Toko faha 3

1 Ka ijao ny tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy laha nivoria tamin'i Mosesy tagne amin'ny tagnambogna Sinay i Yaveh. 2 Ny agnaran'ny janaka lahin'i Arona die Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara. 3 Io ny agnaran'ny janaka lahin'i Arona, ny mpisorogna ijay võhosotre sy vôtokagna hanompo mba ho mpisorogna. 4 Fa Nadaba sy Abiho koja lavo maty teo agnatrehan'i Yaveh laha nagnome an'Aje afo tsy ajo akena tagne amin'ny efitr'i Sinay areo. Tsy nanagn'anake i Nadaba sy Abiho, ka die Eleazara sy Itamara mandy ny nanompo ho mpisorogna niaraka tamin'i Arona iaban-dreo. 5 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy: 6 "Indôsy ny fokon'i Levy ka atoroy amin'i Arona mpisorogna areo mba hagnampy an'aje. 7 Ôka hambôtra ny adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondrognana manontolo eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana areo. Ôka areo hanompo ao amin'ny tabernakely. 8 Ôka hikarakara ny fanaka abiaby ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, ka hagnampy ny fokon'Israely hagnano ny asa fanompôna ny tabernakely. 9 Ôka hatolotrao an'i Arona sy ny janagne lahy ny Levita. Omena manontolo areo mba hagnampy an'aje hanompo ny fokon'olon'Israely. 10 Tsy mentsy tondroinao ho mpisorogna i Arona sy ny janagne lahy, fa ijay olo hafa firenena avy magnariny die tsy mentsy vonina ho faty." 11 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 12 "Indro, efa nangala ny Levita hatamin'ny vahôkan'Israely Iaho. Ijany ny natako laha tokone nangala ny lahimatoa kiraidraike ijay terake tamin'ny fokon'olon'Israely. An'Ahe ny Levita. 13 An'Ahe ny vôlohan-teraka abiaby. Tamin'ny andro nandrahako ny lahimatoa abiaby tagne amin'ny tany Egypta, ny nanokanako hôn'Ahe ny vôlohan-terak'Israely abiaby, na ny fokon'olo na ny biby fiompy. An'Ahe io. Iaho no Yaveh." 14 Nijaka tamin'i Mosesy tagne agn'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy ijy hoe: 15 "Isay isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny rajamben-dreo. Isay ny lelahy abiaby ijay ray volagna noho miakatre." 16 Nagnisa an-dreo i Mosesy, araka ny jakan'i Yaveh, araka ny nandidiana an'aje hamboarina. 17 Ny agnaran'ny janaka lahin'i Levy die Garsona, Kohata, ary Merary. 18 Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Gersona die Libny sy Simey. 19 Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Kohata die Amrama, Izara, Hebrona, ary Oziela. 20 Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Merary die Maly sy Mosy. Io ny fianakaviam-ben'i Levita, ijay nalahatre araka ny fianakaviane aby. 21 Ny fianakaviam-ben'ny Libnita sy ny Simeita die laha tamin'i Gersona. Io aby ny fianakaviam-ben'ny Gersonita. 22 Ny lelahy abiaby manomboka ray volagna no miakatre die nisaina, niisa 7.500. 23 Ny fianakaviam-ben'ny Gersonita die hitoby eo amin'ny ilane andrefagn'ny tabernakely. 24 Eliasafa janaka lahin'i Laela ny tsy mentsy hitarike ny fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita. 25 Ny fianakavian'i Gersona die tsy mentsy mikarakara ny tragno lay fihôgnana ka agnatin'ijay ao ny tabernakely. Hikarakara ny tragno lay areo, ny firakone, sy ny lamba ampesaina amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 26 Tsy mentsy mikarakara ny lamban-kianja areo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja- ny kianja ijay magnodidigna ny fitobohana masina sy ny alitara. Ôka hikarakara ny tadin'ny tragno lay fihôgnana sy ijay abiaby ao amin'aje areo. 27 Laha tamin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: havan'ny Amramita, ny havan'ny Izarita, ny havan'ny Hebronita, ny havan'ny Ozielita. 