Toko faha 26

1 Gny vahoakin'i Joda aby nangalaky an'i Ozia, ze enina ambiny folo tao, dra nanao anazy ho pazaka eo amigny toeran'i Amazia babany. 2 Izy gny nagnory ndraiky an'i Elota dra nagnery nagnory izay ho an'i Joda. Tafaran'izay dra nimaty tagny amireo razambeny gny pazaka. 3 Enina ambiny folo tao i Ozia gny nanomboky nazaka. Nazaka nandrisy gny ro amby dima-polo tao tao Jerosalema izy. Jekolia gny agnaran-dreniny; boak'agny Jerosalema izy. 4 Nanao mary teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy namen'i Amazia, babany, tamigny raha aby. 5 Nanolosy gny vatany ba hitalia an'Agnahary tamigny andron'i Zakaria, ze nagnome anereo torolala tamigny fakatoava an'Agnahary izy. Raha bo nitalia an'i Yaveh izy, dra nagnamby anazy zagnahary. 6 Niboaky i Ozia dra nitalia tamigny Filistina. Niravany gny mandanigny tana tao Gata, Jabne dra Asdoda; nagnory tanan-dehibe tao amigny tanan'i Asdoda vo teo amireo Filistina izy. 7 Napian'Agnahary nanohisy an'ireo Filistina izy, nanohisy gny Arabo ze nany tao Gorabala, dra nanohisy reo Meonita. 8 Nandoa fagnomezam-boninahisy ho an'i Ozia gny Amonita, dra niely gny lazany, na dre hatragny amigny fidiran'i Agypta aza, akory nihanatazaky izy. 9 Fagnapin'izay, nagnory tilikambo tao Jerosalema i Ozia ze teo amigny Vavahady azorony, teo amigny vavahadin-Dohasaka, vo teo amigny fiodignanigny manda, dra nagnamafy ory reo. 10 Nagnory tilikambo fembena tagny agnefiny izy dra nihaly pisy rano maro, akory nana biby teza maro izy, tagny amigny tany lemaky vi tagny amigny iva. Nana piteza vo pamboly voaloboky tagny amigny firenena vo tagny amigny tany vahoa vo tagny amigny saka mamokasy izy, akory tiany gny teza vo fambolena. 11 Fagnapin'izay, nana tafiky lelahy pialy i Ozia zay niboaky isam-bondro ba hialy zay voalamy araky gny isany zay nisahin'i Jeiela, parora-dalana, vo Mahaseia, manapahefana, teo ambany fahefan'i hanania, raiky tamin'ireo pifehin'ny pazaka. 12 Gny fitambaran'ny isak'ireo lohan'ny fianakavian-draza, lelahy pialy, dra 2 600. 13 Teo ambany fahefan'izy reo dra nisy tafiky 307 500 lelahy zay nialy tamin-kery lahibe ba hagnapy gny pazaka hanohisy gny fahavalo. 14 Nomanin'i Ozia ho an;izy reo__ho an'ny tafiky aby___reo apinga, lefo, fiarovan-doha, fiarova-tratra vy, sipiky, vo tavo apiasa amigny asamotaly. 15 Nagnamboarany milia maro tao Jerosalema, zay niforognin'ireo lelahy mana-paheza, natao tegny amigny tilikambo vo tegny an-dohan'ny manda, zay andefasa zana-sipiky vo vato lahibe. Niely hatragny amigny tany lavisy gny lazany, satria nahazo fagnapia goava izy mandra-pahaviny ho tena mahery. 16 Fa gny niha-natazaky i Ozia, dra nieboebo gny fony nanao gny sy marian izy; nivaliky tamin'i Yaveh, Zagnahariny izy, satria nagnao atragnon'i Yaveh ba hagnoro diti-kazo magnisy teo amigny alitaran'ny diti-kazo magnisy. 17 Azaria, pisoro, dra nilisy nagnoriky anazy, mbamin'ny pisopron'i Yaveh valo-polo, zay lelahy be herim-po. 18 Nanohisy an'i Ozia, pazaka izy reo, dra nizaka taminazy ho: ''Sy azaranao, ri Ozia, gny magnoro gny diti-kazo magnisy ho an'i yaveh, fa an'ireo pisoro, reo zanaky lahin'i Arona, zay voamasy gny magnoro gny diti-kazo magnisy. Miboaha latao amigny fitoboha masy, fa sy nahatoky anao dra sy homen'i Yaveh Zagnahary voninahisy. 21 Ozia, pazaka, dra babo mandrapahafatiny dra nipetraky tao amigny fonegna mitoka hatramigny nahababo anazy, akory nalany tao amigny tragnon'i Yaveh izy. Jotama, zanadahiny, gny tao an-dapanigny pazaka dra nanapaky gny vahoakigny tany. 22 Dra raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Ozia, volohany sadr farany, dra ao amize nisoratin'Isaia zanak'i Amosa, paminany. 23 Dra nimaty tagny amigny razambeny i Ozia; nangan'ereo niaraky tamireo razambeny tao amigny tany fandevegna ze an'ireo pazaka izy, fa hoy ereo ho: "Boka izy." Jotama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.