Toko faha 16

1 Ary mahakasika ny fagnangognam-bola hôn'ireo mpino, araka ny nagnatorôko lalagna ny fengonan'i Galatia, die hôtran'ijane koa no tokone hamboarinareo. 2 Amin'ny andro vôlohan'ny herignandro, die tokone hanokagna raha ny kiraidraike aminareo ary hagnampirigna ijany araka ijay vitanareo. Mamboara ijany mba tsy hisian'ny fagnangognam-bola laha avy iaho. 3 Laha avy iaho, n'ija n'ija akenareo, die alefako miaraka amin'ny taratasy mba hagnomejako ny fagnatitrareo hôn'i Jerosalema. 4 Laha ohatra ka mety amin'ahe mandy koa ny mandeha, die handeha hiaraka amin'ahe areo. 5 Fa ho avy agny aminareo iaho laha mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia iaho. 6 Mety afake hijanogna miaraka aminareo iaho na mandritra ny rirignina mihitsy aja, mba hafahanareo magnampy an'ahe amin'ny diako, na aja na aja andihanako. 7 Fa tsy magniry ny hahita anareo mandritra ny fotôgna fohike iaho jao. Fa magnantegna ny hitoboke elaela miaraka aminareo, laha avelan'ny Tompo. 8 Fa hijanogna ao Efesôsy iaho mandra-pevian'ny Pantekônty, 9 fa efa varavaragna malalake no nivoha hôn'ahe, ary misy fahavalo rahabe. 10 Ary laha avy Timoty, die ejaho mba tsy hatahotre ijy miarake aminareo, fa magnano ny asan'ny Tompo ijy, hôtran'ny amboariko. 11 Aja avela hisy olo hagnano tsinotsino an'aje. Ampio ijy amin'ny làlagnane amin'ny fedagnana, mba hafahane megneo amin'ahe. Fa magnantena an'ajy mba ho avy hiaraka amin'ireo rahalahy iaho. 12 Ary mahakasika an'i Apolosy rahalahintsena, die nandrisike an'ajy mahare iaho mba hamangy anareo miaraka amin'ireo rahalahy. Fa mbola tsy vognona tanteraka ny ho avy ijy ijao. Na ijany aja, ho avy ijy laha mety ny fotôgna. 13 Membena, mijoroa tsara amin'ny finôna, mesà hôtran'ny lelahy, mahereja. 14 Ôka hamboarina am-pitiavana ijay amboarinao abiaby. 15 Fantatrareo ny fianakavian'i Stefanasy, fa areo no niova fo vôlohane tao Asaia, ary areo nametrake ny tegnan-dreo hômin'ny fanompôna ireo mpino. Ary mandrisike anareo iaho, ry rahalahy, 16 mba hagneky ny olo hôtran'ijane sy amin'ny olo abiaby ijay magnampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay. 17 Mifaly amin'ny fevian'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy iaho. Nameno ny tsy naha-teo anareo areo. 18 Fa namelombelogna ny fagnahiko sy nenareo areo. Ka noho ijane, fantaro ny olo hôtran'ijane. 19 Ireo fengonan'i Asia die magnano veloma anareo. Akila sy Pristila magnano veloma anareo ao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fengonana ijay ao amin'ny fonegnan-dreo. 20 Ny rahalahy abiaby magnano veloma anareo. Mifanôva veloma amin'ny oroka masina. 21 Iaho, Paoly, manoratre itiky amin'ny tagnako. 22 Laha misy olo tsy tia ny Tompo, enga anie mba ho vôfatre ijy. Ho avy, ny Tompontsena! 23 Hôminareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Tompo. 24 Hôminareo abiaby ny fitivako ao amin'i Jesôsy Kristy. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die magnampy hoe: ''Amena.'' Fa ny vaovao rahabe hafa, ao agnatin'ijane ny ULB sy ny UDB, die mangala ijane.]