28 An'ny Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8.600 lahy ray volagna loho miakatre ny efa vôisa mba hikarakara ny fanagnan'i Yaveh. 29 Ny halavan'ny taranak'i Kohata die tsy mentsy mitoby megnatsimon'ny tabernakely. 30 Elifaza janaka lahin'i Oziela ny tsy mentsy hitarika ny fianakaviam-ben'ny Kohatita. 31 Areo ny tsy mentsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fipitrahan-jiro, ny alitara, ny raha-masigna ijay ampesaina amin'ny fanompône, ny lamba, ary ny asa abiaby mahakasika an'ijay. 32 Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ny tsy mentsy hitarika ny lelahy ijay mitarika ny Levita. Tokone hagnara-maso ny lelahy ijay mikarakara ny fitobohana masina ijy. 33 Fianakaviam-be roe ny laha tamin'i Merary: ny havan'ny Malita sy ny havan'ny Mosita. Ny fianakaviam-be ireo die laha tamin'i Merary. 34 6.200 lahy ray volagna loho miakatre ny efa vôisa. 35 Zoriela janaka lahin'i Abihaila ny tsy mentsy hitarika ny havan'i Merary. Tsy mentsy mitoby megnavaratry ny tabernakely areo. 36 Ny taranak'i Merary die tokone hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ny galane, tsanganana, faladiane, ny fitôvana abiaby, sy ijay abiaby mikasika an'io, agnatin'ijay ao 37 ny andry sy tsanganan'ny kianja ijay magnodidigna ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'io, firaviravian-draha, sy tady. 38 Mosesy sy Arona ary ny janaka lahin-dreo die tsy mentsy hitoby metsignanan'ny tabernakely, eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana, tanjo ny fiposahan'ny masoanadro. Areo ny tompon'andraikitra hôn'ny fagnatanterahana ny adidy amin'ny fitoerana masina sy ny adidy amin'ny fokon'olon'Israely. Na ija na ija olo hafa firenena magnariny ny fitoerana masina die tsy mentsy ho faty. 39 Mosesy sy Arona nagnisa ny lahy abiaby tamin'ny fianakaviam-ben'i Levita ijay ray volagna loho miakatre, araka ijay nandidian'i Yaveh. Niisa roe arivo sy roe aligna areo. 40 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isay ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely abiaby ijay ray volagna loho miakatre. Reso ny agnaran-dreo. 41 Ôka halainao hôn'Ahe ny Levita- Iaho Yaveh- ho solon'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely, sy ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny vôlohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely." 42 Mosesy nagnisa ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely abiaby araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'aje hamboarina. 43 Nagnisa ny lahimatoa abiaby araka ny agnarana ijy, ray volagna loho miakatre. Nahavôisa 22.273 lahy ijy. 44 Nijaka tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy hoe: 45 "Alay ny Levita ho solon'ny vôlohan-teraka amin'ny fokon'olon'Israely, sady alay ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompin'ny fokon'olo. An'Ahe ny Levita- Iaho no Yaveh. 46 Mamoria sekely dimy hôn'ny fagnavotana isan'olo amin'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely ijay mihôtre ny isan'ny Levita. 47 Ampesay araka ny fegnitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera rôpolo ny sekely. 48 Homenao an'i Arona sy ny janagne lahy ny vidim-pagnavotana ijay nomenao." 49 Ka die nagnavory ny vidin'ny ny vidin'ny fagnavotana laha tamin'ireo ijay nihôtre isa tamin'ireo ijay navotan'ny Levita i Mosesy. 50 Nagnangogna ny vola laha tamin'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely i Mosesy. Nahangogna sekely 1.365 ijy, nilanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. 51 Mosesy nagnome ny volam-pagnavotana hôn'i Arona sy ny janagne lahy. Mosesy nambôtre ijay nasain'ny jakan'i Yaveh nataone, araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'aje.