Toko Raha 6

1 Niala anio toera io izy da namonjy gne tanindraza, sady nagnaraky taminazy gne mpianatriny. 2 Raha avy gn'andro sabata, da nampianatry tamè synagoga izy. maro e olo naré anazy sady gaga aby indreo. hoy indreo: ''Avy aiha nahazahoany anio fampianara io?'' avy aiha ity fahendrea hampianariny antsikaty? Ino aby ty fahagaga naniny tame tagnany ty?'' 3 Tsy e mpandrafitry igny me ity, e zanak'i maria sady rahalahin'i jakoba miaraky amin'i jodasy sy simona? Tsy miaraky amintsika eto me anabavinio? ''Vignitry tamin' i jesosy indreo. 4 Hoy i jesosy tamendreo: ''Tsy misy mpaminany tsy ome haja, afa-tsy ame tanindraza miaraky ame havany akaiky miaraky ame ankohonany avao. 5 '' Tsy afaky nagnano asa mahagaga izy,afa tsy e fametraha-tagna amin'e maharary kidikidy sady nagnasitra andreo. 6 Gaga ame tsy finoandreo Izy. Avy eo izy nandeha nagnodidy e tanà hampianariny. 7 Avy eo izy nangaiky e roa ambinifolo laha sady nagniraky andreo roiroy aby, sady nomeny fahefa handresy e fagna maloto, 8 sady nandidy andreo tsy hitondra ninino ame diany, na mofo, na karitabla, na vola ame hetry_afa tsy hagnira avao_ 9 fa magnano kapa, fa tsy misiky lamba roy. 10 Hoy izy tamindreo: Na ovia na ovia anareo miditry ame tragno raiky,da mitoera vao mandra-pelanareo hagny. 11 Raha misy tanà tsy mandray anareo na miteno anareo, rehefa miala amin'io toera io anareo, da hahintsagno ame tombokareo e vovoky mba ho fijoroa vavolombelo amindreo.'' 12 Da nandea indreo sady nitory fa e olo da tokony hibebaka ame fahotany. 13 Nandroky devoly maro indreo, sady nagnosotry diloilo e marary maro ka nasitra andreo izany. 14 Ren'i heroda mpanjaka izany, satria da lasa fanta-daza e hagnara i Jesosy. E sasany mizaka hoe: nitsanga tame maty jaona mpagnano batisa ka noho izany, da miasa ao hagnaty e hery mahagaga indreo. 15 Fa e sasany koa mizaka hoe: ''Elia Izy''.E sasany mbola mizaka hoe: ''mpaminany izy, mitovy tame mpaminany tame andro taloha''. 16 Rehefa nahare an'io heroda da hoy izy hoe: i jaona, notapahiko loha, nitsanga tame maty. 17 ''Fa heroda e nampisambotry an'i jaona da nandefa anazy tame tragnomizy nohon'ny e raharaha herodiasy(vadin'i filipo rahalahany), satria novadiny rahaviavy. 18 Fa i Jaona nizaka tame i heroda hoe: tsy araka e lalàna e hanambadianao e vady e rahalahanao. 19 ''Vignitry herodiasy naharé anio ka nitady izay hamonoa anazy, nefa tsy afaky izy, 20 nohon'e fatahoran'i Heroda an'i jaona; fantany fa olo marina sady feno fahamasina i Jaona, k narovan'izy. Nanahira e sainy e fitenoma enizany, nefa mbola nitenomony tampifalia avao izy. 21 Avy eo nisy iriky tame fitsigneren'e taony nahaterahan'i Heroda ka nagnano fagnasa hoandreo lehibeny izy, miaraky ame mpadidy enazy ary e mpitariky an'i Galilia. 22 Niditry efitrano fagnasa e zanaky vavin'i Herodiasy sady nandihy ho enazy, ka naravoravo an'i Heroda miaraka ame vahiny nasainy izy. Hoy e mpanjaka tame io viavy io: ''angatao amina izay rehetra tianao, omeko anao''. 23 Sady mbola nahafarany tsara ''ndreda ino ndreda ino hangatahanao amina, da homeko anao, na hatrame asasaky e fanjakako. 24 ''Nizotso raviavy raha naharé enigny sady nizaka tame endriny hoe: ''ino e tokony hangatako? Da hoy endriny: ''e lohany Jaona mpanao batisa. 25 ''Eo no eo da nipody tame mpanjaka izy, nangataky: ''tiako omenao ana izao dezao, hapetray ambony lasety e lohany Jaona pagnano batisa.'' 26 Na da nampalahelo mafy e mpanjaka aza izany,da tsy afaka nandà e fangatahany izy nohon'e vava nataony sady mahamegnatry enazy tame vahiny nasainy tame finana. 