Toko faha 3

1 Ka ino ary zany no tombotsô anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombontson'ny famoràna? 2 Tsara zany amin'ny fomba rehetra. Vôlôny ndrindra, reo Jiosy de nagnakignana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra. 3 Fa manakôry raha tsy nanam-pinona reo Jiosy sasagny? Ny tsy finon'jareo ma no ahantonga ny fahatokin'Andriamanitra tsy ho tanteraka? 4 Tsisy mintsy ane zany. Fa kosa, avelao ho hita fa marina Andriamanitra, na de mpandainga, aza ny ôla tsiraikaraika. Araka ny voasoratra hoe: "Ho aseho amin'ny koragnanareo fa olo-marina anareo, ary aseho rafa tonga amin'ny fitsarana anareo." 5 Fa raha tô ny tsy famarinantsika no maneho ny famarinan'Andriamanitra, ino ny azontsika hambara? Afaka milaza ma tsika fa tsy marina Andriamanitra amin'ny famoany ny fasoseny amintsika, sa tsy zany? (Mampiasa ny lahatenin'olombelona za.) 6 Tsisy mintsy ane zany! Satria amin'ny fomba manakôry ary no hitsaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao? 7 Fa raha tô ny famarinan'Andriamanitra ka magnome fiderana betsaka ho an'Azy amin'ny alalan'ny laingako,de nagnino ary za no mbola tsaraina ho mpanota? 8 Fa nagnino no tsy taraviny, araka ny tatitra diso ze lazaina fa tenenintsika, ary kô arakin'ny hamafin'ny sasagny fa notaravintsika hoe: "Avelao zahay hagnano ratsy, mba hiavian'ny tsara"? Rariny ny fitsarana atao amin'jareo. 9 Ka ino ary? Magnome rariny ny tegnantsika ma atsika? Tsy zany mintsy. Fa tsika de efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, izy rehetra, ho mpanota. 10 Zany de araka ny vôsoratra hoe: "Tsisy ôlo-marina, na de raika aza. 11 Tsisy na raika aza mafantatra. Tsisy na raika aza mikaraka an'Andriamanitra. 12 Lasa tsisy ilàna an'azy rehetra. Tsisy mba magnano ny tsara, tsisy, na de raika monja aza. 13 Ny tendan'jareo de fasana misokatra. Ny lelan'jareo de mamitaka. Ny poizin'reo bibilava de akao ambanin'ny molotry zareo. 14 Ny vavan'jareo de feno ozogna sy lolom-po. 15 Ny tongon'jareo de havanana amin'ny fandatsan-drà. 16 Ny fanimbana sy ny fijalina de eigny amin'ny lalan'jareo. 17 Ireigny ôla reigny de tsy nahay ny lalan'ny fiadanana. 18 Tsy mba misy tatra an'Andriamanitra akeo agnolôn'ny mason'jareo. 19 Ankehitriny de fantatsika fa na ino na ino lazain'ny lalàna, de miantefa aigny amin'reo ze ambany lalàla. 'Zany de mba ahatonga ny vavan'ny tsiraikarika hangina ary mba hahazo valiny avy any amin'Andriamanitra izao tontolo izao. 20 Zany de satria tsisy nofo hamarinina amin' ny asan'ny lalàna akeo amasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hiaven'ny falalana ny fahotana. 21 Fa ankehitriny de nampifantarina iany kô ny famarinan'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Noporofoin'ny lalàna sy reo mpaminagny, 22 fa zany, no famarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finona an'i Jesosy Kristy ho an'ze daôly mino. Satria tsy misy fagnavana. 23 Fa nanota ny ôla daôly ka tsy managna ny voninatr'Andriamanitra, 24 ary zareo de hamarinina maimaimpôgna amin'ny fahasoavany amin'ny alalan'ny fagnavotana ze akao amin'i Kristy Jesosy. 25 Fa Andriamanitra nagnome an'i Kristy Jesosy ho fagnatitra amin'ny alalan'ny finona ny ràny. Natolony ho porofon'ny famarinany Kristy, nony tsy fitazagnana ny ota taigny alô 26 amin'ny faharetany. Nitranga izany rehetra zany ho fampiariarina ny fahamarinany amin'zao fotôna ankehitriny izao. zany de mba hafahany magnaporofo fa marina ny tegnany,ary mba hanehoany fa Izy de magnamarina ny daôly non'ny finona an'i Jesosy. 27 Aiza ary zany ny firerehana? Vaofafa zany. Fa ino no antony? Amin'ny asa ma? Tsia, fa nony finona. 28 Manapa-kevitra zany tsika fa ny ôla raika de hamarinina araka ny finona tsisy 'reo asan'ny lalàna. 29 Sa Andriamanitry ny Jiosy rerika iany ma Andriamanitra? Mo ve tsy Andriamanitr'ireo Jentilisa kô Izy? Iôny, an'ny Jentilisa kô. 30 Raha, raika tokôtra Andriamanitra, de hamarininy amin'ny finona reo voafara. Ary reo tsy voafora kosa amin'ny alalan'ny finona. 31 Foagnantsika amin'ny alalan'ny finona ary ma zany ny lalàna? Tsisy mintsy ane zany! Fa kosa, makatô ny lalàna tsika.