Toko faha 2

1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy hoe: ''Ireto ny jaka laha tamin'ny raike ijay mitazogna ny kintagna fito amin'ny tanan-kavanany die mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena, 2 ''Fantatro ijay efa vitanao sy ny asa mafinao die ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitre amin'ny olon-dratsy anao. Fantatro fa notsapainao ireo ijay milaza ajy reo ho apostoly, nefa fa tsy ijy, die hitanao ijy reo fa sandoke. 3 Fantatro fa managna faharetana anao, die nijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, die tsy nilavo lefogna anao. 4 Nefa manohitra anao iaho satria nemela ny fitiavanao vôlohany anao. 5 Tsarovy noho ijany ny toerana ijay nahalavo anao. Mibebaha die manôva ny raha nataonao vôlohany. Fa raha tsy mibebake anao, die ho avy agny aminao iaho die hangala ny fanaovan-jironao amin'ny fipetrahany. 6 Feny ijao no ataonao: ''Halanao ny raha-vitan'ny Nikolaita, jay haloko mandy koa. 7 Ôka jay manan-tadigny hiheno jai jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ho an'ny raike je maharesy die homeko alalagna hihinagna ny laha tamin'ny hazon'ny fiainana, jay ao amin'ny paradisan'Andriamanitre.''''' 8 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Smyrna hoe: '' Ito ny jakan'ny raike je vôlohane die ny farany, ny raike je efa mate nefa velogna koa: 9 ''Fantako ny fahorinao sy ny fahantranao, nefa manan-karena anao. Fantako ny fitenenan-dratsy ho an'ny je miteny ny tegnany fa Jiosy, kanefa tsy ijy. Synagogan'i Satana areo. 10 Aja mangoaigna ny amin'jay efa hieratanao. Indro! Ny devoly die hanipy ny saragne aminareo agny amin'ny tragnomaezigna mba ho tsapaina anareo, die hijaly mandritry ny folo andro anareo. Matokia mandra-pahafaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana. 11 Ijay manan-tandigny ôka ijy hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ny raike je maharesy die tsy ho hivetrakin'ny fahafatesana faharoa.''''' 12 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Pergamosy hoe: ''Ito ny tenin'ny raike jay managna begnitre roa lela: 13 ''Fantako jay onegnanao, die ao amin'ny hipetrahan'ny seza fiandrianan'i Satana. Die amijao mitagna mahere ny agnarako anao. Fantako fa tsy nandà ny finoanao ny aminahy anao, na die tamin'ny andron'i Antipasy vavolombeloko ajy, jay nahatoky Anahy, jay novonoina teo aminareo, tao amin'ny fonenan'i Satana. 14 Fa manan-jaka kely aminao Iaho:''Misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ny Balama, ijay nampianatra an'i Balaka hametraka fanafintohinana eo anatrahan'ny zanak'Israely, mba hihinanan'dreo ny hanina natao sorona ho an'ny sampy die ho fijangajangana. 15 Hôtran'ijany mandy, misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ireo Nikoloita. 16 Mibebaha, noho ijany! Fa raha tsy ijany, die ho tonga malaky agny aminareo Iaho, die hifanandrina amin'dreo iaho miarake amin'ny sabatry ny vavako. 17 Ôka ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo ijay maharesy, homeko, ny saragny amin'ireo mana mivony, die homeko vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-baovao voasoratra eo amin'ny vato, anarana ijay tsy fantatr'olo afa-tsy ijay mandray ajy mandy.''''' 18 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: 'Ireto ny jakan'ny Zanak'Andriamanitre, ijay manana maso hôtra ny lelafo die tongotre hôtra ny varahigna mangiragna: 19 ''Fantako ijay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao die ny faharetanao. Fantako fa ijay vitanao farany die rahabe noho ijay vitanao vôlohany. 20 kanefa ijao no hanoherako anao: Leferinao ny viavy Zezebela, ijay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianaran'ny die mamitake ireo mpanompoko ijy mba hijangajanga atao sorona ho an'ny sampy. 21 Nagnome fotogna mba hibebahany Iaho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany ijy. 22 Indro! Hataoko marary eo ampandrena ijy, die ireo ijay mijangajanga miaraka aminajy die hampahoriako mafy, raha tsy mibebake amin'ny asa ratsin'ny viavy ijy reo. 23 Ho vonoiko ho faty ireo zanany, die ireo fiangonana manontolo die hahalala fa Iaho ny mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsiraidraike aby anareo. 24 Fa ny aminareo ijay sisa ao Tyatira, ijay manontolo tsy mitajogna ijao fampianarana ijao, sy tsy mahalala ijay angihin'ny saragny hoe sain-dalin'i Satana_Ijao no jakaiko aminareo hoe: ''Tsy vesariko entagna hafa anareo.'' 25 Na ijany aja, tsy maintsy mitajogna mahare ny finoanareo anareo mandram-peviko. 26 Ny raike ijay maharesy sy ijay manao ijay efa vitako hatramin'ny farany, die homeko ajy ny fahefana amin'ny firenana aby. 27 'Hanapaka eo amin'ijy reo miarake amin'ny tehim-by ijy, hôtra ny fanorotoroina vilagny tany no hanapotehina ajy ireo.' 28 Hôtra ny nandresako laha tamin'ny Iabako, no hagnomezako ajy kintagna maraigna mandy koa. 29 Ôka ny raike ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana.'''''