Toko faha 15

1 Amin'ijao fotôgna ijao mampatsiahy anareo iaho, ry rahalahy, ny amin'ny filajantsara ijay nijakaiko taminareo, ijay niresinareo sy ijay itsangananareo. 2 Amin'ny alalan'ijane filajantsara ijane no havôvonjy anareo, laha mitagna mahare amin'ny teny nitoriko taminareo anareo, laha tsy hoe ninonino fôgna. 3 Fa nomeko ho raha-makadiry vôlohane hônareo ijay vôraiko mandy koa: fa maty hôn'ny fahotantsena Kristy araka ny Soratra Masina, 4 ary nalevigna Ijy, ary Ijy die natsangagna tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina. 5 Kristy die niseho tamin'i Kefasy, ary avy teo tamin'ireo rômbifolo; 6 avy teo die niseho indraike mandeha tamin'ireo rahalahy mihôtra ny dimanjato Ijy. Mbola velogna ny ankabetsahan-dreo, fa ny saragne die efa mate. 7 Avy teo Ijy niseho tamin'i Jakoba, avy teo tamin'ireo apostoly abiaby. 8 Farane indrindra, die niseho tamin'ahe Ijy, hôtran'ny hoe tamin'ny jaja terake tsy ampy volagna. 9 Fa iaho no farane kitike amin'ireo apostoly. Iaho die tsy magneva ny angihina hoe apostoly satria nagnenjika ny fengonan'Andriamnitra iaho. 10 Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha hôtran'ijao an'ahe, ary tsy fôgna ny fahasoavane amin'ahe ato. Fa koja, niasa mahare loholoho ijy abiaby iaho. Nefa tsy iaho ijane, fa ny fahasoavan'Andriamanitra ijay miaraka amin'ahe. 11 Noho ijane na iaho ijane na areo, araka ny nitorianay die araka ijane no ninônareo. 12 Amin'ijao fotôgna laha natoro fa Kristy die natsangagna tamin'ny maty, akory no hafahan'ny saragne aminareo mivoria fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty? 13 Nefa laha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, die tsy natsangagna koa Kristy; 14 ary laha tsy natsangagna Kristy, die fôgna ny fitorianay, ary fôgna mandy koa ny finônareo. 15 Ka, die hita ho vavolombelogna diso momban'Andriamanitra ahay satria nijoro vavolombelogna nanohitre an'Andriamanitra, nijaka hoe natsangagne Kristy laha tsy nagnano ijane Ijy. 16 Laha tsy natsangagna ny maty, die na Kristy aja tsy natsangagna; 17 ary laha tsy natsangagna Kristy, die fôgna ny finônareo ary die mbola ao amin'ny fahotanareo anareo. 18 Ary ijay abiaby maty ao amin'i Kristy die efa very mandy koa. 19 Laha amin'itiky fiaignana itiky mandy no anagnantsena toky amin'ny ho avy ao amin'i Kristy, die antsena no tena mampalahelo amin'olo abiaby. 20 Fa amin'ijao fotôgna ijao die efa natsangagna tamin'ny maty Kristy, ilay vôloham-bokatr'ireo ijay maty. 21 Fa satria avy tamin'ny alalan'olo raike ny fahafatesana, die avy tamin'ny alalan'olo raike mandy koa no nevian'ny fitsanganana amin'ny maty. 22 Fa hôtran'ny nahafatesan'ny abiaby tao amin'i Adama, die ho velomina ao amin'i Kristy mandy koa ny abiaby. 23 Kanefa samby ao amin'ny filaharane manokagna ny kiraidraike: Kristy, ilay vôloham-bokatre, ary avy teo ireo ijay an'i Kristy die hatao velogna amin'ny feviane. 24 Avy teo die ho avy ny farane, laha homen'i Kristy hôn'Andriamanitra Iaba ny fanjakana. Ijane die laha hagnafôgna ny fitsipika abiaby sy ny fahefana abiaby ary ny hery Ijy. 25 Fa tsy mentsy manjaka Ijy mandra-pametrahane ny fahavalone abiaby ao ambanin'ny hongone. 26 Ny fahavalo farane haripake die ny fahafatesana. 27 Fa "Navelane teo ambanin'ny hongone aby ny raha abiaby." Fa vôlaja fa: "Ijy no nagnavela ny raha abiaby," die majava tsara fa tsy tafiditre ao agnatin'ijane ilay raike nagnavela ny raha abiaby hagneky ny tegnane. 28 Laha magneky an'Aje ny raha abiaby, die ny Janaka mihitsy no hagneke ilay raike ijay nampagneke ny raha abiaby hôn'Aje. Hiseho ijane mba ho abiaby ao amin'ny abiaby ny Andriamanitra Iaba. 29 Na koa ino no ilàna ireo ijay vita batisa hôn'ny maty? Laha tsy natsangagna mihitsy ny maty, nagnino areo no natao batisa hôn-dreo? 30 Nagnino are, antsena no ambava-loja isan-dera? 31 Miatrike fahafatesana isan'andro iaho! Ijane die ajo antoke hôtran'ny fisevosevoako ny aminareo, ijay ajoko ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsena. 32 Ino ny tombone ajoko, avy amin'ny fomba fijahan'olombelogna, laha niady tamin'ny biby tao Efesosy iaho, laha tsy natsangagna ny maty? "Ôka antsena hihinagna sy hisotro satria ho faty antsena ampitso." 33 Aja mety hifitahina hoe: "Manimba ny fisaignana tsara ny naman-dratsy." 34 Mandiniha! Miegna am-pahamarignana! Aja manohy magnota! Fa ny saragne aminareo die tsy managna fahalalana an'Andriamanitra. Mivoria ijane hômin'ny fahamegnaranareo iaho. 35 Fa ny olo raike hijaka hoe: "Aôna ny nananganana ny maty, ary amin'ny karajana vatagna ino no hevian-dreo?" 36 Tsy mahalala n'ino n'ino anareo! Ijay hafafinareo die tsy hanomboke hitombo laha tsy maty ijane. 37 Ijay nafafinareo die tsy ny vatagna ijay ho avy, fa vône fotsine. Ijane die mety hanjary vary na raha hafa. 38 Fa homen'Andriamanitra an'aje ny vatagna araka ijay safidine, ary samby amin'ny vatagne aby ny vône kiraidraike. 39 Tsy ny nofo abiaby no mitovy. Fa koja, raike ny nofon'olombelogna, die hafa ny nofon'ireo biby, ary nofo hafa nen'ireo vorogna, ary hafa nen'ny laokan-drano. 40 Misy mandy koa ireo vatagna agne an-dagnitre sy ireo vatagnan'ny etiky an-tany. Fa karajagne raike mandy ny voninahitry ny vatagna agne an-dagnitre ary hafa ny voninahitry ny etiky an-tany. 41 Raike ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volagna, ary voninahitra hafa nen'ireo kintagna. Fa ny kintagna raike miavake amin'ny kintagna raike hafa amin'ny voninahitre. 42 Hôtran'ijane koa ny fitsanganana amin'ny maty. Ijay afafy die mety simba, ary ijay atsangagna die tsy mety simba. 43 Afafy tamin'ny fahafaham-baraka ijane; die natsangagna am-boninahitre. Afafy tamin'ny fahalemena ijane; die natsangagna amin'ny hery. 44 Afafy amin'ny vatagna vôjagnahary ijane; die atsangagna ho vatagna ara-pagnahy. Laha misy vatagna vôjagnahary, die misy vatagna ara-pagnahy mandy koa. 45 Ary efa vôsoratra mandy koa fa: "Nanjary fagnahy velogna Adama ilay lelahy vôlohane." Ilay Adama farane die nanjary fagnahy magnome fiaignana. 46 Fa tsy ny ara-pagnahy no avy vôlohane fa ny vôjagnahary, ary avy teo ny ara-pagnahy. 47 Ny olo vôlohane die avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny bon-tany. Ny olo faharoe die avy agne an-dagnitre. 48 Hotran'ilay raike namboarina tamin'ny bon-tany, hôtran'ijane koa ilay olo agne an-dagnitre, hôtran'ijane mandy koa ireo ijay avy agne an-dagnitre. 49 Hôtran'ny nitondrantsena ny endrikan'ilay olon'ny bon-tany, die hitondra ny endrikan'ilay olon'ny lagnitre mandy koa antsena. 50 Ary ijao no vorianiko, ry rahalahy, fa ny nofo aman-drà die tsy afake ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ijay mety simba handova ijay tsy mety simba. 51 Indro! Raha-marina mivony no hivorianiko anareo hoe: "Tsy ho faty aby antsena abiaby, fa hovàna aby antsena abiaby. 52 Hiova antsena amin'ny fotôgna raike, ao agnatin'ny indraike mipi-maso, amin'ny trompetra farane. Hagneno ny trompetra, ary ireo maty die hitsangagna ho tsy mety lo, ary die hovàna antsena. 53 Fa itiky vatagna mety simba itiky die tsy mentsy hirakotre ijay tsy mety lo, ary itiky vatagna mety maty itiky die tsy mentsy hirakotre ny tsy fahafatesana. 54 Fa laha mirakotre ny tsy mety simba itiky vatagna mety simba itiky, ary laha mirakotra ny tsy fahafatesana itiky vatagna mety maty itiky, die ho avy amin'ilay jaka ijay vôsotra hoe: "Vôteligna tamin'ny fandesena ny fahafatesana." 55 "Ry fahafatesana, aja ny fandresenao? Ry fahafatesana, aja ny fanindrognanao?" 56 Ny ota no fanindrognan'ny fahafatesana, ary ny herin'ny ota die ny lalàna. 57 Fa isôrana Andriamanitra, ijay magnome antsena ny fandresena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsena! 58 Noho ijane, ry rahalahy malalako, mioregna tsara ary aja mihetsiketsike. Miroboroboa fehijay amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maigna ny asanareo ao amin'ny Tompo.