Toko 1

1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao ame Tompo. Tsy manahiragny ahy ny mamerigny manoratry ireo zavatry ireny ho anareo. Ireny zavatry ireo da hiaro anareo. Mitandrema am'ireo amboa. 2 Mitandrema am'ireo fanapahagny rantsam-batagny. 3 Fa atsika gne voafora. Ary isika no manompo amen'Andremanitry. Ary atsika gne mirehareha ao amin'i Kristy Jesosy, ary tsy matoky gne nofo. 4 Na izany azaky, izaho tenako da afaky mitoky ame nofo. Raha misy olona mihavitra fa izy da manana fahatokosagny ame nofo, afaky magnano mohotry anizany aho. 5 Noforagny tame andro fahavalo aho, teraka tao amin'ny vahoakan'Isiraely, tao ame fokon'ny Benjamina, Hebreo tao ame Hebreo aho, araky gne lalana, da Fariseo aho 6 Tame zotom-po, da nagnenjiky gne fiangonagny aho; Raha gne ame fahamarinagny ambanin'ny lalana, da tsy nanan-tsiny aho. 7 Fa na ino na ino tommbony ho ahy, da noraisiko toy ne fantiantoka izany nony amin'i Kristy. 8 Raha gne tena izy, nisaiko ho faty antoka avokoa ireo zavatra rehetra ireo nony habehazan'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompo. Noho Izy da nariko gne zavatry rehetra. Heveriko fa fako aby io mba hahazoako an'i Kristy 9 ary da ho ita ao aminy aho.Tsy managny fahamarinagny ho ane tegnako avy ame alalany aho. Fa kosa, managny gne fahamarinagny izay tame alalan'ny gne finoagny an'i Kristy aho, fahamarinagny avy amin'Andremanitra izay mitotry ame finoagny. 10 Ka ankehitriny da te hafantatry azy sy herin'ny fitsanganany tame maty ary gne fiombonany amireo fijalia aho. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy aho mba hanahaka ny fahafatesagny, 11 mba hahafako mahatsapa gne fitsanganagny ame maty 12 Tsy marina fa efa nandray anireo zavatry ireo sahady aho, na koa hoe tonga tanteraky aho. Fa miezaky aho mba handrombako gne nandrombahan'i Kristy Jesosy ana. 13 Ry rahalahy, tsy mieritreritra aho fa gne tegnako da efa nandrombaka izany. Fa misy zavatry iray: Adignoko izay agny hafara ary miezaky ho an'izay ei aloha aho. 14 Miezaky magnatratry gne tanjona aho mba hahazo lokan'ny antso avy agny ambony avy amin'Andremanitra ao amin'i Jesosy Kristy. 15 Isika rehetra izay matotry, aoka isika hieritreritry tahaka izany; ary raha misy eritreritrareo hafa momba zavatra rehetra, da ho abokin'Andremanitra aminareo ihany koa izany. 16 Kanefa na ino na ino efa tratrantsika ,aoka isika hifikitry amin'izany. 17 Aoka ho mpaka tahaky anaha, anareo ry rahalahy. Diniho akeky izay mandeha araky gne ohatra izay hitanareo ao aminay. 18 Maro indreo mandeha_ ireo izay efa nozakaiko anareo matetiky, ary ankehitriny aho mizaka aminareo amin-dranomaso_mitovy gne fahalavon'ny gne hazofijaliagn'i Kristy. 19 Fandringanagny no fiafaran'idreo. Fa gne trokiny gne andremanitriny, ary gne fireharehan'izireo da ao amen'ny fahamegnarany. Mieritreritry gne zavatr'izao tontolo izao izy. 20 Fa agny an-dagnitry gne fanjakatsika, izay hiandrasantsika Mpamonjy ihany koa, da gn'i Tompo Jesosy 21 Kristy. Izy da hagnovo gne vatantsika izay malemy mba ho vatagny manahaka gne vatagny feno voninahitra, izay natao tamen'ny harin'ny fahefana mba hampagneky gne zavatry rehetra ame tegnany.