toko faha 3

1 Noho izany, raha tsy afaky niaritry izany esanaky iahay, da nieritreretinay fa tsara gne midoboky raiky tao Atena. 2 Nandefa an'i Timoty iahay, rahalahinay sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra ao amè filazantsaran'i Kristy, mba hanamafy sy hampahery mikasiky gne finoanareo. [fagnamariahagny: Gne dikan'e zaka sasany hafataloha da mivaky hoe:" Nandefa an'i Timoty iahay, rahalahinay ary mpanompon'Andriamanitra amè filazantsaran'i Kristy."] 3 Naninay izany mba tsy hisy olo taitry noho io fahoria io. fa gne tegnanareo da mahafantary fa izany gne nitendrea antsika. 4 Marina mihintsy , raha niaraka taminareo iahay, da nizaka taminareo mialoha fa isika da tsy maintsy hampijalia, ary da niboda izany, araky gne fantatrareo. 5 Noho izany, antony izany, raha tsy nahadigny izany esanaky iaho, da nagniraky mba hafatarako gne finoanareo. Angamba gne mpangala fagnahy efa nangala fagnahy enareo, da tsy ho misy dikany gne asantsika. 6 Fa avy taty aminay avy tagny aminareo i Timoty ary ninday gne vaovao mahafalin' gne finoa sy gne fitiavanareo ho anay. Nizàka taminay izy fa enareo da mana fahatsiarovana tsarenay avao,ary enareo da magniry mafy e hagnety anay mitovy ame fagnirianay hagnety anareo. 7 Noho izany , ry rahalahy, iahay da nampaherezinareo nohon' gne finoanareo, tao agnatin' gne fitebiteby sy gne fijalia maro. 8 Fa androany kosa da velo iahay, raha milipy mafy am' Tompo anareo. 9 Fa fisaora magnano akôry gne azonay omè an' Andriamanitra momba anareo, fa instincts tamè fifalia rehetra izay anagnanay teo agnatrehan' Andriamanitray noho gn'aminareo? 10 Mivavaky mafy andro aman'aly iahay mba ahita gn'endrikareo sy hagnome izay tsy ampy eo amè finoanareo. 11 Gn' Andriamanitra Iabatsika datò, ary Jesosy Tompontsika anie, hagnitsy gne lalanay ho aminareo. 12 Gne Tompo gne hampitombo sy hampandroso amè fifankatiavanareo amè olo-kafa sy gne olon-drehetra, mitovy gne amboarinay aminareo avaokoa. 13 Izy anie hagnamafy gne fonareo, ka tsy hanatsigny amè fahamasigna indreo agnatrehan' Andriamanitry Iabatsika, fa indrindra amè fevian'i Jesosy Tompontsika miaraky ame masigny agnaby.