Toko faha 4

1 Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy ijy hoe: 2 "Manôva fagnisana an'ireo lelahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ny Levita,araka ny fokon-dreo sy ny rajamben'ny havan-dreo. 3 Isay ny lelahy abiaby ijay telopolo hatamin'ny dimampolo taogna. Ireo lelahy ireo die tsy mentsy magnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 4 Ny taranak'i Kehata die tsy mentsy mikarakara ny raha masina indrindra natokagna hôn'Ahe ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 5 Laha miomagna hifindra toerana ny toby, die tsy mentsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ny janagne lahy, manjotso ny lamba fanakonana ijay magnasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ka manarogna ny fiaran'ny vavolombelogna miaraka amin'ijay. 6 Tsy mentsy manarogna ny fiara amin'ny hodi-takasy areo. Tsy mentsy mamelatra lamba eo ambonin'ijay areo. Tsy mentsy apetagne ny filanjana mba hilanjana an'ijay. 7 Tsy mentsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fagnatrehana areo. Areo die tsy mentsy mametrake ny vilia, ny fiteko, ny vilia boribory, ary ny siny fandrarahana eo ambonin'ijay. Tsy mentsy misy mofo fehijay eo ambonin'ny latabatra. 8 Tsy mentsy sarognan-dreo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy io. Tsy mentsy apetakan¹dreo ny filanjana mba hilanjana ny latabatre. 9 Tsy mentsy mangala lamba manga areo ka manarogna ny fipitrahan-jiro, miaraka amin'ny fagnilon'ijay, ny hety, ny fipitrahan-dakevogna, ary ny fipitrahan-diloilo hôn'ny fagnilo. 10 Tsy mentsy atobokan-dreo ao agnatin'ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy ny fanôvan-jiro sy ny fitôvane abiaby miaraka amin'ijay, ka tsy mentsy atobokan-dreo eo ambonin'ny rafitra filanjana ijay. 11 Tsy mentsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena areo. Tsy mentsy manarogna an'ijay amin'ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy areo, ka avy teo mametaka ny bao filanjana. 12 Tsy mentsy mangala ny fitôvana hesana abiaby agne amin'ny toerana masina areo ka mamogno an'ijay ao agnatin'ny lamba manga. Tsy mentsy manarogna an'ijay amin'ny hodi-takasy areo ka mametrake ny fitôvam-pesana eo amin'ny rafitra filanjana. 13 Tsy mentsy mangala ny lakevogna amin'ny alitara areo ka mametrake lamba volomparasy eo amin'ny alitara. 14 Tsy mentsy apetrakan-dreo ny rafitra filanjana ny fitôvam-pesana abiaby ijay ampesain-dreo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitôvana ireo die ny fitondrana afo, fitreby, lapelina,vilia famafajana. ary ny fitôvam-pesana hafa abiaby hôn'ny alitara. Tsy mentsy manarogna ny alitara amin'ny hodi-takasy areo ka avy teo mametrake ny bao filanjana. 15 Laha avy nanarogna tanteraka ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby niaraka tamin'ijay i Arona sy ny janagne lahy, sady laha mifindra toerana ny toby, die tsy mentsy magnariny mba hibata ny toerana masina ny taranak'i Kehata. Laha mikitike ny fitôvana masina areo, die tsy mentsy maty. Ijao ny asan'ny taranak'i Kehata, die ny mibata ny fanaka ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 16 Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ny magnara-maso ny fikarakarana ny solika hôn'ny fagnilo, ny ditin-kajo magnitre, ny fagnatitra voa mahajatre, ary ny diloilo fagnosotre. Magnara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy ijay abiaby ao agnatin'ijay ijy, die ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby miaraka amin'ijay. 17 Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy ijy hoe: 18 "Aja avela halaina eo amin'ny Levita ny fokon'ny fianakaviam-ben'ny Kehatita. 19 Arovy areo, mba ho velogna fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny famboarana an'ijao. Laha magnariny ny raha masina indrindra areo 20 die tsy tokone hiditra mba hijaha ny toerana masina na die fotôgna kitike aja, sandre ho faty areo. Arona sy ny janagne lahy ny tsy mentsy miditra ao, ka avy teo Arona sy ny janagne lahy die tsy mentsy manondro ny kiraidraike amin'ny Kehatita amin'ny asane aby, amin'ny andraikitrane manokagna." 