana. 5 Hoy izy tamin'ereo ho: "Mitenoa anahy, handrareo Levita! Amasigno gny vatandrareo, dra amasigno gny tragnon'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambendrareo, dra alao hiala amigny fitoera masy gny fahalotoa. 6 Fa nanota reo razambesika dra nanao rasy teo amason'i Yaveh zagnaharisika; nahafo anazy ereo, napihody gny tavan'ereo niala tamigny toera ze honena'i Yaveh, dra napitoliky gny lamosin'ereo ho amin'zay. 7 Nihilin'ereo avo koa reo vatrangaranigny lavarangy dra nivonony gny ziro; sy nagnoro liti-kazo magnisy ereo na fagnatisy oroa tao amigny toera masy ho anigny zagnaharin'Israely. 8 Noho mizay dra nilasaky teo amin'i Joda vo i Jerosalema gny hatezeran'i Yaveh, dra nataony manahaky gny raha fapihorohoroa, fapitahora, vo fanalam-baraka ereo, araky gny hitandrareo amigny masondrareo. 9 Izay gny atony nahalavo reo rasika tamigny sabasy, vo reo zanasika apela, dra reo valikisa. 10 Amizao dra sy apoko gny hanao fagneke amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ba hialanigny fahatezerany mirehisy amisika. 11 Ry zanako, ka malaiky anizao, akory Yaveh fa nifily andrareo ba hisanga eo anoloany, ba hanopo Anazy, dra ba ho panopony vo ho emboky magnisy." 12 Boak'eo dra nisanga reo Levita: dra Mahata zanadahin'i Amasay, vo Joela zakadahin'i Azaria, boak'amigny olon'ireo Kohalita; dra reo olon'i Merary, Kisy zanadahin'i Abdia, vo Azaria zanadahin'i Jehalalila; dra reo Gersonita, Joa zanadahin'i Joa; 13 boak'amireo zanadahin'i Elizafana, Simry vo Jeiela; dra boak'amireo zanadahin'i Asafa, Zakaria dra Matania; 14 boak'amigny zanadahin'i Hemana, Jehiela dra Simei; dra boak'amigny zanadahin'i Jedotona, Semaia dra Oziela. 15 Namory reo rahalahiny ereo, dra nagnamasy gny vatany, dra nilisy, araky gny nandidianigny pazaka, tamigny fagnaraha reo zakan'i Yaveh, ba hagnalio gny tragnon'i Yaveh. 16 Nilisy tao amigny efisy agnatinigny tragnon'i Yaveh reo pisoro ba hagnalio anizay; nandesin'ereo niboaky gny loto aby ze hitany tao atepolin'i Yaveh tao akiazanigny tragno. Nalan'ireo Levita zay ba hangala anizay ao an-dohasakan-driakin'i Kidrona. 17 Dra natombok'ereo gny fagnamasigna tamigny andro volohanigny vola volohany. Dra tamigny andro fahavolohanygny vola dra nihazo teo amigny lavarangin'i Yaveh ereo. Dra nandrisy gny valo andro hafa avo koa dra nagnamasy gny tragnon'i Yaveh ereo. Tamigny andro fahaenina ambiny folonigny vola volohany dra vitan'ereo zay. 18 Boak'eo ereo nandeha tagny amin'i Hezekia, gny pazaka, tao amigny lapa dra nizaka ho: "Fa nagnalio gny tragnon'i Yaveh manotolo izahay, gny alitara ho an'ireo fagnatisy oroa miaraky amigny fapiharany aby, vo gny latabasy gny mofonigny fagnatreha, miaraky amigny fapiharany aby. 19 Ko fa nioma izahay dra fa nihamasigninay reo fitovan'aby ze nalan'i Ahaza pazaka fony niasa sy apahatokia nandrisy gny fazakany izy. Ingo, eo agnatrehanigny alitaran'i Yaveh reo." 20 Boak'eo Hezekia pazaka nifoha maray dra namory reo pitariky gny tana; nandeha niakasy tagny amigny tragnon'i Yaveh izy. 21 Ninday agnomby lahy fito, agnondrilahy fito, zanak'agnondry fito, dra osilahy fito ho fagnatisy nohonigny ota ho anigny fazaka, ho anigny fitoera masy, dra ho an'i Joda ereo. Nandidy an'ireo pisoro, reo zanadahin'i Arona izy, ba hagnatisy anireo eo amigny alitaran'i Yaveh. 