Toko faha 4

1 Nanomboky nampianatry tamoron-dranomasy izy, da nisy vahoaky nivory nagnodidiny anazy. Nisy sambo kidy tan-dranomasy ka niditry tamign'ao izy ka nidoboky. E vahoaky kosa nijanogny nagnodidiny anazy tan-dranomasy evao. 2 Ka tame alalagne fagnoara e nampiseony gne fampianarany, ka izao e ra nozakainy. 3 Tenomy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. 4 Namafy izy, da nisy voa sasany very tame lala, da avy ireo voro nihina anazy. 5 Ny voa sasany very tame vatovato, izay tsy nisy tany firy. Tonga da nitsiry avy hatrany izy ireny satria tsy laly e tany nisy anazy. 6 Fa refa niboaky e masoandro, da nalazo izy ireo, tsy nisy vatriny izy ireo, da maigny. 7 Gne voa hafa niraraky tame fatsy . Nitombo ireo fatsy ireo da nipitsa anazy, ka tsy namoa voa esana. 8 Gne voa hafa niraraky tame tany tsara da namokatry teo amboaloany da nitombo isa, e sasany nitombo avo telopolo heny, e sasany enimpolo, e sasany zato. '' 9 Avy teo da hoy izy sé: ''Izay mana tadigny indesy miteno, da aoka izy hiteno!'' 10 Reha i Jesosy raiky, da nagnotany Enazy momba io fagnoara io indreo akeky enazy sy gne mpianatry roambonifolo. 11 Hoy Izy tam'indreo hoe : '' Ho anareo e nagnomeza e raha mifinin' e fanjakan' Andriamanitry. Fa ho andreo ambadika da fagnoara avao, 12 mba ame fotoa agnitendreo, eka agnety indreo, fa tsy ahita, ary mba ame fotoa hitenomandreo,eka ahare indreo, nefa tsy hafatatry izany, na koa ra hiodina indreo da hamindra fo amin-dreo Andriamanitry.'' 13 Ary hoy izy tamin-dreo hoe: ''Tsy azonareo me iza fagnoara izany? Akongaia iza gne azahoanareo gne fagnoara hafa agnaby? 14 E mpamboly namafy izay mamafy e voa da gne riaiky izay mamafy e zaka. 15 Itoa gne niraraky an-dala, namafaza e zaka, fa raha rendreo iza, da avy lahatagny Satana ary nangalatry e zaka izay voafafy tam'indreo. 16 Itoa gne voafafy tame tany feno vatovato, iza, ra nahare e zaka, da nandray izà tamimpifalia. 17 Tsy misy vahatriny amizany indreo, fa maharitry fotoa fo avao. Da tonga e fahoria na gne fagniagna noho ne zaka, ka avy da lavo indreo. 18 Gn'afa akotrign'e voavafy tame tany feno fatsy. Ren-dreo e zaka, 19 fa gne fagnan'izao tontolo izao, gne famitahany gn'arena, sy gne fampesa e raha hafa da tafiditry ka mipitsa e zaka, ka sy managnisiky vokatry iza. 20 Fa io gne vôfafy tame tany tsara da gne izay mahare e zaka ary mandray iza, da nanagnishiky vokatry indreo telopolo, enimpolo, na ambonin'e zato henin'izay nafafy." 21 Jesosy nizaka tam'indreo hoe : "Izy me ka hindesinao andragno gne jiro mba ho ao ambany Aro, na ambany farafara? Indeshinao miditry iza da aninao ambony fagnisè-jiro. 22 Fa tsy misy raha mifiny izay tsy ho fatatry, ary tsy misy tsiambaratelo izay tsy hizotso. 23 Ra misy mana sofina indesy miteno, apetray izy hiteno!''. 24 Hoy izy tam'indreo hoe: '' Mitandrema ame zaka izay renareo, fa arakaraky gne ohatry agnoaranareo avao, gne agnoaranareo, ary ho apia aminareo iza. 25 Satria na ia na ia mana, da omegny maro kokoa izy, ary na ia na ia tsy mana, na izay anagnany aza ho alana aminazy.'' 26 Ary hoy Izy koa hoe : '' Gne Fanjakan'Andriamanitry da mitovy ame gn'olo raiky mamafy e voany ame tany. 27 Matory izy amin'ny ariva ary mifoa ame marandray,ary e voa moa da naniry tsara, fa tsy fantany hoe akoingaia. 28 Gne tany da mamokatry ame tegnany avao : volohany gne rantsany, avy eo e taony, avy teo e voa antitry ame taony. 29 Ka raha antitry e voa da avy hatrany izy da handefa fihila, fa efa avy e fotoa fihila. 30 Ary hoy indraiky izy nagnano hoe : '' Ino gne azontsika ampitovy e fanjakan'Andriamanitra, na ino gne fagnoara apesaitsika hagnazava izany? 31 Izany da mitovy e vahazo izay, raha hafafy, da izy e voa kidy indrindra ambon'ny tany. 32 Nefa rehefa voafafy iza, da mitombo ka lasa zakabe nohon'ny gne hazo agnaby, mamoa gne rantsany zakabe, ka ahazoan'e voro amboara tragno gn'amin'ny halotriny.'' 33 Ka fagnoara maro akoiza e nagnambarany e zaka tam'indreo, araky izay fahazoandreo enazy, 34 ary tsy nizaka tam'indreo hafa-tsy tame fagnoara Izy.Kanefa raha izy raiky, da nazavainy tamin'ireo mpianatriny manokana gne raha agnaby. 35 Tamin'izany andro izany, rehefa gn'hariva, da hoy Izy tamindreo hoe : '' andeha isaka egny agnilany". 36 Ka nisitaky teo aminareo vahoaka indreo, ninday an'i Jesosy niaraky am'indreo, raha igny Izy tao agnaty sambo kidy igny. Nisy sambo kidy sambo hafa taminazy. 37 Avy teo nisy tafio-drivotry be ary gniso nanakotry e sambo kidy ka saika feno rano e sambo kidy. 38 Ary i Jesosy raiky e natory tao ambony sambo kidy tambonin'e gnonda. Nofoazindreo Izy, nizaka hoe : ''Ramose o, tsy mapagnino Enao me raha ho faty etoa isika?'' 39 Ary nifoa Izy, da nizaka mafy tame rivotry, ary nazaka tame ranomasy hoe: '' Mijanogna! megnena!'' Ary nijanogny e rivotry ka nisy filamina be.'' 40 Ary hoy Izy tam'indreo hoe : '' Nagnino anareo e malia? Mbola tsy manampinoa avao me enareo?'' 41 feno fangorohoroa indreo ka nifampizaka hoe : '' Ia lotry ity, fa na gne rivotry sy gne ranomasy aza magneky Enazy?''