Toko faha 5

1 Ho ame fahafaha no nagnafahan'i Kristy. Mipetraka tsara, noho izany, aza magneky ho ao ambanin'ē zoga fagnandevoza koa. 2 Indro, izaho, Paoly, mizaka aminareo fa raha mamela gne tagnanareo ho forà anareo, da tsy hahatsara anareo ame fomba rehetra Kristy. 3 Mijoro vavolombelo ame olo tsiraikiraiky izay mamela gne tegnany ho voafora koa iao fa voatery agnaraky gne lalàna rehetra izy. 4 Tafasaraka tamin'i Kristy anareo, izay tia ho hamarigny ame lalàna; ary tsy miaigny fahasoava koa anareo. 5 Fa ame alalan'ē fagnahy, ame finoa, no handignasantsika fatratry gne fagnategna gne fahamarigna. 6 Ao amin'i Kristy Jesosy da tsy midika na ino na ino na voafora, fa gne finoa miasa ame fitiava koa. 7 Fa nihazakazaka tsara anareo. Ia gne nanakagny anareo ame fakatoava gne marigny? 8 Izany fandresen-dahatry izany da tsy avy ame nangia anareo. 9 Lalivay kidy no mampitombo gne koba rehetra. 10 Fa matoky gne Tompo aho fa tsy hangala fomba fijery hafa anareo. Fa gne raiky izay tsy mampilamigny anareo no hagnefa gne sazy, na ia izy na ia. 11 Ra, rahalahy, raha magnambara gne ame famorà aho, nagnino iao no mbola hejē? Amin'izany da ho afaka aby gne fahatafitoin'ē hazo fizalia. 12 Fa ho andreo mpagnakorata anareo, egnagny mba hanapaka gne tegnany indreo! 13 Fa nangia ho ame fahafa anareo, ra rahalahy. Nefa aza ampiasay ho iriky ame filan'ē nofo gne fahafanareo; fa koa, ame alalan'ē fitiava da mifanopoa. 14 Fa gne lalàna rehetra da tateraky ao anie didy raiky; ao aminy hoe : '' tsy maintsy mitia gne namanao tahaka gne tegnanao anao.'' 15 Fa raha mifagnifatry sy mifampihina anareo, da mitandrema sao hifandrigny. 16 Fa hoy iao, mandehana araky gne fagnahy da tsy hahantateraky izay filan'ē nofo anareo. 17 Fa manohitry gne fagnahy gne filan'ē nofo, ary manohitry gne filan'ē nofo gne fagnirian'ē fagnahy. Fa mifanohitry indreo, mba tsy hahafanareo magnano izany raha tianareo. 18 Fa raha tarihin'ē fagna anareo da tsy ho ambanin'ē lalàna. 19 Amizao da miharihary gne asan'ē filan'ē nofo : fijangajanga, fahalotoa, fiteratera, 20 fanompoan-tsampy, famosavia, fankahalana, fifamalia, fahasarotam-piaro, fipoan'ē fahavignira, fifandrafia, fisaraham-baza, fizarazara, 21 fialogna, fahamamoa, fandrebirebe, ary gne raha mitovy amin'izany. Mampitandrina anareo iao, mitovy tame efa nampitandremiko anareo taloha, fa tsy handova gne fanjakan'Andriamanitry indreo izay mampiatry ireo raha ireo. 22 Fa gne vokatry gne fagnahy da fitiava, fifalia, fiadagne, fahareta, hatsaram-pagnahy, fagnamboara ē tsara, finoa, 23 fahalemem-pagnaha, ary fahafehezan-tegna; tsy misy lalàna manohitry gne raha mitovy amizany. 24 Ireo izay an'i Kristy Jesosy, da efa nagnamaro gne toetra feno fahota niaraka tame fahafinaretany sy gne filany. 25 Raha miaigny ame fagnahy itsika, azanogno handeha ame fagnaha evakoa. 26 Ampetray itsika ho lasa mpieboebo, mifandrangotry, ary mifampialogny.