Toko faha 3

1 Hanomboky hisinisiny am-batanay ndraiky va zahay? Zahay tsy mila taratasy fanamaria aminareo na baka aminareo, kara olo sasany, sa tsy zay? 2 Ny vatanareo ro taratasy fanamarianay, zay voasoratry ao am-pontsika, zay hay sady akian'olo iaby. 3 Nareo manoro fa taratasy fagnambara baka amign'i Kristy, zay nomentsika. Izay no tsy voasoratry tamy ny ranomainty fa tamy ny Fanahin-Dragnahary velo. Izay no tsy voasoratry teo amy ny takela bato, fa teo amy ny takelaky ny fo ny olombelo. 4 Zay ro toky ananantsika eo anatrehan'Andriagnanahary amy ny alalan'i Kristy. 5 Ntsika tsy mahefa amy ny vatategnantsika mba handramby ndre ino ndre ino baka amintsika, fa koa, gny fahefantsika baka amin'Andriagnanahary. 6 Andriagnanahary nanao antsika mba ho mpanompo gny fanekea vaovao. Izay ro fanekea tsy baka amy ny soratry fa nagny ny Fanahy. Fa ny soratry mahafaty, sady ny Fanahy magnome haveloma. 7 Fa ny asa zay niteraky fahafatesa ro voasoratry tagnabony vato__ka niavy tamy ny voninahitry bevata ny vahoaky Israely ka tsy afaky nijery ny vatan'i Mosesy. Zay dia noho ny voninahitry ny vatany, ny voninahitry zay nihalevo. 8 Ho vonihatry bevata manao akory ny asa atao ny Fanahy? 9 Fa laha nana vonihatry ny asa ny fanameloha, dia ho nanao akory ny fitomboa ny voninahitry ny asa ny fahamarina! 10 Satria tokoa, nomea voninahitry indraiky mandeha dia tsy hanambonianhhitry sasy, noho ny voninahitry zay mampitombo azy. 11 Fa laha zay mandalo avao ro mana voninahitry, tsy hana voninahitry mandilatry agny zay va zay mahaliny! 12 Satria mana toky mitovy any zay ntsika laha mahasaky tokoa. 13 Ntsika tsy raha mitovy agn'i Mosesy zay nitako ny sorakiny tamy ny voaly, mba tsy hahafaha ny fokonolon'Israely mijery azy mivanta amy ny fiafara ny voninahitry zay mandalo avao. 14 Fa ny saindreo ro donto. Ndre hatry henanikizao io voaly io mbo mitoboky eo amy ny fanekea taloha. Tsy mivoha io satria ao amin'i Kristy ro alay. 15 Nefa na henanaiky zao, na ombia na ombiaro amakia ny lalanan'i Mosesy, ka mbo manako ny fo ndreo ny voaly. 16 Nefa laha mitoliky amy ny Tompo ny olo, dia alay ny voaly. 17 Sady ny Tompo ro Fanahy. Zay misy ny Fanahy ny Tompo, ro misy ny fahafaha. 18 Ntsika iaby tsy misarom-boaly mba hahita ny voninahitry ny Tompo. Ntsika fa voaova ho ao amy ny voninahitry mitovy zay baka amy ny voninahitry ho amy ny voninahitry, zay baka amy ny Tompo, tsy ia fa ny Fanahy.