Toko faha 27

1 Dimy amby ropolo tao i Jotama raha nanomboky nazaka enina amby folo tao tagny Jeresalema izy. Jerosa gny agnaran-dreniny;zanakapelan'i Zadoka izy. 2 Nanao zay mary teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy nataon-drany , dra i Ozia, tamy raha iaby.Nizano tamy filira tao an-tempolin'i Yaveh avo koa izy. Kanefa bo ninday tena tamy fomba rasy avo gny vahoaky. 3 Nagnamboasy gny fefy agnabony tragnon'i Yaveh izy, dra nagnamboasy maro teo amy havoan'i Ofela. 4 Fagnapian'izay dra nagnamboasy tana tagny amy tany havoan'i Joda, vo nagnamboasy rova vo tilikambo tagny amin'ireo ala izy. 5 Nialy tamy Pazaka gny vahoakin'i Amona avo koa izy dra nandresy anazy reo.Tamin'izay tao zay avo , gny nagnomezany vahoakin'i Amona anazy taleta volafosy zato, vary tritriky ray aly fatra, vary horde ray aly fatra.Nomeny vahoakin'i Amona anazy manahaky zay avo izy gny tao faharo vo fahatelo. 6 Dra nihamahery i Jotama satria nandeha nahisy teo anoloan'i Yaveh Zagnahariny. 7 Dra gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jotama, gny aliny aby, dra reo lalany , ingo, voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'Israely vo Joda zay. 8 Dimy amby ropolo tao izy raha nanomboly nazaka;nazaka nandrisy gny enina amby folo tao teo Jerosalema izy. 9 Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Jotama, dra nalevin'ereo tao an-tananan'i Davida izy. Ahaza, zanadahiny, gny avy Pazaka nandimby gny toerany.