Toko faha 6

1 Ino àry no koragnintsika? Tokony hanohy hagnano fahotabna ma sika mbô hiabetsahan'ny fahasoavana.? 2 tsi mintsy ane zany, isika ze maty amin'ny ota, amin'ny fômba manakôry ma no mbôla hiaignantsika amin'zany. 3 Tsy hainareo ma fa reo daôly nataoa Batisa takao amin'i Kristy Jesôsy de natao Batisa takao amin'ny fahafatesana.? 4 Ka vôlevina niaraka Tamin'Azy niaraka tamin'ny Batisa hoo amin'ny fahafatesagna isika. Nitranga zany mbô ho salan'ny nanganana an'i Kisty tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao iany kô. 5 Fa ra mikambana ami'Azy amin'ny endriky ny fahafatesana isika, de hikambagna amin'ny fitsangagnany iany kô. 6 Hai,tsika zany , fa ny tegnantsika talô de nofantsena biaraka tamin'Azy, mba hagnapotena ny tegnan'ny ota. Nitranga zany mbô tsy ho andevon'ny ota tsony tsika. 7 Izy ze maty de nambara fa marigna sady afaka amin'ny fahotana 8 Fa ra niaraka tamin'i Kristy tsika, de mino fa hiara-belogna Amin'Azy iany kô.! 9 Tsika de mahafantatra fa nitsanga tami'ny maty Kristy, ary 10 Fa ra ny momba ny fahafatesagna de maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indre mande ho an'ny daôly Izy. Kanefa, ny fiainana ze hiagnany de iaignany ho an'Andriamanitra. 11 De ôtran'zany,tsy maintsy mihevitra ny tegnanareo ho efa maty amin'ny fahotana iany ô anareo, fa velogna ho an'Andriamanitra akao amin'i Kristy Jesôsy. 12 Non'izany aza avela hanjaka akao amin'ny tegnanareo manjary maty ny ota mbô hagnaranareo ny filàn-drasy. 13 Aza amena ny fahotana ny momba ny tegnareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarignana. Ary ameo ho An'Andriamanitra ny tegnareo sala reo maty Fa velogna ankehitriny.ary ameo an'Andriamanitra ny momba ny tegnareo mbô fitaovana ampiasaina amin'nny famarignana. 14 Aza avela anjaka aminareo ny ota.Satria tsy ambanin'ny lalàna anareo, fa ambanin'ny fahasoavana. 15 Ka ino àry? Tokony hanota va tsika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambany fahasoavana? Tsisy mintsy ane zany. 16 Tsy hainareo va fa le raika ze anoloranareo ny tegnanareo ho mpanompo de le raika ze hankatoavinareo, de le tsy maintsy ankatoavinareo? Marina zany na mpanompon'ny fahotana ze misarika aigny amin'ny fafatesana anareo, na mpanompony fankatoavana ze misarika akaigny amin'ny fahamarinana. 17 Fa isaorana Andriamanitra! satria efa mpanompon'ny fahotana anareo, kanefa nankatò takao am-ponareo ny fomba fampenarana ze namena an'nareo. 18 Nafahana tamin'ny ôta anareo, ary natao mpanompon'ny famarignana. 19 Mitare ôtran'ny ôla zà noho ny falemen'ny nofonareo, satria raha vô nanolotra ny momba tegnareo ho andevon'ny falotona sy ny ratsy anareo,de ôtran'izany kô de zao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny momba ny tegnanareo. 20 Fa taminaeo andevon'ny ota, de afaka tamin'ny fahamarignana. 21 Amin'izao,ino àry no vokatra azonareo tamin'ireo ra ze mamegnatra anareo ami'zao fotôna zao? satria ny vokatr'ireny ra regny de ny fahafatesana. 22 Fa amin'izao fotôna zao rafa nalana tamin'ny ôta anareo ary tônga mpanompon'Andriamanitra, de mijinja ny fahamarignana. Ny vokatra de ny fiaignana mandrakizay. 23 Fa ny tambin'ny ota kosa de fahafatesagna, fa ny fagnome zanan'Andriamanitra kosa de ny fiaignana mandrakizay akao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika.