Toko faha 8

1 Noho izany de tsisy fagnamelona intsony amin'izao fotoana zao ho an'ireo ze akao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ny fitsipikn'ny fanahin'ny fiainana akao amin'i Jososy Kristy no nagnafaka ana tamin'ny fitsipikin'ny fahotanasy ny fahafatesana. 3 Fa ze tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny falemenan'ny nofo de nataon'Andriamanitra. Nandefa ny Zanany la tokana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mbo ho fagnatitra ho an'ny ota,ary nagnameloka ny takao amin'ny nofo izy. 4 Nataony zany mbo ho tanteraka akao amitsika ny ra takin'ny lalàna, tsika ze mande tsy araka ny, fa araka ny Fanahy. 5 Reo ze miaigna araka nofo de mifantoka amin'ireo zavatry nofo, fa reo ze araka ny Fanahy de mifantoka amin'ireo zavatra ny Fanahy. 6 Satria ny fisaignana miorina amin'ny nofo de fahatesana, fa ny fisainana miorina amin'ny Fanahy kosa de fiainana sy fiadanana. 7 Ny fisaignana miorina de fandrafena eo agnatrehan'Andriamanitra, fa tsy mifagnaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra zany, no sady tsy hainy avy ny magnano an'zany. 8 Reo ze akao amin'ny nofo de tsy afaka ankasitran'Andriamanitra. 9 Nefa nareo de tsy akao amin'ny nofofa akao amin'ny Fanahy, raha akao aminareo marina ny Fanahin'Andriamanitra. Fa raha misy ôla tsy magnana ny Fanahin'i Kristy, de tsy an' Azy izy. 10 Ra akao aminareo Kristy, de naty nohon' ny fahotana ny vatagna, fa ny fanahy de velona nohon'ny fahamarinana. 11 Ra ny Fanahin'le nanagnana an'i Jesosy tamin'ny maty no velona akao aminareo de Izy ze nanagnana an'i Kristy tamin;ny maty no hanome fiainana ihany ko ho an'ny tenanareo ze mety maty amin'ny alalan'ny Fanahiny, ze velona akao aminareo. 12 No izany, ry rala, de mpitrosa tsike fa tsy akao amin'ny nofo mbo hiaigna araka ny nofo. 13 Fa raha miaigna araka ny nofo anareo, de ho foaty,fa raha amin'ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tegna de ho velona anareo. 14 Fa ôtran'ny reo daôly voatariky ny Fanahin'Andriamanitra, zareo reo de Zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahin'ny fagnadevozana ndre anareo, ka matatra. Fa kosa, nadray ny Fanahin'ny fanangana-janaka anareo, ze agnatsovatsovantsika hoe:'' Aba Ray ô!'' 16 Ny fanahy mintsy no vavolombelogna amin'ny fanahintsika fa zanak' Andriamanitra isika. 17 Ra zanaka tsika de mpandova iany kô, mpandova an'Andriamanitra, Ary mpiray lova ao amin'i Kristy tsika. Ra tegna mijaly miaraka amin'Azy tokotra tsika de amena voninahitra miaraka amin'Azy kô. 18 Fa ataoko fa reo fijalena am'zao fotôna zao de tsy mendrika ampitoviana am'le voninahitra aseo amintsika. 19 Fa ny voary da magnantena lôtra de mandigny ny fampiseona reo zanak'Andriamanitra. 20 Fa ny voary de natao ho zava-pôgna tsy noho ny sitrapony manokana fa noho le nagnano an'zany. Zany de akao am'le toky namena, 21 fa reo voary mintsy no alana amin'ny fagnandevozan'ny falovana ary hitondra aigny amin'ny faafana amin'ny voninahitr'i ny Zanak'Andriamanitra zany. 22 Fa fantatsika fa no voary daôly de miara-misento sy miara-miasa akao agnatin'ny fanaintaignana na am'zao fotôna zao aza. 23 Tsy zany fogna, fa na ny tegnantsika aza, ze managna ny vôlom-bokatry ny fanahy na ny tegnantisika aza de misento akao agnatintsika mandigny ny fananganana antsika ho zanaka, de ny fagnavotana ny tegnantiksa. 24 Fa tam'zany toky zany no namonjena antsika fa ze atokisantsika fa hitranga de mbôla tsita, fa iza no mandigny am-patokina ze efa hitany? 25 Fa ra matoky am'ze mbôla tsy hitantsika tsika de mandigny an'zany am-paharetana. 26 Ötran'zany kô, ny fanahy der magnampy akao amin'ny fahalementsika, fa tsika tsy malala ze vavaka tokony ataontsika, fa ny fanahy mintsy no mifona ho antsika amin'ny fisentoana tsy hay tenenina. 27 Izy ze mandinika ny fo no nafantatra ny dikan'ny Fanahy, satria Izy no nifona ho an'ny mpino araka ny sitrapon'Andriamanitra. 28 Fantatsika fa ho an'reo ze te an'Andriamanitra, de miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara avokoa ny za dahôly. Fagnamarihana: Ra tokony hoe: Niaraka ampiasain'ny ho amin'ny tsara avokoa ny daôly) ra tokony hoe: Miaraka ampiasainy amin'ny tsara avokoa ny ra daôly, de ny dikan-teny sasagny talô magnano hoe: Ny ra daôly de miaraka miasa ho amin'ny tsara) ho an'reo ze voantso araka ny fandaharany. 29 Satria reo ze fantany mialô, de nitindreny mialô iany kô mbo hitovy endrika amin'ny Zanany mbo lamatoa,de ze nantsoviny iany koa, 30 Reo ze nantsoviny de namarininy kô, reo ze namarininy de nomeny voninahitra kô. 31 ino ary no tokony hotenenintsika momba reo ra reo? Ra momba antsika Andriamanitra, iza no mampatatra antsika. 32 Izy ze tsy niaro ny Lanany Là tokana nanolotra Anazy ho antsika daôly akôry no tsy hagnomezanyy antsika maimaim-poagna niaraka Aminazy ny ra daôly iany kô. 33 Iza no hitondra fiampangana hanohitra ireo olom-boafidin'Andriamanitra. Andriamanitra no le Raika ze magnamarina ananjy.? 34 Iza no le raika hagnameloka? Kristy no le raika ho antsika, ary miôtra an'izany, nitsangan iany kô Izy Manapaka miaraka amin'Andriamanitra 35 Iza no hampisaraka amtsika amin'ny fitiavan'i Kristy.? Fahorena, se fijalena, se fangnenjena, se hanoagnana se fitanjahana se loza se sabatra. 36 Araka ny voasoratra hoe: Noho anao de vôvono andro lava zahay. Noraisinay toy ny ondry ho vonoina zahay. 37 Akao agnati'zany ra daôly zany de manôtra noho ny mpandresy zahay amin'ny alalan'le te anay. 38 Fa resy lahatra za fa na ny fahafatesana na ny fiaignana, na reo anjely na reo fanjakana, na reo ra amin'zao fotoagna zao, na reo ra ho avy, na reo hery, 39 na ny ambo na ny laligna, na zava-boary hafa, de tsy hampisaraka antsika amin'ny fitiavan' Andriamanitra, ze akao amin'i Krosty Jesôsy Tompontsika.