Toko faha 9

1 Milaza ny marigna akao amin'i Kristy za, tsy mandainga zà, ary ny eritrereitro no vavolombelona miaraka aminà akao amin'ny Fanahy Masina, 2 fa ho anà de misy alahelo gedabe ary fahorena tsy mijanona akato am-poko. 3 Fa afaka nagniry zà fa zà tegnako de ho vôozogna ka hiataka amin'i Kristy noho ny amin'reo ralako, reo ze raika firazanana aminà araka ny nofo. 4 Zareo de Israelita? Zareo de managna fananganana, ny voninahitra, reo fankatoavana, ny fagnomezan'ny lalàna, ny fideran'Andriamanitra, ary reo fampagnantegnana. 5 Ny an'jareo de reo razagna ze natonga an' i kristy ho tonga nofo, Izy ze Andriamanitra ambonin'ny daôly. Ho deraina mandrakizay ane Izy. Amena. 6 Fa tsy fogna reo ze nampagnantegnain'Andriamanitra. Fa tsy izay daôly avy aignt Isarely no tegna an'Isarely. 7 Na reo tarank'i Abrahama daôly no tegna zanagny . Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hiantsoany reo taranakao." 8 Zany hoe, reo zanaky ny nofo de tsy zanak'Andriamanitra. Fa reo zanaky ny fampagnantegnana no raisina ho taranaka. 9 Fa ôtran'zao no tenin'ny fampagnantegnana: "Amin'zany fotôna zany de ho avy Za, ary homena zazalà Saraha." 10 Tsy zany iany, fa avy akeo kô Rebeka hanagn'anaka amin'ny leilà raika, Isaka raintsika_ 11 fa mbôla tsy teraka avy reo zaza ary mbôla tsy nagnano ra tsara na ratsy, mba ho tô ny tanjon'Andiamanitra araka ny fisafidianana, tsy nony reo asa, fa non'Izy ze magnantso_ 12 nambara tamin'dravevavy hoe: "Ny zokiny de hanompo ny zandriny." 13 Zany de ôtrany ze vôsoratra hoe: "Jakoba teko, fa Esao halako." 14 Ino ary no ho koragnontsika? Misy tsy famarinana ma miaraka amin'Andriamanitra? 15 Tsisy mintsy ane zany. Fa ozy Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'ze teko hamindrana fo Za, ary hangoraka 'reo ze teko hangorana Za." 16 Non'zany ary, de tsy non'izy mikasa zany,na non'izy ze mihazakazaka, fa nony Andriamanitra, ze nampiariary ny famindram-po. 17 Fa ny Soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa non'zany antony zany no nagnandratako anao, mba hampiseko aminao ny heriko, ary mba hagnambarana ny agnarako eran-tany." 18 Non'zany, Andriamanitra de mamindra fo amin'ze tiny, ary ze tiny, no ho hamafisiny fo. 19 Avy akeo hilaza aminà nareo hoe: "Naôna no mbôla mahita tsiny foagna Izy?" Fa iza no mahatohitra ny sitrapony? 20 Mifanotra amin'zany, raleila, iza ma enao no mamaly manotra an'Andriamanitra? Moa zay efa novolalaigna hilaza amin'ny mpamolavola zany hoe: "Naôna no nataognao ôtra'zao za?" 21 Moa ny mpanefy vilany tsy magnana zo amin'ny tanimanga ka ny vongana raika iany no hanamboarana fitoerana amin'ny andro voatokagna, ary fitoerana raika hafa amin'ny andavanandro? 22 Aôna raha Andriamanitra, ze te-ampiseo ny fahatezerany sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetagna reo fitoeran'ny fahatezeragna nomanina ho amin'ny fasimbaina? 23 Aôna rafa nataogny zany mba hampahafantarany haren'ny voninahiny akeo amin'reo fitoeran'ny famindram-po efa nomagniny mialô ho amin'ny voninahitra? 24 Aôna rafa nataogny ho antsika kô zany, zay nantsoigny iany kô, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy iany, fa ho eo amin'ny samy Jiosy iany, fa ho eo amin'reo Jentilisa iany kô? 25 Araka ze nolazaigny takao amin'i Hosea iany kô hoe: "Hantoiko hoe ôloko zay tsy ôloko, ary hoe malalany le tsy malala. 26 Avy akeo de aigny amin'zay nilazàna tamin'jareo hoe: "Tsy ôloko nareo," akeny no hiantsoana azy reo hoe: "zanak'Andriamanitra velona." 27 Isaia nagnatso mafy ny amin'ny Isiraely hoe: "Raha ôtrany fasika akaigny amin'ny ranomasina ny isan'ny zanak'Isiraely, de ho vôvonjy ze sisa tavela, 28 fa ny Tompo hitondra ny teniny aketo an-tany, feno ary tsy ho ela." 29 Araka ny nolazain'Isaia talô hoe: "Rafa ny Tompo tompon'ny maro no tsy namela taranaka ho antsika, de ho ôtrany an'i Sodoma tsika, ary lasa ôtran'i Gomora." 30 Ino ary no hokorantsika? Fa reo Jentilisa, zay tsy nikaraka ny famarinana, no nahazo ny famarinana, ze famarinana avy tamin'ny finona. 31 Fa Isiraely, ze nitady ny lalàn'ny famarinana, de tsy tonga tamin'zany. 32 Manakory ma? Satria zareo tsy nikaraka 'zany tamin'ny finona, fa tamin'ny asa. Tafitoina ny vaton'ny fanafintohinana zareo, 33 araka zay efa vôsoratra hoe: "Jereo, akao Ziona no ametrako ny vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Ze mino zany de tsy ho megnatra."