Toko faha 14

1 Mandrobeja fitiavana ary magnàna jotom-po amin'ny fagnomejam-panahy, indrindra fa ny mba haminanianareo. 2 Fa ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatre die tsy miresaka amin'ny olo fa amin'Andriamanitra. Fa tsy misy mahajo anajy satria miresaka java-miafigna ao amin'ny Fagnahy ijy. 3 Fa ijay maminany die miresaka amin'olo mba ho fampiorenana an'dreo, ho fampirisihana an'dreo, ary fampiononana an'dreo. 4 Ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra die magnorigna ny tegnany, fa ijay maminagny die magnorigna ny fengonana. 5 Ankehitriny die magniry anareo hijaka amin'ny fijaka tsy fantatra iaho. Fa mbola mihôtra noho ijany aja, magniry Iaho ny haminanianareo. Ijay maminagny die lehibe kokoa noho ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra (laha ho tsy hoe misy olo raike mandika teny ka mba mety hiorenan'ny fengonana). 6 Fa ankehitriny, ry rahalahy, laha tonga eo aminareo amin'ny fijaka tsy fantatra iaho, ino no tombon-tsoa omeko anareo amin'ijany? Tsy afaka iaho, raha tsy hoe miresaka aminareo amin'ny fagnambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampenarana. 7 Laha mamôka feo ny java-magneno tsy manan'aigna—hôtrany ny sodigna na lokanga—ary tsy mamôka lantom-peo samihafa ireo, ahôna no hahafantaran'olo ijay melodia avôkan'ny sodigna na ny lokanga? 8 Fa laha magnano feo hafahafa ny trompetra, ahôna no hahafaran'olo laha efa fotôgna homagnana amin'ny ady? 9 Ka hôtran'ijany mandy koa ny aminareo. Laha tsy majava ny teny alôky ny vavanareo, ahôna no hahafantaran'olo ijay nijakainareo? hijaka anareo, ary tsy hahajo anareo. 10 Misy fijaka maro samihafa eto amin'ijao tontolo ijao, ary tsy misy amin'io no tsy misy dikane. 11 Fa laha tsy mahafantatre ny dikan'ny fiteny raike iaho, die ho vahiny amin'ijay miteny, ary ijay mijaka ho vahiny aminahe. 12 Hôtrany ijany mandy koa ny aminareo. Satria magniry fatratre ny fihetsehan'ny Fagnahy anareo, die magnàna jotom-po mba hiroborobo amin'ny fagnorenana ny fengonana. 13 Noho ijany ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra die tokony hivavaka mba hafahany mandika teny. 14 Fa laha mivavaka amin'ny fijaka tsy fantatra Iaho, die mivavaha ny fagnahiko, fa ny sainko tsy mamoa. 15 Ino no tokony hataoko? Hivavaka amin'ny Fagnahiko iaho, fa hivavaka amin'ny sainko mandy koa. Hihira miaraka amin'ny Fagnahiko iaho, ary hihira miaraka amin'ny sainko mandy koa. 16 Laha tsy ijany, laha midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fagnahy anareo, ahôna no hijakan'ny vahiny hoe "Amena" laha efa magnome fisôrana anao raha hôtra ka tsy fantany ijay lajainao. 17 Fa anao die tena magnome fisôrana tsara mandy, fa ny olon-kafa tsy miorigna. 18 Misaotra an'Andriamanitra iaho fa mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra mihôtra noho anareo rehetre. 19 Saingy agny am-pengonana die aleoko mijaka teny dimy araka ny fahajôko mba hafahako mampianatre ny hafa, toy ijay teny iray aligna amin'ny fijaka tsy fantatra. 20 Ry rahalahy, aja mba jaja amin'ny fihevitrareo. Fa koja, laha amin'ny ratsy, die manôva hôtrany jaja. Fa amin'ny fihevitrareo die ôka ho matotra anareo. 