Toko faha 6

1 E rahalahy, ra misy olo azon'ny gne ota tsy napoizy, da troafinareo izay mana gne Fanahy tsotry izy, ka mihevera gne tegnanao, fa anao koa mety ho halaim-pagna evakoa. 2 Mifanomeza tagna, ka amin'izà da tanterao gne lalàn'i Kristy. 3 Fa raha misy magnano e tegnany ho zavatry, izay aniny tsinotsino, da mamitaky gne tegnany izy. 4 Fa aoka gne olo agnaby samy agnety gne toetriny agnaby, da samy hana gn'afalia ame tegnany avao izy, fa tsy gn'amin'ny olon-kafa. 5 Fa samy inday gne tegnany agnaby gn'olo rehetra. 6 Aoka izay ampianary gne teny mba hahafoy zava-tsoa ho agne mampianatry. 7 Fa mety hofita anareo. Andriamanitra tsy hay amboara sangisangy, fa gnaninao avao e mipody aminao. 8 Fa izay mamafy ho an'ny gne nofony da inday fahasimbà ame nofo, fa izay mamafy ho an'ny gne Fagnahy da hahazo gne fiainagny mandrakizay avy ame Fagnahy. 9 Ka valaky gne famboara soa isika. Fa ho avy gne andro andraisantsika gne valiny, raha tsy valaky isika. 10 Ka noho izà, satria mana fahafahany isika, da aoka hagnano gne tsara amin'ny gne olo rehetra, indrindra fa ame fianakavian'ny gne finoa. 11 Iteo gn'abē gne soratry izay soratan'ē tagnako ho anareo. 12 Na ia na ia ta-hiseo ho tsara ame nofo, da indreo e manery anareo hoforà, nefa noho iao avao : fa asika hiagny noho gne hazo fijalian'i Kristy izy. 13 Fa na e tegnany izay voafora aza da tsy mitandriny gne lalàna. Nefa tiany hoforà evakoa anareo, mba hiteraterany ame nofonareo. 14 Tsy hirehareha aho ndre ovia ndre ovia afa tsy ao am'jesosy Kristy Tompo, izay namatsia an'izao tontolo izao tamè Hazo fijalia, raha gne hevitro. 15 Fa kosa nahamatsia ahy raha gne hevitry izao tontolo izao gne dinihy. 16 Ka ireo izay mandeha magnaraky itiky fitsipiky itiky, da ho aminazy anie gne fiadana sy gne famindram-po, ary ho ame Isirael'Andriamanitra. 17 Manomboky isia da aoka tsy hisy hanahira anahy esana, fa iao minday gne marik'i Jesosy nofatsia tame Hazo Fijalia. 18 Ho aminareo anie, ry rahalahy, gne fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika. Amena.