Toko faha 5

1 Ary nahita ny tagnanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna iaho, horognan-taratasy vôsoratre eo aloha sy ao afara. Ary nofehejina tamin'ny tombo-kase fito ijany. 2 Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mahare iaho, nijaka hoe: ''Ija no mendrike ny hanokatre ny horognan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'ijany?'' 3 Tsy misy olo avy laha hatan-dagnitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afake hanokatre ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 4 Nitomagny mahare iaho- satria tsy nisy olo hita mendrika ny hanokatra ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 5 Kanefa raike tamin-dreo loholo nijaka tamin'ahy hoe: "Aja mitomagny. Itoy! ilay liognan'i fokon'i Joda, ilay taranak'i Davida, die nandresy. Afake ny hanokatre ny horognan-taratasy sy ireo tombo-kase fito ijy. 6 Nahita Janak'ondry mitsangagna eo agnelagnelan'ny seza fiandriagnana sy ireo raha manan'aigna efatre ary eo agnivon'ireo loholo iaho. Hôtran'ny hoe olo novonoina ijy.Nanagna tandroke fito sy maso fito ijy; areo ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa naneragna ny tany. 7 Nandeha ijy ary nangala ilay horognan-taratasy tegny amin'ny tanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna. 8 Laha noresin'ilay Janak'ondry ilay horognan-taratasy, ireo raha manan'aigna efatra sy ireo loholo efatra amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo teo an-katrehany. Samy nanagna lokanga sy lovia volamena feno emboke magnitre aby ny kiraidraike tamin-dreo, ijay vavak'ireo mpino. 9 Nihira hira vaovao areo:'' Mendrike ny handray an'ilay horognan-taratasy anao ary hanokatre ny tombo-kasen'ijany. Fa anao die novonoina, ary tamin'ny rànao no nivangana an'ireo olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fijakana, olo, ary firenena abiaby. 10 Nataonao fanjakana sy mpisorogna areo mba hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany.'' 11 Avy eo iaho die nahita sy naharegne feon'anjely rahabe nagnodidigna ny seja fiandrianagna sy ireo zava-manan'aigna ary ireo loholo. Ny fitambaran-dreo die aman'aligna aligna. 12 Nijaka tamin'ny feo mahare areo hoe: ''Mendrike anie ilay Janak'ondry ijay novonoina mba handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laja, voninahitre, ary dera.'' 13 Naharegne ireo raha vôforogna abiaby ijay tagny an-dagnitra sy teto an-tany ary an-dranomasina iaho- ny raha abiaby tao agnatin'ireo-nijaka hoe: "Ho an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandrianagna sy ho an'ilay Janak'ondry, anie ny dera, ny laja, ny voninahitre, ary ny fahefana handidy, mandrakijay doria.'' 14 Ireo zava-manan'aigna efatre, nijaka hoe: ''Amena!'' Ary ireo loholo niankohoke sy nivavake. [Fagnamarihana: Ny sarany amin'ireo dikan-teny taloha die mivaky hoe: ''Ireo loholo roa amby efapolo die niankohoke sy nanompo an'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria.'']