21 Ao amin'ny lalàna die vôsoratra hoe: "Amin'ny alalan'ny olo hafa hijaka sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny die hiresaka amin'ny olo ito Iaho. Na die tsy haharegny Anahy aja areo," hoy ny Tompo. 22 Noho ijany ny fijaka tsy fantatra die famantarana, tsy amin'ny mpino, fa amin'ny tsy mpino. Fa ny faminanena koja die ho famantarana, tsy ho an'ny tsy mpino, fa ho an'ny mpino. 23 Noho ijany, raha hôtra ka, miara-miangogna ny fengonana rehetra ary mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra aby, ary miditre ny vahiny sy tsy mpino, tsy ho lajain'dreo fa môla ve anareo? 24 Fa laha naminagny aby anareo rehetre ka nisy tsy mpino na vahiny niditre, die ho resy lahatra amin'ijay rehetre regnine ijy. Ho tsaraina amin'ny alalan'ijay rehetra vôlaja ijy. 25 Hambara ny tsembaratelo ao am-pone. Vokatr'ijany, henkohoke ijy ary hitsaoka an'Anandriamanitra. Hagnambara ijy fa tena eo aminareo Andremanitra. 26 Ino ijany no magnarake, ry rahalahy? Laha efa tafaray anareo, ny tsiraidraike die managna salamo, fampenarana, fagnambarana, fijaka tsy fantatra, na fandikan-teny. Atôvy ny java-drehetra mba hagnorenanareo ny fengonana. 27 Laha misy mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra, avilao hisy roe na farafahabeny telo eo, ary mandeha tsiraidraike, avy teo die tokony hisy raike handika ny teny ijay vôlaja. 28 Fa laha tsy misy mpandika teny, avilao ny tsiraidraike amin'dreo hitajogna fahanginana ao am-pengonana. Avilao ny tsiraidraike hiresaka mitokagna amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra. 29 Abelao hijaka ny mpaminany roa na telo, ary abelao ny hafa hiheno amin'ny faheja-magnavaka ijay vôlaja. 30 Fa laha misy fahitana omena ijay mipetraka eo amin'ny fanompôna, abelao hangigna ny raike ijay nitene. 31 Fa ny tsiraidraike aminareo die afaka mifandimby maminagny mba hafahan'ny tsiraidraike mianatre ary mba hahery ny rehetre. 32 Fa ny fagnahin'ny mpaminagny die eo ambanin'ny fagnaraha-mason'ny mpaminagny. 33 Fa Andriamanitra die tsy Andrimanitry ny fikorontagnana, fa ny fiadagnana. Ijany no fitsipika ho an'ny fengonan'ny mpino rehetre. 34 Ny viavy die tokony hitajogna fahanginana ao am-pengonana. Satria tsy mahajo alalagna hijaka areo. Fa koja, tokony hagneky areo, hôtrany ny ambaran'ny lalàna. 35 Laha misy irian'dreo hianarana, abelao hagnotany ny vadiny agny an-dragno areo. Fa mahamegnatra ho an'ny viavy ny mijaka ao am-pengonana. 36 Avy aminareo ve no neven'ny tenin'Andriamanitra? Anareo rery ve no vôkasik'ijany? 37 Laha misy mieritreritre ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagnahy, die tokony hagneky ijy fa io raha ijay soratako aminareo die didin'ny Tompo. 38 Fa laha misy tsy magneky ijany, die aleo ijy tsy ho ekena. [Fagnamarihana: Ny ankamarôn'ny dikan-teny, ao agnatin'ijany ny ULB sy UDB, die mamaky hoe: "Fa laha misy tsy magneky ijany, die ôka tsy ho ekena ijy." Ny dikan-teny saragny taloha magnano hoe: "Fa laha misy tsy mahalala ijany, die ôka ijy hahalala ijany."] 39 Koa amin'ijany, ry rahalahy, magniria fatratra ny haminagny, ary aja mandrara an'ija n'ija hijaka amin'ny fijaka tsy fantatra. 40 Fa abelao ny java-drehetre atao araka ny tokony ho ijy sy am-pilaminana.