Toko faha 7

1 Sa tsy fantatreo, ry ralà ( sattria miresaka amin'ôla mahay ny momba ny lalàna zà), fa ny lalàna de mibaiko ny ôla raiky ra mbôla velogna kô izy? 2 Fa ny vevavy ze manam-bady de vôfatotry ny lalàna amin'ny vadiny ra mbôla velona izy, fa ra maty le vadiny, de afaka amin'ny lalàn'ny fanambadena izy. 3 Noho zany, ra mbôla velona ny vadiny, ra tô ka miray amin'ny leila hafa izy, de ho antsovina hoe mpijangajanga izy. Fa ra maty le vadiny, de afaka amin'ny lalàna izy, tsy mpijangajanga izy ra ôatra ka miray amina leila hafa. 4 Noho izany , ry ralaiko, de natao maty tamin'ny lalàna iany ko ianareo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. Natao zany mbô hitambaranareo amin'ny sasagny, zany hoe, amin'Izy ze natsangana tamin'ny maty, mbô hafantsika mamokatra ny vô ho an' Andriamanitra. 5 Fa tamintsika takao amin'ny nofo,reo filan'ny fahotana, ze nohetsehin'ny lalàna,de niasa takao am'reo rantsantsika mbô hamokatra vô ho an'ny fahafatesana. 6 Fa ami'zao fotôna zao de nafahana tamin'ny lalàna tsika. Maty tam'le namatotra antsika tsika. Zany de mbô afahantsika manompo amin'ny fanavaozam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahantetan'ny soratra. 7 Ino àry no hotaravintsika? Ny lalàna mihintsy va no fahotana? Tsy hisy mintsy ane zany. Nefa, tsy ho nafantatra ny fahotana mihisty za, ra tsy tamin'ny alalan'ny lalàna zany. Fa tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana za ra tsy niteny ny lalàna hoe: "Aza mitsiriritra". 8 Fa naka vahana tamin'ny didy ny fahotana ka nahatonga ny fitsiriritana daôly akato amina. Fa ra tsisy ny lalàna de maty ny ota. 9 Talô za de velona tsisy lalàna,fa rafa tônga ny didy, de velona ndre ny ôta ka maty za. 10 Ny didy tokony hitondra fiaignana no nivadika ho fahafatesana ho ana. 11 Fa ny fahotana de naka vahana tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka ana. Tamin'ny alalan'ny didy no namonôny ana. 12 No zany ny lalàna de masina; ary ny didy masina,marina, ary tsara. 13 Ka mo va nivadika fahafatesana ho ana ze tsara? Tsy hisy mihitsy ane zany. Fa ny ota, mbô hahafahany mitranga ho fahotana amin'ny alalan'ze tsara, de nitondra fahafatesana tamina. Zany de mbô ho amin'ny alalan'ny didy, fa ny fahotana de manjary ho tonga tegna fahotana tokôtrany. 14 Fa fantatsika fa ara-panahy ny lalàna, fa zà avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fagnandevozan'ny ota zà. 15 Fa ny ra ataoko, de tsy tegna azoko tsara. Satria ze teko atao, de tsy ataoko, ary ze halako,de ataoko. 16 Fa ra magnano ze tsy teko aho,de miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna. 17 Fa am'zao fotôna zao de tsy zà tsony no magnano an'zany; fa ny fahotana ze velogna akato agnatiko. 18 Fa haiko fa akato aminà, ze kato amin'ny nofoko, dia tsy misy ra tsara miaigna. Fa ny fanirena sy tsara de akato aminà, saingy tsy afa-magnano an'zany zà 19 Fa ny tsara ze deko de tsy ataoko, fa ny ratsy ze tsy teko, no ataoko? 20 Ary ra magnano ze tsy tiko atao zà, de tsy zà tsony no miasa an'zany, fa kôsany ny fahotana ze miaigna akato aminà. 21 Ary, zà de nahit, ny fitsipika akato aminâ fa te hagnano ze tsara zà, saingy ny ratsy no akato aminâ zao. 22 Fa mifalifaly ao amin'ny lalan'Andriamanitra zà amin'ny fanahy maha-ôla. 23 Kanefa mahatsikarika fitsipika iray hafa akao amin'ny tegnako zà. Zany de miady amin'zany fitsipika vaovao akao an-tsaiko zan. Mihazogna anà ho babon'ny fitsipika ze momba ny tegnako zany. 24 Ölo-mahanatra zà! Iza no hagnafaka anà amin'ity tegnan'ny fahafatesagna ty? 25 Fa isaorana Andrimanitra amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika! Noho zany, zà tegnako de manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na de zany aza, de manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofo zà.