Toko faha 4

1 Tafaran'ijany raha ijany die nijaha iaho, ary nahita varangaragna raike nisokatre tegny amin'ny lagnitre. Ny feo vôlohany ijay regniko die nivoria tamin'ahy hôtran'ny trompetra, nagnano hoe:" Miakara etoy, ary ho abôkako anao ijay tsy maintsy hitranga afaran'ireo'raha ireo." 2 Nisy fotôgna aho vôtariky ny Fanahy, ary nahita fa nisy seja fiandriagnana nipetrake tegny amin'ny lagnitre, nisy olo nidoboke teo ambonin'ijany. 3 Ilay raike ijay nidoboke teo amboniny die miendrike hôtran'ny jaspa sy karneola. Nisy avagna nanaodidigna ny seja fiandriagnana. Ilay avagna die miendrike hôtran'ny emerôda. 4 Nisy seja fiandriagnana efatra amby roapolo nagnodidigna ilay seja fiandriagnana, ary loholona efatra amby roapolo no nidoboke teo ambonin'ireo seja fiandrianagna, niakanjo fotsy, niarake tamin'ny satro-boninahitre volamena tegny an-dohan-dreo. 5 Avy tamin'ilay seja fiandriagnana no nisy tsela-pahajavana, kotroke, ary kotro-baratre. Nisy jiro fito nirehitre teo alohan'ny seja fiadrignana, jiro ijay fagnahy fiton'Andriamanitra. 6 Teo alohan'ny seja fiandriagnana die nisy ranomasina fitaratre, hôtran'ny kristaly. Ireo java-managn'aigna efatre die teo ampovoan'ny seja fiandriagnana sy nagnodidigna an'ijany, feno maso, teo alohany sy tao an-damosigny. 7 Ilay java-managn'aigna vôlohany die hôtrin'ny ny liogna, ilay java-managn'aigna faharoe hôtrin'ny janaka aombe, ilay java-managn'aigna fahatelo die miendrike olo, ary ilay java-managn'aigna fahaefatre hôtran'ny voro-mahere magnembogna. 8 Ireo zava-managn'aigna efatre die samy managna elatre enina aby, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy Aligna areo die tsy miegnina mijaka hoe: ''Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha ijay nisy, sy misy, ary mbola ho avy." 9 Na ovena na ovena ireo java-managn'aigna die hagnome voninahitre, laja, ary fisôrana an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana, ilay raike ijay velogna mandrakijay doria, 10 ireo loholona efatre amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo eo alohan'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana. Miankohoke eo amin'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria areo, ary nanipy ny satro-boninahi-dreo teo alohan'ny seja fiandriagnana, mijaka hoe: 11 "Mendrike anao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitre sy ny laja ary ny hery. Fa Anao no mamorogna ny raha abiaby, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, die nisy areo ary noharana."