Toko faha 5

1 Fa ame andro sy fotoa, ry rahalahy, da tsy misy tokony hosoratako aminareo. 2 Satria anareo mahalala marigny fa ho avy toy gne mpangalatry amin'ny gn'ariva ny andron'i Tompo. 3 Raha misy olo mizaka hoe : ''Miadagna sy milamina,'' da avoa anazy tapoky gne fandringana. Toy gne fahararin'ny gne viavy raha miteraky, ka tsy ho afa mandositry mihintsy indreo. 4 Fa anareo, ry rahalahy, tsy ame mizy gne hatratraranareo tampoky akô e mpangalatry amin'izà andro izà. 5 Fa anareo agnaby da zanaky gne mazava sy zanaky gn'andro, tsy an'ny gn'aly na gne mizy isika. 6 Ka, da ka matory akô e sanany isika, fa aoka hiamby sy hampionon-tegna. 7 Fa izay matory da matory amin'ny gn'aly, fa izay mamo kosa da mamo amin'ny gn'aly evakoa. 8 Fa raha mbola androtsika, da tsy maintsy mampionon-tegna isika ary mitafy finoa sy fitiava ho fiarovan-tratra, ary gne fagnategna gne famoje ho fiarovan-doha. 9 Fa Andriamanitra da tsy nanendry antsika ho ame fahatezera, fa mba hahazo famoje amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika. 10 Izay maty hamojy antsika, da hiara-belo aminy evakoa isika, na matsiaro na matory. 11 Koa mifananara sy mifampahereza anareo, akô gne efa naninareo. 12 Ka mangataky aminareo iahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mimany sy minday anareo ame Tompo ka magnanatry anareo. 13 Fa mba tokotry gne hajainareo tsara izy noho gme asany. Mihavàna tsara. 14 Ka magnanatry anareo ahay, ry rahalahy : agnaro izay tsy midoboky tsara, omeo toky gne malemy shay, ampaherezo gne valaky, ka mandefera amin'ny gn'olo agnaby. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy gn'olo. Fa mimania mandrakariva hitadia gne tsara, na ame namanareo na ame olo agnaby agnaby. 16 Mifalia fehizay. 17 Mivavaha, ka aza miegny. 18 Misaora ame raha agnaby. Fa izà gne sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. 19 Ka momono gne Fanahy. 20 Ka magnano tsinotsino gne faminania. 21 Fantaro e raha agnaby. Fesay mafy izay tsara. 22 Fadio gne magnano e raha ratsy agnaby. 24 23 driamanitry gne fiadagna anie hahamasina anao tanteraky. Ka aoka harova evakoa gne fagnanareo sy gne ainareo ary gne tegnanareo mba tsy hanan-tsiny ame fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky izay mangaiky anareo, sady izy evao gne hagnefa izà. 25 E rahalahy, mivavaha ho anay. 26 Mamboara veloma ame rahalahy agnaby ame fagnoroa masina. 27 Mangataky anareo amin'i Tompo iao mba hovakia ame rahalahy agnaby agnaby itiky epistily itiky. 28 Ho aminareo anie gne fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.