Toko faha 5

1 Yaveh nivoria tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2 "Didio ny fokon'olon'Israely mba handrôka ny abiaby misy aretin-koditre hienga tao amin'ny toby, ary ijay misy ratre mitsike, ary ijay abiaby maloto tamin'ny fikasihana faty. 3 Na lelahy na viave, die tokone hampengainao tao amin'ny toby areo. Tokone tsy handoto ny toby areo, satria ao Iaho no mitoboke." 4 Die nagnano an'ijay ny fokon'olon'Israely. Die nalefan-dreo hienga tao amin'ny toby areo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Die nankatò an'i Yaveh ny fokon'olon'Israely. 5 Nivoria tamin'i Mosesy Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy: 6 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Laha magnano fahotana ny lelahy na viave manahaka ny famboarin'olo, ka tsy matoky an'Ahe, die diso ijay olo ijay. 7 Ka tsy mentsy magneky ny hadisoane ijay efa vitane ijy. Tsy mentsy honerane tanteraka ny vidin-kelokane ka hagnampy ny avo dimy heny amin'ny vidine. Tsy mentsy hagnome an'ijay amin'ny raike ijay namboarane ny tsy mety ijy. 8 Fa laha tsy managna havana marivo mba handray ny onitre ny niharan'ny tsy mety, die tsy mentsy honerane amin'Ahe amin'ny alalan'ny mpisorogna ny vidin-kelokane, miaraka amin'ny ondry raike ho fagnavotana ny tegnane. 9 Ny fagnatitry ny fokon'olon'Israely abiaby, ny raha ijay natokagna sady nindôsina tagne amin'ny mpisorogna laha tamin'ny fokon'olon'Israely, die hôn'aje aby. 10 Ny fagnatitry ny olo abiaby die hôn'ny mpisorogna; laha misy magnome raha hôn'ny mpisorogna, die hôn'aje ijay." 11 Die nivoria tamin'i Mosesy Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy: 12 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Jakay areo hoe: 'Reso hoe mivadika ny sakejan-dralelahy ka magnota amin'ny sakejane. 13 Ary reso hoe misy lelahy hafa miara-matory amin'aje. Amin'ijay, die vôloto ijy. Na die tsy hitan'ny sakejane aja ijay na fantany ny momban'ijay, ka na die misy na raike aja mahatratra an'aje eo am-pamboarana an'ijay ka tsy misy na raike aja mitsangagna vavolombelogna mitory an'aje, 14 na die ijay aja, ny fagnahin'ny hasarotam-piaro die magnambara hatagne amin'ny lahy fa vôloto ny sakejane. Kanefa, ny fagnahin'ny hasarotam-piaro die ho avy hivande amin'ny lelahy laha tsy vôloto ny sakejane. 15 Amin'ny tranga manahaka an'ijay, ny lelahy die tokone hitondra ny sakejane ho agne amin'ny mpisorogna. Tsy mentsy mitondra fagnatitra sotroina hôn'aje ny sakejane. Tsy mentsy hitondra kobam-bary ampahafolon'ny efaha ijy. Tsy mahajo mandraraka menake na ditin-kajo magnitre amin'ijay ijy satria fagnatitra varin'ny hasarotam-piaro ijay, fagnatitra hohanina ho famantarana ny mety ho fisian'ny fahotana. 16 Ôka hitondra an'aje marivo ka hametraka an'aje eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna. 17 Ôka hangala ny sinin-drano vôhasigna sady hangala botany laha tamin'ny tanin'ny tabernakely ny mpisorogna. Ôka hagnisy ny botany ao agnatin'ny rano ijy. 18 Ny mpisorogna hametraka ny viave eo agnatrehan'Andriamanitra ka hanatake ny volo eo an-dohan'ilay viave. Hapetagne eo amin'ny tagnane ny fagnatitra voa fahatserovana, ijay fagnatitra voan'ny ahiahy. Hitagna ny rano mafaike ijay mety hitondra tsitsike amin'ny tagnane ny mpisorogna. 19 Hametraka ilay viave hômbanin'ny fifantane ny mpisorogna ka hijaka amin'aje hoe: "Laha mbola tsy nisy lelahy hafa nagnano firesana ara-nofo taminao, sady laha tsy naniasia sy nagnano fahalotoana, die afaka amin'itoy rano mafaike ijay mety hitondra tsitsike itoy. 20 Fa laha anao, ijay viave vôfehin'ny sakejane, no efa naniasia, ka laha vôloto anao, ka laha nisy lelahy hafa niara-natory taminao, 21 die, (tsy mentsy ny mpisorogna ny mampambôtre fifantana ijay afaka mitondra ny tsitsike amin'aje amin'ilay viave, die tsy mentsy hanohy voria amin'ilay viave ijy) 'Yaveh hagnano anao agnaty tsitsike ijay hatoro amin'ny fokon'olonao hanahaka an'ijay. Die hipoitre ijay laha atan'i Yaveh miha lò ny fenao ka mivonto ny trokanao. 22 Itoy rano ijay mitondra tsitsike itoy die hiditra ao amin'ny vavogninao ka hampivonto ny trokanao ary harary ny fenao.' Die ôka hamaly raviave hoe: "Ieke, abilay hipoitre ijay laha diso iaho.' 23 Ôka hanoratra ito tsitsike ito ao amin'ny horognan-taratasy ny mpisorogna, ka ôka hidiovine ao amin'ny rano mafaike ny tsitsike vôsoratre. 24 Ôka hampisotro ny rano mafaike an'ijay mitondra tsitsike hôn'ny viave ny mpisorogna. Ny rano ijay mitondra tsitsike die hiditra amin'aje ao ka hanjary hangidy. 25 Ôka hangala ny fagnatitra voan'ny hasarotam-piaro amin'ny tagnan'ny viave ijy. Ôka hitagna ny fagnatitra voa eo agnatrehan'i Yaveh ka hitondra an'ijay eo amin'ny alitara ijy. 26 Ôka hangala fagnatitra voa fenon'ny tagnana ho fagnatitra fanehoana ny mpisorogna, ka hagnoro an'ijay eo amin'ny alitara. Die ôka homene ny viave ny rano tena mafaike mba hisotroine. 27 Laha omene an'aje ny rano hisotroine, laha vôloto satria nagnota tamin'ny sakejane ijy, die hiditra amin'aje ny rano ijay mitondra tsitsike ka hanjary hangidy. Hivonto ny trokane ka harary ny fene. Ho vôtsitsike eo amin'ny olone ilay viave. 28 Fa laha tsy vôloto koja ilay viave ary laha madio ijy, die tsy mentsy hafahana. Ka afaka hanagna anaka ijy. 29 Ijany ny lalàn'ny hasarotam-piaro. Ijay ny lalàna hôn'ny viave ijay mivily amin'ny sakejane ka vôloto. 30 Ijay ny lalàna hôn'ny lelahy managna ny fagnahin'ny hasarotam-piaro laha saro-piaro amin'ny sakejane ijy. Ôka ijy hitondra ny viave eo agnatrehan'i Yaveh, ka ôka ny mpisorogna hagnano amin'aje ijay abiaby vôfaritr'io lalànan'ny hasarotam-piaro io. 31 Ka die ho afaka amin'ny fahadisoana ny amin'ny fitondrana ny sakejane teo amin'ny mpisorogna ny lelahy. Ôka hitondra ny heloka ijay mety hanagnane ilay viave.