Toko faha 2

1 Raha misy fampahereza ao amin'i Kristy, raha misy fampionogna avy ame fitiava, raha misy firaisa ame Fagnahy, raha misy fampindram-po sy fiantrà, 2 da tanteraho gne fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiava, miray fo, miray hevitry. 3 Ka magnano na ino na ino ame fitiavan-tegna na fanandratan-tegna avao. Fa amin'ny fanetren-tegna da aoka samy hagnano ny namany ho mihoatry noho gne tegnany. 4 Aza samy mihevitra gn'anazy evao, fa izay mahasoa gne hafa evakoa mba iteo. 5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa. 6 Izay, na da nanagny gne endrik'Andriamanitra aza, da tsy nataony ho zavatry hofikiry mafy gne fitovia amin'Andriamanitra. 7 Fa nofoanagny gne tegnany tame nakany gne endriky gne mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitovia ame olo. 8 Ary rehefa hita fa nanagn'endriky ho olo izy, da nanolotegna ka nagneky hatramin'ē fahafatesa, da ilay fahafatesa tame hazo fijalia. 9 Koa iza gne nagnandratan'Andriamanitra azy indrindra sy nanomezany azy gne agnara izay ambony noho gne agnara rehetra. 10 Naniny izà mba ho amin'ny anaran'i Jesosy gne handohalihan'ny lohaliky rehetra, na gne any an-danitra, na gne ety an-tany, na gne any ambanin'ny tany. 11 Naniny izà hagneke gne lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray. 12 Koa amin'izà, ry malalako, tahaka gne nagnekenareo mandrakariva, tsy eo amin'ny fanatrehako avao fa mihoatra lavitry, fa amisia da maromaro kokoa raha tsy eo iao, miasà amin'ny tahotra sy gne tebiteby hahatanteraky gne famoje anareo. 13 Fa Andriamanitra no miasa ao agnatinareo na gne fikashà na gne famboara raha hahatanteraky gne sitrapony. 14 Amboaro gne raha aby ame fagnetretegna sy gne tsy fisalasala. 15 Mba ho tsy manan-tsigny sady tsy misy fitaky anareo, da zanak'Andriamanitra tsy mana adidy eo ame firenena meloky sy maditry, izay isehoanareo akô gne fanazava eo amin'izao tontolo izao. 16 Mitagna gne zakan'ē fiaigna, mba hisy hiteraterako amin'ny andron'ny Kristy, ka tsy ho nihazakazaky avao iao ary tsy very maina gne niasàko. 17 Fa na da hany ho fanatitry eo ame sorona sy gne fanompom-pinoa aza iao, da mifaly iao, ary miara-mifaly aminareo agnaby evakoa. 18 Ka akô izà evakoa no hifalianareo, ka miara-mifaly amiko anareo. 19 Fa manantegna an'i Jesosy Tompo iao fa agniraky an'i Timoty malaky izy hegnaty aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro gne toetranareo. 20 Fa tsy mana olo mitovy fagna amiko iao na dia raiky evao aza, izay hazoto hitahy anareo. 21 Fa izay rehetra da samy mitadia gn'anazy aby, fa tsy gne zavat'i Jesosy Kristy. 22 Izy kosa da fantatrareo fa lehilahy hita toetry, fa efa niara-nagnompo tamiko teo ame filazantsara, akô gne koboty magnompo gne rainy. 23 Ka izy gne antenaiko hindray malaky, rehefa hitako gne fandehan-javatry aty amiko. 24 Fa matoky ao amin'i Tompo iao fa gne tegnako da mbola ho avy malaky koa. 25 Nefa mandiniky iao fa tokony hampandehaniko egnaty aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpagnompo hanome izay nilaiko. 26 Fa mani- gn'anareo agnaby izy ka feno alahelo, satria efa renareo fa narary izy. 27 Eka, fa narary saiky maty tokoa izy, nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy tamin'azy raiky avao,fa tamiko koa, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo. 28 Koa nazoto kokoa haniraky azy iao, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indraiky izy, ary mba ho afaky alahelo kokoa iao. 29 Koa raiso ao ame Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olo mitovy amin'izany. 30 Fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nagnano gne ainy tsy ho zavatry mba hagnefa izay tsy vitanareo tame fagnom-poa anahy.