21 Nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy hoe: 22 "Mamboara mandy koa fagnisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny havan'ny rajamben-dreo, araka ny fokon-dreo. Isay ireo ijay telopolo hatamin'ny 23 dimampolo taogna. Isay ijay abiaby hagnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 24 Ijao ny asan'ny fokon'i Gersonita, laha manompo areo ka mitondra entagna. 25 Tsy mentsy mitondra lamba fanarognana ny tabernakely, ny tragno lay fihôgnana, ny fanarognana an'ijay, ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy ijay eo amin'ijay, ary ny lamba fanarognana ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. 26 Tsy mentsy mitondra ny lamba fanarognana ny fitsaràna areo, ny lamba fanarognana ny vavahadin'ny fitsaràna, ijay eo akekin'ny tabernakely sy eo akekin'ny alitara, ny tadin'io, ary ny fitôvana abiaby hôn'ny fanompôn-dreo. Ijay abiaby tokone ho efa amin'ny raha io, die tsy mentsy amboarin-dreo. 27 Arona sy ny janagne lahy die tsy mentsy magnatoro ny asan'ny taranaky ny Gersonita abiaby, amin'ijay abiaby indôsin-dreo, ary amin'ny fanompôn-dreo abiaby. Tsy mentsy tondroinare amin'ny andrekine abiaby ijy. 28 Ijay ny fanompôn'ny fokon'ny taranaky ny Gersonita hôn'ny tragno lay fihôgnana. Itamara janaka lahin'i Arona mpisorogna die tsy mentsy mitarika an-dreo amin'ny fanompône. 29 Tsy mentsy magnisa ny taranak'i Merary araka ny fokon-dreo anareo, ka mandahatra an-dreo araka ny havan'ny rajamben-dreo, 30 manomboka amin'ny telopolo taogna loho miakatre ka hatamin'ny dimampolo taogna. Isay ijay abiaby hienga hagnatevin-daharana ny antoko sady hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 31 Ijao ny andraikitran-dreo sy ny asan-dreo amin'ny fanompôn'ijy abiaby hôn'ny tragno lay fihôgnana. Tsy mentsy mikarakara ny entagnan'ny tabernakely, ny hidin'ijay, ny andry, ary ny faladia, 32 miaraka amin'ny andrin'ny fitsaràna magnodidigna ny tabernakely, ny faladian'io, ny tsatokany, ary ny tadine, miaraka amin'ny fitôvane abiaby areo. Soraty araka ny agnarana ny fanaka ijay tsy mentsy indôsin-dreo. 33 Ijao ny asan'ny fokon'ny taranak'i Merary, ijay amboarin-dreo hôn'ny tragno lay fihôgnana, eo ambany fitaritan'Itamara janaka lahin'i Arona mpisorogna." 34 Mosesy sy Arona ary ny mpitarika ny fivondrognana ny nagnisa ny taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny rajamben-dreo. 35 Nisain-dreo manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna areo. Nagnisa an'ijay abiaby hagnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. 36 Olo 2.750 ny vôisan-dreo araka ny tokone. 37 Mosesy sy Arona die nagnisa ny olo abiaby tao amin'ny foko sy ny havan'ny Kehatita ijay manompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo. 38 Ny taranak'i Gersona die nisaina tao amin'ny fokon-dreo, araka ny ankohonan'ny havan-dreo, 39 manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna, ijay abiaby hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 40 Ny olo abiaby, die nisaina araka ny fokon-dreo sy ny ankohonan'ny rajamben-dreo aby, 2.630 isa. 41 Mosesy sy Arona die nagnisa ny fokon'ny taranak'i Gersona ijay hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo amin'ny alalan'i Mosesy areo. 42 Ny taranak'i Merary die nisaina tao amin'ny fokon-dreo araka ny ankohonan'ny rajamben-dreo, 43 manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna, ijay abiaby hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 44 Ny olo abiaby, die nisaina araka ny fokon-dreo sy ny ankohonan'ny rajamben-dreo aby, 3.200 isa. 45 Nagnisa an'io olo abiaby io i Arona sy Mosesy, die ny taranak'i Merary. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo. 46 Ka nagnisa ny Levita abiaby araka ny fokon-dreo tao amin'ny havan'ny rajambene 47 nanomboka tamin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna i Mosesy, Arona, ary ny mpitarik'Israely. Nisain-dreo ijay abiaby hiasa ao amin'ny tabernakely, sy ijay hitondra sady hikarakara ny fanaka ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 48 Olo 8.580 ny vôisan-dreo. 49 Araka ny nididin'i Yaveh, die nagnisa ny olo kiraidraike i Mosesy, araka ny karajagn'asa ijay nanondrôna an'aje aby. Nagnisa ny olo kiraidraike araka ny karajan'andraikitra nisahagnine aby ijy. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo.