Toko faha 2

1 Dra Solomona gny nibaiko gny fagnoregna tragno ho amigny agnaran'i Yaveh vo gny fagnoregna lapa ho an'ny fazakany. 2 Nanendry lelahy fito aly i Solomona ba hinday reo eta, vo lelahy valo aly ba ho panapaky hazo tagny an-tendrombohisy, dra lelahy 3. 600 ba hagnara-maso anazy reo. nandefa hafasy tagny amin'i Hirama, pazakan'i Tyro i Solomona, nanao ho: 3 ''Manahaky zay nataonao tamin'i Davida babako, gny nandefasanao hazo sedera ba hagnoregnany tragno hitoboha, dra manova manahaky zay aminahy. 4 Ingo, andeso am-pagnoregna tragno ho amigny agnaran'i Yaveh Zagnahariko zaho, ba hanoka zai hon'azy, ba hagnoro diti-kazo magnisy eo agnatrehany, ba hametraky gny mofon'ny fagnatrehany, dra ho an'ireo fagnatisy oroa amigny maraindray vo hariva, ami'reo firavoravoa voatondro ho an'i Yaveh Zagnaharisika . Mandrakizay zay, ho an'Isarely. Ho lahibe tokoa gny tragno zay ho afarako, satria lahibe gny Zagnaharisika mihoasy reo Zagnahary aby. 6 Fa iza anefa mahay magnory tragno ho an'i zagnahary, gny izao tontolo aby izao hatramigny lagnisy aza sy omby anazy? iza zaho gny hagnory tragno hon'azy, afasy gny magnoro soro eo agnatrehany? 7 Noho zay agniraho lelahy mana-paheza amigny asa amigny volamena, volafosy, varahy, vy, vo voloparasy, sily, dra volon'agnondry manga zaho, dra lelahy raiky mahay magnamboasy reo karaza-kazo voasitraky aby. Hindray ami'reo lelahy mana-paheza izay mindray aminahy agny Joda vo Jerosalema izy, zay namen'i Davida babako. 8 Andefaso sedera, Kypreso, dra hazo almongo avy agny Libanona avo ko zaho, satria fatako fa reo panoponao dra nahay gny fomba fanapaha hazo agny Libanona. Ingo, reo panopoko dra hindray ami'reo panoponao, 9 Ba hagnomeza hazo maro hon'ahy, satria gny tragno zay haoriko dra ho lahibe vo matalazo. 10 Ingo, izaho hagnome an'ireo panoponao, dra reo lelahy zay hanapaky gny hazo, vary tritiky ro aly kora, vary hordea ro aly kora, divay ro aly bata, dra diloilo ro aly bata.''' 11 Dra Hirma, pazakan'i Tyro, namaly asorasy, zay nalefany tagny amin'i Solomona ho: ''Satria Yaveh tia gny olony, dra nanao anao ho pazaka eo amin'izay reo izy.''' 12 Fagnapin'izay, Hirma nizaka ho: ''Isora anie Yaveh. gny Zagnaharin'Israely, zay nanao gny lagnisy vo gny tany, zay nagnome zanaky lahy hendry an'i davida pazaka, nanolosy tamin-pitandrema vo fahazava-say, zay hagnory tragno ho an'i Yaveh, dra tragno ho an'ny fazakany. 13 Dra nagniraky lelahy mana-paheza zaho, natolosy tami-pahazava-say, dra i Horama, gny matihaniko. 14 Zanaky lahin'ny vehivavy irain'ireo zanaky vavin'i Dana izy. Lelahy avy agny Tyro gny babany. Mana-paheza amigny asa amigny volamena, volafosy, varahy, vy vato, vo amigny hazom vo amigny voloparasy, manpa, dra jaky volon'agnondry, vo rongony fosy mandiniky izy. Manam-paheza amigny karaza sokisy vo karaza famolavola avo koa izy. Aoka hisy fipetraha ho anazy eo amin'ereo mpiasanao manam-pahaiza, vo miaraka amin'ereoan'ny topoko, dra Davida, rainao. 15 Ko amizao, gny vary vo gny vary hordea, gny dililo vo gny divay, ze nizakanigny topoko, dra aoky halefany agny amireo panopony. 16 Hanapaky hazo boak'agny Libanona zahay, maro araky ze taliavinao. Halefanay misikafo amigny ranomasy ho agny Jopa agny aminao zay, dra hanao gny hapiakasy anizay agny Jerosalema." 17 Nagnisa reo vahiny aby ze tao amigny tany Israely i Solomona, araky gny fomba nagnisan'i Davida, babany, anereo. 153, 600 gny isan'ereo. 18 Nanendry fito aly tamireo izy ba hinday eta, valo aly ba ho panapaky hazo agny atendrombohisy, dra pagnaramaso 3. 600 ba hapiasa gny vahoaky.