Toko faha 4

1 Ary farany, ry rahalahy, mampahery sy magnanatry anareo izahay ao am'i Tompo Jesosy. Raha nahazo gne fampenara avy aminay enareo momba gne fomba tsy maintsy handehananareo sy hamalifalinareo an'Andremanitra, gne ame lala andehana io evakoa, da mba agnamboharanareo mihotry anizany. 2 Fa enareo da mahafantatry gne fampenara izay nomeny enareo tame gne alalan'i Jesosy Tompo. 3 Fa izao gne sitrapon' Andremanitra, da gne hagnamasigna enareo, mba helanareo ame fijangajangana, 4 izay ahafantaran'gne tsiraikiraiky avy aminareo gne fomba ahazoany e fanaky ao ame fahamasigna sy voninaitry, 5 tsy ame filan-drasy( tahaka gne Jetilisa tsy mahalala an'Andrimanitra). 6 Ôka tsy hisy olo handika na hagnaratsy gne rahalainy amin'izany. Fa gne Tompo gne mamaly amin'iregny raha aby iregny, mitovy ame nampitandremanay mialoha sy nitsangananay vavolombelo taminareo. 7 Fa Andriamanitra tsy nangaiky anay ame fahalotoa, fa ame fahamasigna. 8 Noho izany, izy zay mandà anizany da tsy mandà olona, fa Andriamanitra, izay gne nagnome gne Fanahy Masina ho anareo. 9 Momba gne fifakantiavan'gne mpirahalahy, tsy mila olo hafa enareo hanoratry ho anareo, fa gne tegnanareo da nampin'Andremanitra mba hifankatia. 10 Amboarinareo tokôtry izany,ho an'ireo rahalay aby erak'i Makedonia. Fa iahay da magnatry,anareo ry rahalay mba hagnano mihotry. 11 Magnanatry anareo koa iahay mba hagnoatry hiay am-pilamina, hisay gne tognotognonareo manokana, ary hiasa ame tagnanareo, araky gne nandidianay anareo, 12 mba hanagnanareo fitondra-tegna mendriky eo agnatrehany gne tsy mino ary tsy hana raha mampijaly. 13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy,gne momba ireo izay efa maty,mba tsy halelovanareo mitovy ame handimby izay tsy nana antoky gn' amè ho avy. 14 Fa raha mino isika fa i Jesosy da maty ary nintsanga koa, da akon'izany koa gne hitondran'Andremanitry miaraky am'i Jesosy ireo izay efa maty tao aminy. 15 Fa izao gne zakainay aminareo ame temin'i Tompo, fa isika velo, izay sisa tavela ame fiavian'i Tompo, da tsy hialoha tokôtry izay efa maty. 16 Fa gne tegnan'i Tompo gne hidigny latan-dagnitry. Ho avy miaraky ame feo mafy izy, miaraky ame feo Arkanjely, ary miaraky ame trompetran'Andremanitra, ary gne maty ao am'i Kristy gne hintsanga volohany. 17 Avy eo isika izay velo,izay sisa tavela, iaharaky ihakatry amindreo ame mika ka hifankahita am'i Tompo egny eme lagnitry. Amizay da hiaraky am'i Tompo mandrakariva isika. 18 Noho izany, mifankahereza amin'ireo teny ireo