27 Noho izany da nandidy miaramila raiky avy ame mpiamby izy sady nandidy hinday e lohany Jaona aminazy eo. Lasa e mpiamby sady nanapaky e lohany tandragno minjy. 28 Nentiny tame lasety e lohany sady nomeny any raviavy, da i raviavy nanolotry tame endriny. 29 Rehefa naharé anio e mpianatriny, avy hindreo nangala e raza sady nametraky enazy tapasa. 30 Nipody ame jesosy e apostoly sady nitantara tame nazy era vitandreo sady nampenariny andreo. 31 Ka hoy izy tamindreo: ''handea agnefitry itsika hangala valaky''.Ka maro e olo nivezivezy, sady tsy nanafotoa hinana indreo. 32 Da nandea an-tsambokely indreo mba handea ame tany mangÿ. 33 E olo nahita ndreo nandea sady maro e nahafantatry andreo, niara nihazakazaka avy tatanà,sady avy taloha ndreo. 34 Rehefa avy tame morony indreo, da nahita olo marobe sady nalahelo andreo io satria mitovy ame ondry tsy misy mpiaby indreo. Ka nanomboky nampianatry ra maro andreo izy. 35 Raha ariva gnadro, nagnato enazy e mpianatriny nagnano hoe:''Toera mangÿ ity sady efa sodrognandro. 36 Hampandiano indreo handea hividy hany ame tanà magnodidy hoany ndreo.'' 37 Namaly izy hoe: ''omenareo ra hoany indreo.''Da hoy e mpianatry tamé nazy hoe: ''Afaky mandea mividy mofo hazon' e denaria roanjato i ahy homehy hoany dreo? 38 Da hoy izy tamé ndreo: Firy e mofo anagnanareo? hiteo hagny.''rehefa hita ndreo, da hoy indreo: ''Mofo dimy miaraky ame vily roy io.'' 39 Nizaka gnolo hagnaby Izy mba hidoboky hitsitokitoky. 40 Da nipetraky agnaby indreo, ary an-toko dimapolo ame zato. 41 Nangala e mofo dimy i Jesosy miaraky ame vily roy, nagnety e lagnitry izy da nisaotry ka nizarazara e mofo sady nanolotry enazy tamé mpianatriny mba honjara ame gnolo magnaraky andreo. Nozara avakoa e vily roy hoan'e rehetra. 42 Nihina izay nahavoky andreo indreo sady mbola nisy ambiny. 43 Raha avy eo nahory e sisa tsy lany, ka nahafeno roambinifolo sobika da namopo, miaraky ame ambiny e vily. 44 Nisy dimy arivo indreo lehilaha nihina anio mofo io. 45 Teo no eo da nalefa niakatry an-tsambokely gne mpianatriny mba handea aloha heregnilany, hoa Betsaida, raha nandefa e vahoaka izy. 46 Rehefa nandeha indreo, da nandeha niakatry tatendrimbohitry Izy mba hivavaky. 47 Raha avy gn'ariva, ary efa tategnategnany gne ranomasy gne sambokely, fa izy raiky gne tegny ambohitry. 48 Ary hitany fa sahira mafy indreo nivè gne sambokidy, satria nanohitry mafy andreo gne rivotry. Tokony tame gn'ora fembena fahefatry gn'aligny da nagnato amindreo Izy, nandeha tegny ambony ranomasy, ary te-handalo tamindreo Izy. 49 Fa rehefa nahita anazy nandeha tegny ambony ranomasy indreo, da noheverindreo ho hangatry Izy ka nikoritsaky indreo, 50 satria nahita Anazy indreo da nisy tahotry. Teo no eo da nizaka tamindreo Izy ka nizaka andreo hoe:''Matokia! Iaho avao ity! Ka mataotry!'' 51 Sady niditry tamé sambo niresandreo izy, teo vao nihatsatry e rivotry. Gaga aby indreo. 52 Sady tsy takatry e saindreo e dikany e mofo. Fa izy kosa,nihamafy e fo ndreo. 53 rehefa afaky e rano indreo, da tody ta Genesareta. 54 Rehefa nidy avy tamé sambo indreo, avy da fantatry gnolo, 55 ka nihazakazaky nagnodidy e faritry rehetra indreo sady nitondra e marary tame kitrara ame toera ze rendreo misy enazy. 56 Na taia na taia nandeana na tatanà na tatanàbe na tambony vohitry, da napetraky indreo tamé baza malalaky avao e marary. Nagnataky indreo mba hitâ e lambany i Jesosy, ka izay nitâ anio da sitra aby.