FILIPIANINA FAHA 4

1 Noho izany, ry rahalahy malalako izay hamanigny anaha, fifaliako sy satro-bonihitriko, amin'izany da mijoro tsara ao ame Tompo, ry namako malala. 2 Miangavy an'i Eodia aho, ary miangavy an'i Syntyke, miraisa say ao ame Tompo. 3 Ary, mangataka aminao evakoa aho, ry namako mpiray zoga: ampio ireo viavy ireo. Satria indreo da niara-niasa tamiko tame fapeleza gne filazatsara niaraka tamin'i Klementa sy ireo sisa nama mpiara-miasa amiko aby, izay efa ao ame bokin'gne fiaina gn'agnarandreo. 4 Mifalia avao ao ame tompo. Hoy iao evako, miflia. 5 Avealay ho fantany gne olo aby gne fahatsoram-ponareo. Efa mariny gne Tompo. 6 Aza magnahy na amign'ino na amign'ino. Fa koa, ame raha agnaby ame alalan'gne vavaka sy fangataha, miaraka ame fisaora, avelay gne fangatahanareo ho fantan'Andriamanitra. 7 Ary gne gne fiadagnan'Andriamanitra, izay mihoatry gne fahalalà rehetra, hiaro gne fonareo sy gne fisaignanareo aby ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Ary farany, ry rahalahy, ndre ino ndre ino marina, na ino na ino manan-kaja, na ino na inoara-drariny, na ino na ino madio, na ino na ino mahafinaritry, na ino na ino nizakay fa tsara,raha misy na ino na ino tokony ho derahy, da mihevera an'iregny raha iregny. 9 Io raha izay niaranareo sy noraisinareo sy tenominareo ary hitanareo tamiko, amboaro iregny raha iregny, ary gne Andriamanitra gne fiadagna hiaraka aminareo. 10 Mifalia be ao ame tompo ao satria novazivazinareo evao amizao gne fiheveranareo ahy. Efa nihevitra tokoa anaraeo taloa, fa tsy misy fahafa ho anareo mba hagnampy. 11 Tsy nizaka izany satria ao agnatine tsy fahampia. Fa efa nianatry gne hifaly amizay toe-javatry niseho aby iaoh. 12 Fantaro gne hoe mahantra ary fantako koa gne hoe magnabe. Ame fomba aby sy ary ame raha aby da miandry gne tsiambaratelone fihinanam-be sy agnapia anah, ary gne hoe ao agnatine tsy fahapia. 13 Afaka magnano gne raha aho ame alalàne mampahery enah. 14 Kanefa, enareo gne nagnano tsara taminah tame fahasahiragnako. 15 Ary enareo filipiana mahafantatra fa tame fanomboane filazantsara,rehefa niala an'i Makedonia iaoh,da tsy nisy fiangoana nagnapia anah raha gne mahakasika gne fagnomeza sy fandraisa afa-tsy enareo raiky. 16 Na taminah tagny Tesalonika aza, da nandefa fagnapia ho anizay nilaiko mihotry gne indraiky mandeha enareo. 17 Tsy hoe mitadia fagnoeza aho. Fa kosa mitadia gne vokatr' izay mampiakatry gne voninahitrareo aho. 18 Nandray raha aby iaho, ary mana be da be. Fa feno iao. Voaraiko avy tamin'i Epafrodito gne raha avy taminareo. Izà da hagnitry misy fofony, izay rakitry azo ekena sy akasitrane Zagnahary. 19 Ary gne Zagnahariko hameno izay rehetra ilainareo araky gne harene voninahatry ao amin'i Jesosy Kristy. 20 Ary hoane Zagnahary sady Raintsika anie gne voninahitry mandrakizay doria.Ameno. 21 Magnanoa velo ame mpino aby ao amin'i Jesosy Kristy. Ireo rahala izay miaraky aminah da magnano velo anareo. 22 Ireo mpino aby izay eto magnano veloma anareo, indraikindraiky ireo izay avy ao ame fianakavian'i Kaisara. 23 Gne fahasoavene Tompo Jesosy Kristy ame fagnahinareo [ Fagnamaria: Misy gne fandika sasany magnampy hoe: ''Ameno.'']