Toko faha 4

1 Mizaka iaho fa e mpandova, raha mbola zaza izy, da tsy hafa ame gnandevo, ndre da tompon' e raha agnaby aza. 2 Kanefa izy da eo ambony fifehezan'gne mpiamby sy gne mpihompy raha lafovidy mandra-pevian, gne daty izay napetraky e rainy. 3 Da mitovy amizany isika, Tam'tsika mbola koboty kidy, nandevozin'ngne lalàna mifehy an'ity tany ity isika. 4 Fa rehefa avy gne fotoa, nagniraky gne zanany gne zagnahary, zaza nibôky tamè viavy, mipetraka ambanin'gne lalàna. 5 Izany gne naniny mba hamonjè gn'olo rehetra mipetraky ambany lalàna, sady koa, mba ahalasa atsika ho zanany. 26 Fa am'zao fotoa zao kosa, i jerosalema da laza firenena afaka ary izy gne Reny niteraky atsika. 27 Satria, efa voasoratra hoe:" Mifalia anareo tsy miteraky, momba. Angio sady kohy mafy da mafy gne haravoa ho anao tsy mana olagna amè fiteraha. Satria, maro gne zanaky gne mpangala-zaza nalà noho ny gne manambady mpanambady".