Toko faha 3

1 Boak'eo Solomona nanomboky nananga gny tragnon'i Yaveh tao Jerosalema tagny amigny tendrombohis'i Moria, ze nisehoan'i Yaveh tamin'i Davida rany. Nagnoma gny toera ze fa nifilin'i Davida ho amizay izy, tao amigny famoloan'i Ornana gny Jebosita. 2 Nanomboky namboasy tamigny andro faharonigny volana faharo izy, tamigny fahefa-tao nazakany. 3 Tahoky aby gny refinigny fotosy ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'Agnahary. Napiasa gny hakiho taloha, eni-polo hakiho gny halavany, dra ropolo hakiho gny sakany. 4 Ropolo hakiho gny halavanigny lavarangy eo anoloanigny tragno, mifagnaraky amigny sakanigny tragno. Ropolo hakiho avo koa gny haabony, dra nipotehin'i Solomona takelam-bolamena malio gny tao agnatiny. 5 Niravahiny Kypreso gny valindrihanigny efitragno lahibe, ze nipotehiny takela-bolamena soa, dra nanovany sokisy tamigny hazo palma vo ravaky. 6 Niravahiny tamigny vato sorobily gny tragno; gny takela-bolamena dra volamena boak'agny Parvaima. 7 Nipetahany takela-bolamena avo koa reo andriny, reo tokonam-batrangara, rindry, dra reo vatrangara; nasiany sary kerobima teo amireo rindrin'izay. 8 Namboasy gny fitoera masy faratapony izy. Gny halavany dra mifagnaraky amigny sakanigny tragno, ropolo hakiho, dra ropolo hakiho avo koa gny sakany. Nipetahany takela-bolamena malio zay, ze taleta eni-zato. 9 Gny lazan'ireo fasiky dra sekely volamena dimapolo. Nipetahany takela-bolamena gny farisy agnabony. 10 Namboasy sary kerobima ro tao amigny fitoera masy indridra izy; nipetahanigny panao asa-tagna takela-bolamena reo. 11 Ropolo hakiho gny halavanigny elas'ireo kerobima miaraky; dimy hakiho gny halavanigny elasy gny kerobima raiky, manakasy gny rindrinigny efitragno; dimy hakiho manahaky anizay avo koa gny elasy raiky hafa, manakasy gny elasigny kerobima hafa. 12 Dimy hakiho avo koa gny halavanigny rindrinigny efitragno; dimy hakiho avo koa gny elany hafa, mikasiky gny elasigny kerobima volohany. 13 Ropolo hakiho gny fitambaranigny elas'ireo kerobima reo. Nizoro reo kerobima, gny tavan'ereo manandriky efitragno lahibe. 14 Nataony tamigny manga voloparasy, vo volon'agnondry mena dra zamala fosy madiniky gny lamba, dra nihengony kerobima teo amizay. 15 Nanao andry rolahy avo koa Solomona, telopolo hakiho gny hahabonigny sirairay, teo anolonigny tragno; dimy hakiho gny hahabon'ireo kapitaly ze teo ataponireo. 16 Nanao ravaky ho an'ireo andry izy dra nametraky reo teo atapon'ireo; nanao apongabendagnisy zato avo koa izy dra napifandray reo tamireo ravaky. 17 Nataony teo anoloanigny tepoly reo andry, raiky teo akavana, dra gny raiky hafa teo akavana; natao ho Jakina gny andry teo akavana, dra Boaza gny andry teo akavia.