Toko faha 5

1 Avy tegny agnilan'gne ranomasy indreo, tame faritr'i Gerasena. 2 Raha niala avy tame sambokidy i Jesosy, da nisy lelah raiky nidirane fagna ratsy lahatame kobory. 3 Nidoboky tamè kobory teo io lelah io. Tsy nisy afaky nagnato enazy esanaky, ndre da teo e rojo vy. 4 Voafehy imaro tamè gadra vy sy rojo vy izy. Notapahany iza rojo za ary potiky gne gadra vy. Tsy nisy nana hery nife enazy. 5 Isak'ariva sy isan'andro tamè kobory sy tamè vohotry, da nitoreo ary notapitapahany tamè vato maragnitry gne vatany. 6 Laha tsijony i Jesosy, da niazakazaky nagnato izy ary nandoaloky teo agnatrehany. 7 Ary nizaka mafy izy oe " ino gnifandresantsika me Jesosy zanake zagnahary akaboa ? miangavy enao amè gnagnarane zagnahary raiky evao iao, ka ampijaly nda iao. 8 Da izy nizaka taminazy oe: " mela amnio lela io e fagna ratsy". 9 Ary izy nagnontany enazy oe: " ia gnagnaranao ? " Da namaly izy oe " Legiona gnagnarako, satria da maro iahay". 10 Ary da mbola namerimberigny gne fangatahany izy mba tsy handroky enazy iala gne faritry. 11 Ary da nisy kosoa maro nitrofa tamè vohotry 12 ary nengavy enazy indreo nagnano oe " ba alefaso amnio kosoa io ro iahay; apetray ba idiranay amnio". 13 Ka da napetrany indreo; ary da nijotso gne fagna ratsy ary da niditry tamè kosoa. Rahavy teo da nilefa tamè teva megnamè ranomasy indreo, ary da kosoa roy arivo teo gne maty tamè ranomasy. 14 Nitsoky nilefa gne namaha gne kosoa ary nikora gne raha zavatry niboda tatana sy tambanivolo, ary da olo maro gne nijotso isamba gne zavatry niboda. 15 Avy igny indreo da nagnato en'i Jesosy ary da hitandreo teo gne lelah nidirane demony, gne raiky taminazy nidirane legiona, nidoboky teo, nisiky ary nivery e sainy, ka da natahatry indreo. 16 Gne nahita gne zavatry niboda tamnio lelah nidirane demony io da nikora tamindreo da to gne raha hitandreo ary da nitatara tamindreo evao gne mikasikè kosoa. 17 Da nanomboky nengavy Enazy indreo mba helany amè faritanindreo. 18 Ra hipitiky tamè sambokidy izy da nengavy gne lelah nidirane demony ba hiray aminazy. 19 Kanefa tsy neken'i Jesosy, ka nozakainy hoe " miveregna andragnonareo sy amè fianakavianao ary koragno amindreo gne namboarin'i Tompo sy gne namindrany fo taminao". 20 Da lasa nody izy ary nanomboky nagnambara gne raha zakabe nozakain'i Jesosy taminazy tagny Dekapolisy ary da nangakaky gne be sy ny maro. 21 Ary ra tafatsaky tagnilandrano i Jesosy, niray tamè sambokidy, da nisy vahoky marobe nivory nagnodidy Enazy, tamin'izy tamoron-dRanomasy igny. 22 Avy teo da nagnato gne raiky tamè mpitariky gne synagoga, antsoigny hoe Jairo, ka ra nahita Enazy, da nitsoraky tamè tombony. 23 Nitaraigny be izy nagnano hoe: "maharary mafy efa ho faty gne zanako viavy. Mitaraigny aminao evao iao, mevisa aty ary apetray aminazy gne tagnanao mba hahasalama sy hahavelo enazy". 24 Da lasa nindray taminazy izy ary da vahoky marobe gne nagnaraky sady nameno magnodidy enazy. 25 Ary nisy viavy raiky teo tratrinè fahaverezan-dRà nandritrinè roambinifolo taogny. 26 Nijaly mafy izy ary da efa nivezivezy tamè mpitsabo maro sy lany fanagna, kanefa da tsy nahazo fahasalama fa vomaiky niareraky. 27 Raha nahare gne tantara mikasiky en'i Jesosy izy da nagnato tao afarany nindray tamè vahoky marobe ary nikasiky gne lambany. 28 Satria hoy izy se: " Raha mikasiky gne lambany fotsiny iaho da ho salama". 29 Raha nikasiky Enazy izy da nijano gne fandiananè Rà ary da tena tsapany tanteraky fa salama izy. 30 Tsapan' i Jesosy nindray tamzay fa nisy hery niala taminazy. Nitodiky tamè vahoky izy ary nizaka oe "ia gne nikasiky gne lambako ?". 31 Da namaly Enazy gne mpianatriny nagnano hoe: ''hitanao gne vahoky maro mifanosiky aminao io, ka hoy enao hoe: '' ia gne nikasiky Enah ". 32 Fa nagnety gne magnodidy enazy i Jesosy mba hahitany gne nagnano enizà. 33 Ilay viavy, nahafantatry gne raha niseo taminazy, da natahatry sy nangitakitaky. Nandeha izy ary nitsoraky teo alohan'i Jesosy ary nizaka taminazy gne mariny aby. 34 Da hoy Jesosy taminazy se: " zanako, gne finoanao gne nahasalama anao. Mandiana amè fiadana ary hoafaky amè gnaretinao". 35 Raha mbola nizaka izy, da avy gn'olo sasany avy tamè mpitariky gne Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty gne zanakao. Nagnino ambola manosotry gne mpampianatry koa ?". 36 Raha nahare gne zakandreo i Jesosy da hoy izy tamè mpitariky gne synagoga hoe: "ka malia. Minoa fotsiny evao". 37 Ary tsy nisy nekeny niray taminazy, afa-tsy Petera, Jakoba ary Jaona, rahalahan'i Jakoba. 38 Avy tamè tragnonè mpitariky gne synegoga indreo ary nahita olo naresaky be teo Izy; nitomagny sy nitatatata mafy indreo. 39 Rehefa niditry gne tragno izy da nizaka tamndreo hoe "nagnino enareo mitatatata sy mitomagny? Tsy maty io zaza io fa matory". 40 Lagnaky gnehy enazy indreo. Nefa najotsony tambadiky tagny indreo aby ary nangala an'ny abany sy gne reniny gne zaza sy gne nindray taminazy, ary niditry tamign'efitry nisy an'ilay zaza Izy. 41 Nofetsainy gne tagnan'ilay zaza ary nizaka taminazy hoe:" Talita, Komy !" izay adika hoe "Ry zazavavy, mizaka aminao Iaho, mitsangàna". 42 Tonga da nitsanga ilay zazavavy ary nandeha (satria roy ambiny folo taogny izy). Gaga be aby indreo. 43 Nandrara mafy indreo izy mba tsy hisy na ia na ia hahafantatry gne mikasiky enizao. Avy teo nomeny sakafo razazavavy.