Toko faha 6

1 Yaveh nijaka tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2 " Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Voriano amin-dreo hoe: 'Laha misy lelahy na viave mitoka-tegna hôn'i Yaveh amin'ny voady manokagn'ny Nazirita, 3 die ôka hifady dovay na java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny dovay na tamin'ny java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro ranom-bôloboke ijy na hihinagna vôloboke tsara na vôloboke maigna. 4 Amin'ny andro abiaby ijay hitokagnane hôn'Ahe, die ôka tsy hihinagna na ino na ino ijay vita amin'ny vôloboke ijy, agnisan'ijay ny raha abiaby vita hatamin'ny vône ka hatamin'ny hodine. 5 Mandritra ny fotôgnan'ny voadim-pitokagnane abiaby, die tsy hisy hety hampesaina amin'ny lohane madra-pahatapitry ny andron'ny fitokagnane hôn'i Yaveh. Ôka hatokagna hôn'i Yaveh ijy. Ôka hagnavela ny volone hihalava amin'ny lohane ijy. 6 Mandritra ny fotôgna abiaby ijay hitokagnane hôn'i Yaveh, die tsy hagnarivo faty ijy. 7 Ôka tsy handoto ny tegnane ijy ieke fa na die hôn'iabane, iendrine, rahalahine, na anakavine aja, laha maty areo. Ijay die satria efa nitokagna hôn'Andriamanitra ijy, ijay hitan'ny olo amin'ny halavan'ny volone. 8 Mandritra ny fotôgnan'ny fitokagnana abiaby die masina ijy, vôtokagna hôn'i Yaveh. 9 Laha misy olo maty tampoke marivo eo ka mandoto ny lohane vômasina, die ôka hibory ny lohane ijy amin'ny andron'ny fagnadiovana an'aje- amin'ny andro fahafito ny tsy mentsy hiboriane an'ijay. 10 Amin'ny andro fahavalo die ôka hitondra voromamanga roe na jana-boromamanga roe hôn'ny mpisorogna eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana ijy. 11 Ôka hagnome vorogna raike ho fagnatitra nohon'ny ota ary raike hafa ho fagnatitra orôna ny mpisorogna. Ireo die hagnonitre an'aje satria nagnota tamin'ny naha-teo akekin'ny faty an'aje ijy. Ôka hagnamasigna ny lohane indraike ijy amin'ijay andro ijay. 12 Ôka hanoka-tegna hôn'i Yaveh mandritra ny andron'ny fagnamasignana an'aje ijy. Ôka hitondra janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra noho ny heloka ijy. Ny andro nelohan'ny nandotone ny tegnane die ôka tsy hisaina, satria nilotoina ny fahamasignane. 13 Ijay ny lalàna momba ny Nazirita laha feno ny fotôgnan'ny fitokanane. Ôka hindôsina eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana ijy. 14 Ôka hagnome ny fagnatitrane hôn'i Yaveh ijy. Ôka hagnome janak'ondry lahy herintaogna sady tsy misy kilema ho fagnatitra orôna ijy. Ôka hagnome janak'ondry vavy herintaogna sady tsy misy kilema ho fagnatitra noho ny ota ijy. Ôka hitondra ondrilahy ijay tsy misy kilema ho fagnati-pihavagnana ijy. 15 Ôka hitondra mofo tsy misy lalovay fenon'ny tanty, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto mifangaro menake, mofo manify tsy misy lalovay najoboka tao amin'ny menake, miaraka amin'ny fagnatitra hohanina sy fagnatitra sotroina mandy koa ijy. 16 Ôka hagnome an'io eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna. Ôka hagnome fagnatitra noho ny otany sy ny fagnatitra orôna ijy. 17 Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira fenon'ny tanty, no ôka hagnomejane ny ondrilahy ho sorogna, die ny fagnati-pihavagnana hôn'i Yaveh. Ôka hagnome ny fagnatitra hohanina sy ny fagnatitra nomina mandy koa ny mpisorogna. 18 Ôka hibory ny lohane ny Nazirita ho fanehoana ny fitokagnane hôn'Andriamanitra eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana. Ôka hangala ny volo eo an-dohane ijy ka handefa an'ijay ao agnaty afo ijay ao ambanin'ny sorogna ho fagnati-pihavagnana. 19 Ôka hangala ny soroky ny ondrilahy mangotrake, singa-mofo tsy misy lalovay ao amin'ny tanty, ary mofo manify tsy misy lalovay raike ny mpisorogna. Ôka hametraka an'io eo an-tagnan'ny Nazirita ijy laha avy nibory ny lohane hanehoana ny fitokagnane ijy. 20 Ny mpisorogna die ôka hagnaraviravy an'io ho fagnatitra eo agnatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorogna, miaraka amin'ny tratra ijay naraviravy sy ny fe ijay nomena hôn'ny mpisorogna. Afaran'ijay, die afaka minogna dovay ilay Nazirita. 21 Ijay ny lalàna hôn'ny Nazirita ijy mivoady hitondra ny fagnatitrane hôn'i Yaveh hôn'ny fitokagnane. Na ino na ino mety omene, die ôka hitandrigna ny adidin'ny voady namboarine ijy, mba hitagna ny fampagnantenana vorianin'ny lalàna hôn'ny Nazirita."' 22 Nijaka tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy: 23 "Mivoriana amin'i Arona sy ny janagne lahy. Jakay hoe: "Tsofinareo rano amin'ijao fomba ijao ny fokon'olon'Israely. Vorianinao amin-dreo hoe: 24 'Hagnampy anao sy hiaro anao anie Yaveh. 25 Hampamirapiratra ny tavagne aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh. 26 Hijaha anao amim-pakasitrahana sady hagnome fiadanana anao anie Yaveh."' 27 Amin'ijay fomba ijay ny tsy mentsy hametrahan-dreo ny agnarako eo amin'ny fokon'olon'Israely. Die hagnampy an-dreo Iaho."