Toko faha 28

1 Ropolo tao i Ahaza gny nanomboky nazaka, dra nazaka enina ambiny folo tao tao Jerosalema izy.Sy nanao zay mary teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'i Davida razambeny. 2 Fa nandeha tamy lalan'ereo Pazakan'Israely iz;nagnamboasy sarin-draha araraky an'ireo Bala avo koa izy. 3 Fagnapin'izay , nagnoro emboky magnisy tao amy Lohasahan'i Bela-hinoma izy dra nandefa reo zanany tao agnatiny afo, araky reo asa fanompoa-sapy gny olo ze niteren'i Yaveh hiala tamy taniny talohany vahoakin'Israely. 4 Nanao soro vo nagnoro litin-kazo magnisy tao amy fitoera abo vo tegny amin'ireo havoa dra tagny ambaniny hazo meso iaby izy. 5 Noho zay Yaveh Zagnaharin'i Ahaza, dra nanolosy anazy teo an-tagnany Pazakan'i Syria.Nandresy anazy gny Syriana dra ninday vahoaky gadra marobe niala teo aminazy, ninday anazy reo nagnagny Damaskosy.Natolosy teo an-tagnany Pazakan'Israely ze nandresy anazy tamy famonoa lahibe avo koa Ahaz. 6 Fa Peka zanadahin'i Remalia,dra namono miaramila 120 000 tao Joda tao agnatiny raiky andro, lelahy be herim-po avo koa izy aby, satria izy reo dra nahafo an'i Yaveh, gny Zagnaahary gny razamben'ereo. 7 Zikry, lelahy mahery ray laha tagny Efraima, namono an'i Mahaseia zanadahiny Pazaka, Azrikama, manam-pahefa eo amy lapa, dra i Elkana, zay mariny gny Pazaka. 8 Gny tafik'Israely dra nangalaky babo 200 000 valy, zanadahy, dra zanakapela laha tamin'ereo havan'ireo. Nangalaky babo maro be avo koa izy reo, zay nandesiny nihery tagny Samaria. 9 Fa nisy mpaminanin'i Yaveh ray tagny, Obeda gny agnarany. Niboaky ba hiseza gny tafiky ze avy laha tagny Samaria izy. Hoy izy tamin'ereo ho:''Satria Yaveh, gny Zagnahary gny razambebdrareo, ory tamin'i Joda, dra nanolosy anazy reo teo an-tanandrareo Izy. Fa namono anazy reo tamin-kahoria ze mahatakasy gny lagnisy iandrareo. 10 Dra mihevisy gny hihazo reo lelahy vo ampelan'i Joda vo Jerosalema ho andevondrareo ndrareo. Fa moa se iandrareo sy ory tamin'ereo fahotandrareo tamin'i Yaveh Zagnaharindrareo? 11 Amizao , mitenoa anahy:Alefaso reo gadra, zay nalandrareo tamin'ireo rahalahindrareo, fa mirehisy amindrareo gny orian'i Yaveh.'' 12 Dra reo pitariky gny vahoakin'i Efraima sasany-Azaria zanadahin'i Johanana, Berekia zanadahin'i Mesile-mota , Jehizkia zanadahin'i Saloma, dra i Amasa zanadahin'i Hadlay, nisanga hanohisy reo zay nihery laha tagny amy aly. 13 Hoy izy reo tamin'ereo ho:''Ao sy hinday reo gadra atio iandrareo , satria mitalia handay raha zay hampanota anay hanohisy an'i Yaveh iandrareo, ba hagnapy reo otanay vo reo fahadisoanay, fa lahibe gny fahadisoanay, dra misy firehetan-kahory amin'Israely.'' 14 Dra nagnenga reo gadra vo reo babo teo anatrehan'ereo pitariky vo fivondrogna aby reo lelahy mitam-pialia. 15 Niary reo lelahy zay voatendry tamy agnarany dra nangalaky reo gadra, vo nampiakazo reo aby sy niakazo teo amin'ereo niaraky tamin'ireo babo. Nampiakazon'ereo dra nomeny kapa. Nomen'ereo sakafo hohany vo raha-finomy izy reo. Nisabo gny marasin'ereo dra nametraky reo malemy teo agnabony boriky ereo. Nandesin'ereo nihery tagny amy fianakaviany tagny Jeriko izy reo, (nitokaviny ho Tananany Palama). Laha teo dra nihery tagny Samaria izy reo. 16 Tamin'izay fotoa zay Ahaza Pazaka dra nandefa mpinday hafasy tagny amin'ireo Pazakan'i Asyria ba hangataky anazy reo hagnapy anazy . 17 Satria bo avy draiky reo Edomita dra nanafiky an'i Joda, ninday an'ireo gadra. 18 Reo Filistina avo koa dra nanafiky reo tananan'ireo tagny lemaky vo gny an'i Negeva ao Joda. Nalan'ereo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, dra Soko vo reo zana-bohiny, Timna vo reo zana-bohiny, dra Gimzo vo reo zana-bohiny avo koa. Nandeha nipetraky tagny amin'ireo toera reo izy reo. 19 Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, Pazakan'Israely . satria izy nanao rasy tao Joda vo nanota fatrasy dra fatrasy tamin'i Yaveh vatany. 20 Tigloto-pilesera, Pazakan'i Asyria, dra laha teo aminazy dra nagnakorota anazy raha tokony nakahery anazy. 21 Fa i Ahaza dra nambabo gny tragnon'i Yaveh vo reo ankohonany Pazaka dra reo pitariky, ba hagnome raha-sarobily ho an'ireo Pazakan'i Asyria. Saiky sy nahazoany tombony gny fanova anizay. 22 Io Ahaza Pazaka io avo gny nanohisy an'i Yaveh tamy fotoany fahoriany. 23 Satria nanao soro tamin'ireo zagnaharin'i Damaskosy izy, zagnahary zay fa nandresy anazy. Hoy izy ho:''Satria nagnapy anazy reo gny zagnaharin'ereo Pazakan'i Syria, dra hisoro ho anazy reo zaho, ba hagnapy anahy izy reo.''Kanefa faharava ho anazy vo Israely aby izy reo. 24 Nahoron'i Ahaza reo fanaky tao amy tragnon'Agnahary dra nitapatapahany. Narindriny reo vatrangarany tragnon'i Yaveh dra nanao alitara ho anazy teo amy zoron'i Jerosalema aby izy. 25 Tagny amy tananan'i Joda aby gny nanovany fitoera abo ba hagnoroa soro ho an'ireo zagnahari-kafa. Niasy an'i Yaveh, gny Zagnaharin'ereo razambeny izy. 26 Dra gny sisa tamin'ireo asany, vo reo lalany aby, volohany dra farany dra ingo, fa voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely. 27 Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Ahaza, dra nalevin'ereo tao amy tana, tao Jerosalema izy , fa sy nandesin'ereo tagny amy lolon'ereo Pazakan'Israely. Hezekia, gny zanadahiny, gny lasa Pazaka teo amy toerany.