22 Ko dra nivonon'ereo gny agnomby, dra nitakarin'ireo pisoro gny lio dra nafafiny teo amigny alitara. Nivonon'ereo gny agnondry lahy dra nafafiny teo amigny alitara gny lio; nivonon'ereo avo koa reo zanak'agnondry dra nafafiny teo amigny alitara gny lio. 23 Nandesin'ereo teo anoloanigny pazaka vo gny fivondrogna reo osilahy ho fagnatisy nohonigny ota; napetrak'ereo teo amizay gny tagnany. 24 Nivonon'ireo pisoro zay, dra nanao fagnatisy nohonigny ota tamigny lion'ireo teo amigny alitara ba hanova fagnavota ho an'Israely ereo, akory nandidy gny pazaka fa tokony hisy fagnatisy oroa vo fagnatisy nohonigny ota hatao ho an'Israely manotolo. 25 Napetrak'i Hezekia tao amigny tragnon'i Yaveh niaraky tamigny kipaso, harpa, dra lokanga reo Levita, nalahany araky gny baikon'i Davida, Gada, gny pahitanigny pazaka, vo Natana, gny paminany, akory boak'amin'i Yaveh tamigny alalan'ireo paminaniny gny baiko. 26 Nizoro niaraky tamireo raha magnenon'i Davida reo Levita, dra reo pisoro niaraky tamireo tropetra. 27 Nandidy anereo ba hanolosy gny fagnatisy oroa ho eo amigny alitara i Hezekia. Gny fa nanomboky gny fagnatisy oroa, dra nanomboky avo koa gny hiran'i Yaveh, niaraky tamireo tropotra, mbamin'ireo raha magnenon'i Davida, pazakan'Israely. 28 Nihoby avokoa gny fengonan'aby, nihira reo pihira, dra nisioky reo papagneno tropetra; nitohy hatragny reo aby reo ambara-pahavitanigny fagnatisy oroa. 29 Gny fa vitan'ereo gny fagnatisy, dra nekohoky vo nisoaky gny pazaka vo reo aby ze nagnatriky niaraky taminazy. 30 Akoasy izay, Hezekia, gny pazaka, vo reo pitariky dra nandidy an'ireo Levita ba hihira fidera ho an'i Yaveh tamigny zakan'i Davida vo Asafa pahita. Nihira fidera tami-pifalia ereo, dra niakohoky vo nidera. 31 Dra hoy Hezekia ho: "Amizao dra nagnamasy gny vatandrareo ho an'i Yaveh handrareo. Avia eto dra andeso ho ao atragnon'i Yaveh reo soro vo reo fagnati-pisorogna." Nandesinigny fengona reo soro vo reo fagnati-pisorogna, dra reo aby ze nana fo feno finiava dra ninday fagnatisy oroa. 32 Agnombilahy fitopolo, agnondrilahy zato, dra zanak'agnondry lahy rozato gny isan'ireo fagnatisy oroa nandesinigny fengona. Ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh avokoa reo aby reo. 33 Agnomby enizato vo agnondry telo arivo reo fagnatisy voahasy. 34 Fa keliky loasy reo pisoro raha hagnendaky gny holis'ireo fagnatisy oroa, ko dra nagnapy anereo gny rahalahiny, reo Levita, ambara-pahavitanigny asa, dra ambara-pahafahan'ireo pisoro nagnamasy gny vatan'ereo, fa nitandry gny hagnamasy gny vatan'ereo kokoa noho reo pisoro reo Levita. 35 Fagnapin'izay, dra nisy fagnatisy oroa maro ba; napiaraha tamigny saboranigny fagnati-pihombona reo, dra nisy fagnatisy onomy ho anigny fagnatisy oroa aby. Ko dra nalamy soa gny fanopoa tao atragnon'i Yaveh. 36 Niravoravo Hezekia, dra gny vahoaky aby avo koa, noho ze fa nomanin'Agnahary ho anigny olo, akory vita selasela gny asa.