Toko faha 3

1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Sardisy hoe: 'Ijao no tenin'ny mitana ny Fanahy fiton'Andriamanitre sy ny kintana fito. ''Fantatro ijay nataonao. Malaza ho velogna anao, nefa anao maty. 2 Mifohaza die hatanjaho ijay favela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanterake ny asanao eo amason'Andriamanitrako. 3 Tadidio, noho ijany, ijay noresinareo sy regninareo. Ankatoavy ijany, die mibebaha. Fa raha tsy mifoha anareo, die ho tonga hôtra ny mpangalatra Iaho, die tsy ho fantatrareo ny lera heveko aminareo. 4 Fa misy agnaran'olo vitsivitsy agny Sardisy ijay tsy nandoto ny ankanjon'dreo. Henga hiaraka aminahy an'dreo, menkanjo fotsy, satria magneva. 5 Ny raike ijay maharesy die ho ampenkanjona fotsy, die tsy hamafa ny agnarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Iaho, die hijaka ny agnarany eo anatrehan'ny Iabako, sy eo anatrehan'ny anjeline. 6 Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.''''' 7 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Filadelfia hoe: 'Ijao no jakan'ny raike ijay masina sy marina_ijy no mitagna ny la clé an'i Davida, ijy no mamoha die tsy misy na ija na ija magnidy, ijy no magnidy die tsy misy na ija na ija afaka manokatre. 8 ''Fantako ijay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anatrehanareo ijay tsy afake hidin'ija na ija. Fantako fa manana hery kely anareo, ka nankàto ny jakako die tsy nandà ny agnarako. 9 Indro! Ireo ijay an'ny Synagogan'ny Satana, ireo ijay mijaka fa Jiosy an-dreo nefa tsy ijy akory; fa mivandy koja an'dreo. Hataoko tonga ka henkohoke eo an-tongotrao an'dreo, die ho avy an'dreo mba hahafantatre fa nitia anao Iaho. 10 Satria efa nitandrigna ny didiko tamin'ny faharetana anareo, die hiaro anareo amin'ny andro fitsapana ijay efa ho tonga amin'ijao tontolo manontolo ijao mandy koa Iaho, mba hitsapa ny ijay miaigna eo ambonin'ny tany. 11 Ho tonga tsy ho ela Iaho. Tano mafy ijay hanananao mba tsy hisy afake hangala ny satro-boninahitrao. 12 Ataoko andry eo amin'ny tempolin'nyAndriamanitro ijay mandresy, die tsy hiala eo mihintsy ijy. 13 Ho soratako eo aminajy ny anaran'Andriamanitrako, ny agnaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (ny Jerosalema vaovao, ijay mijotso laha tagny an- danktra laha tamin'ny Andriamanitrako ), sy ny agnarako. Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.''''' 14 ''Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Laodikia hoe: ''Ijao no jakan'ny Amena, ny vavolombelona mahatoky sy marina, ny manapake ny zava-boaharin'Andriamanitra. 15 ''Fantako ijay nataonareo, die tsy manara na mafana anareo. Magniry Iaho mba ho manara na mafana anareo! 16 Noho ijany, satria anareo matimaty_sady tsy mafana no tsy manara_ die efa halokan'ny vavako anareo. 17 Fa hoy anareo hoe: 'Manan-karena iaho, nanagna fitaovana rahabe, ka tsy mila na ino na ino.' feny tsy fantatrareo fa anareo no tena ory, mahatserike, misotry, fé die mijily. 18 Tenoy ny torohevitrako: Mivanga volamena voadio tamin'ny afo aminahy mba ho tonga mpanan-karena anareo, die akanjo manjopiake mba ho afake mampitafy ny tegnanareo anareo ka tsy hampibôke ny hegnatre ny fijilianareo, die hagnosotre ny masonareo mba hahitanareo. 19 Ampiofaniko ny kiraidraike aby ijay tieko, die hampinariko an'dreo ny fomba tokony hiaingnan'dreo. Noho ijany, majotoa ary mibebaha. 20 Indro, mijoro eto amin'ny varavaragna Iaho ary mandondogna. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavaragna, die ho tonga ao an-dragnony Iaho ka hihinagna miaraka aminajy, die ijy miaraka aminahy. 21 Ny raike ijay mandresy, hatolotro ajy ny zo hipetraka miaraka aminahy eo amin'ny seza fiandrianako, hôtra ny nadreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin'ny Iabako teo amin'ny seza fiandrianany. 22 Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''