Toko faha 23

1 Sady Jesosy nivola tamy reo vahoaky sy reo mpianatriny. 2 Hoy I hoe: "Reo mpanora-dalana sy fariseo ro mipetraky eo amy gny fipetrahan'i Mosesy." 3 Noho izay gna ino gna ino handidian-dreo anareo ho atao, ataovo reo raha regny ka mitandrema azy reo. Fa ka alay tahaky gny asan-dreo, satria reo ro mivola raha nefa bakeo tsy manao azy. 4 Eka, fehezin-dreo gny enta mavesatry zay sarotry andesy, bakeo apetraky ndreo eo amy gny soroky gny olo. Fa tsy hanetsiky gny ratsan-tanany reo gna handay azy reo. 5 Manao gny asany iaby reo mba ho hitan'olo. Fe atao ndreo malalaky gny filakiterany, sady tarihy ndreo gny moron'akanjony. 6 Tian-dreo gny toera gny manan-kaja agny amy gny fanasa voho gny toera gny lehibe ao amy gny synagoga, 7 sy gny fiarahaba miavaky an-tsena egny, sady mba ho kehy gny olo hoe: 'Raby.' 8 Fa gnareo tsy azao kehy hoe: 'Raby,' fa raiky avao gny mpampianatry nareo,sady mpirahalahy gnareo iaby. 9 Sady ka mikaiky olo an-tany ety hoe babanareo fa raiky avao gny Babanareo, sady I ro agny an-danitry. 10 Gnareo ka mety ikehy hoe: 'Mpampianatry,' fa raiky avao gny mpampianatry nareo, i Kristy. 11 Ka izay bevata mare aminareo ro ho mpanomponareo. 12 Na ia gna ia manondrotry nainy dia ajotso, sady gna ia gna ia manjotso nainy ro hasondrotry. 13 Ka lozanareo, ry mpanora-dalana sy fariseo mpiahatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amy gny olo gny fanjaka gny lanitry. Fa gnareo tsy mampilitry gny vatanareo, sady tsy enganareo reo zay ta hila hilitry. 14 [Fanamariha: Gny antotan-taratasy taloha ro tsy ahita gny fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, ry mpanora-dalana vohogny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany gny trano gny mpitondra tena, sady manao vavaky lavareny gnareo. Noho izay ro hahazo fanameloha bevata gnareo.] 15 Lozanareo, ro mpanora-dalana sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety gny riaky sy gny tany gnareo mba hampiova fo gny olo raiky, sady lafa miova I, ataonareo gny agnaky gny helo avo roa heny mihoatry noho gnanareo I. 16 Lozanareo, reo mpitariky jamba, gnareo zay mivola hoe: 'Gna ia na ia mifanta amy gny tempoly, tsy misy dikany izay. Fa gna ia gna ia mifanta amy gny volamena gny tempoly, voafatotry gny fifantany I.' 17 Gnareo jamba adala reo! Ia ro bevata mare, gny volamena sa gny tempoly zay manao gny volamena ho masy? 18 Ka 'gna ia gna ia mifanta amy gny alitara ,tsy misy dikany izay. Fa gna ia gna ia mifanta amy gny fanatitry izay anabony izay,voafehy gny fifanta i'. 19 Gnareo olo jamba! ia ro bevata mare, gny fanatitry sa gny alitara zay manao gny fanatitry ho masy? 20 Noho zay, izay mifanta amy gny alitara, ro mifanta amy izay sy amy raha iaby anabony eo. 21 Gny raiky zay mifanta amy gny tempoly, ro mifanta amy izay sy amy zay mipetraky aminy ao, 22 sady gny raiky zay mifanta amy gny lanitry, ro mifanta amy gny seza fiandrianan'Andriamanitry sy amy zay mipetraky anabony izay. 23 Lozanareo, nao mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa gny fahafolo gny solila sy gny aneta voho gny komina gnareo, fa gnareo ro tsy nanenky gny raharaha mavesatry lanja mare amy gny lalana, gny rariny sy gny famindram-po voho gny finoa. Fa reo no tokony nataonareo sady tsy tokony nenganareo ho tsy vita gny raiky hafa. 24 Gnareo nao mpitariky jamba, gnareo zay manivaky gny lalitry nefa mitely rameva! 25 Loza ho agnareo, reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo gny amonto gny kapoaku sy gny finga, nefa anatiny ao ro feno fitsiririta sy fila. 26 Gnareo ry fariseo jamba! Diovo aloha gny ao anaty gny kapoaky sy gny finga, mba hanjary malio avao koa gny amonto. 27 Loza ho agnareo, reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa gnareo ro manahaky gny lolo voalalotry foty; zay soa amonto, fa anatiny ao ro feno gny taolam-paty sy gny loto iaby. 28 Mitovy anizay koa, amonto ety gnareo miseho ho marina amin'olo, nefa anatinareo ao feno fihatsaram-belatsihy sy heloky. 29 Loza ho agnareo,reo mpanora-dalana sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manory gny lolo gny mpaminany gnareo sady mampihamy gny lolo gny olo-marina. 30 Hoy gnareo hoe: 'Laha niai tamy gny andro gny razambentsika ntsika, tsy ho nandramby anjara niaraky tamy ndreo tamy gny fandatsaha gny lio gny mpaminany ntsika.' 31 Noho izay, mijoro vavolombelo amy gny vatanareo gnareo fa agnaky reo zay namono gny mpaminany. 32 Gnareo avao koa ro nahafeno gny fahota gny razambenareo. 33 Gnareo bibilava io, gnareo taranaky gny menarana, ahoa ro handosiranareo gny fanameloha ho agny amy gny helo? 34 Noho zay, intoy, maniraky mpaminany sy olo hendry sady mpanora-dalana ho agnareo Aho. Gny sasany amy ndreo ho vonoinareo sy hahantonareo; voho gny sasany ho vangoinareo ao amy gny synagoganareo sady handroaky azy hiala ao an-tana. 35 Gny vokatry gny zay ro hivaly anareo gny lio marina zay nalatsaky teto an-tany iaby, nanomboky tamy gny lion'i Abela marina, ka hatramy gny lion'i Zakaria agnak'i Barakia, zay novonoinareo tanelanela gny fitoera masy sy gny Alitara. 36 Volaniko aminareo gny to, fa gny raha iaby ro ho avy amin'ity taranaky ty. 37 Nao Jerosalema, nao Jerosalema, anao zay mamono gny mpaminany sy mitora-bato zay irahy ho aminao! Impiry Aho ro maniry gny hamory gny agnakinao miaraky, manahaky gny akoho vavy raiky mamory gny agnak'akoho ambany elatry, nefa tsy nety gnanareo! 38 Indroy, gny tranonareo ro henga ho lo ho agnareo. 39 Fa volaniko aminareo, hatramy zao, tsy hahita Ahy tokoa gnareo mandraky ivolananareo hoe: 'Isaora anie zay avy amy gny agnara gny Tompo."'