Toko faha 2

1 Non'izany de tsy managna fialan-tsigny anao, ry ôla, anao ze mitsara, de magnano ab'reo iany kô, fa ze tsaranao ny hafa no agnamelohana ny tegnanao. 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra de araka ny marina rafa nametra aminjareo ze magnano ra ôtran'izany. 3 Fa hevero zao, ry ôl; anao ze mitsara reo ze magnano ra ôtran'ireo na de magnano ôtran'ireny kô aza anao. Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra va ianao. 4 sa hamaivagnknao ny haren'ny hatsaram-panahy, ny fandeferany,ary ny faelany? Tsy fantatrareo anga fa ny hatsaram-panahy de natao hitarika anao amin'ny fibebana? 5 Fa zany de ho amin'ny hagedan'ny hamafeny sy ny tsy fibebahan'ny fonareo no ananangonanareo fahasosena ho an'ny tegnanareo amin'ny andro fahasosena, zany de ny andron'ny fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6 Hamaly ny ôla dahôly amin'ny fatra mitovy amin'ireo nataony izy. 7 Hagnome araka ny fahelany, ny asa tsara mikaraka dera, voninahitra, ny tsy fahafatesagna, fiainana mandrakizay izy. 10 Fa dera, laza, ary fiadanana no avy amin'ireo ze magnano ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika kô. 11 Fa tsisy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. 12 Fa ze reetra nanota tsy nanana ny lalàna de ho very tsy manana ny lalàna iany kô, ary ze reetra nanota niaraka tamin'ny fagnajana ny lalàna de hotsaraina araka ny lalàna. 13 Fa tsy reo mpihaino ny lalàna no marina akeo, agnatrehan'Andriamanitra fa reo ze mampiagnatra ny lalàna no ho hamarinina. 14 Fa reo Jentilisa ,ze tsy managna ny lalàna, rafa magno ra momba ny lalàna araka ny vôjagnahary,de zareo no lalàna ho an'ny tegnany, na de tsy magnana ny lalàna aza zareo. 15 Amin'zany no haneoan'jareo ny asa angatahin'ny lalàna de vôsoratra akao am-ponjareo. Ny fieritreretan-jareo iany kô de vavôlombelogna ho an'jareo ary ny fisaignan'jareo manôkana de, na manameloka na iaro anjareo amin'ny tegnan-jareo. 16 Ary kô amin' Andriamanitra reo tsiambaratelon'ôla daôly, araka ny filazantsara, amin'ny alalanny Jesôsy Kristy. 17 Fa ra to ka Joiosy no hagnantsôvanapo ny tegnanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin'Andriamnitra , 18 ary mahay ny sitrapony sy mamantatra ze ra tsara indrindra satria nampianarina tamin'ny lalàna anao. 19 Ary ra tô ka resy lahatyra anao fa ny tegnanao de mpitarika ny jamba,fahazavana ho an'ireo ze akao amin'ny haizigna, 20 mpanitsy ny adala, mpamianatra ny zazakely, anagnanao akao amin'ny lalàna ny endriky ny fahaizana sy ny marina, de aôna zany no fetraikan'zany amin'ny fômba hiaignanao ny fiaignanao? 21 Ary anao ze mampiagnatra reo sasagny, tsy mampiagnatra ny tegnanao ma nao?Anao ze mitory manoitra ny halatra, mangalatra ma anao? 22 Anao ze mitare fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga ma anao? Anao ze mankahala ny sampy, mandroba reo tempoly ma anao? 23 Anao ze faly mirehareha akao amin'ny lalàna, magnala baraka an'Andriamanitra ma anao amin'io fandikanao ny lalàna io? 24 Fa ny "Anaran'Andriamanitra de efa afa-baraka takeo amin'ireo Jentilisa noho nareo." 25 Fa mahazo tômbony amin'ny famorana tokôtra nareo ra to ka mankato ny lalàna, fa ra mandika ny lalàa anareo, de tonga tsy vôfora na de efa vôfora aza nareo. 26 Arak'zany, ra ôla tsy vôfora no mitandrina ze takin'ny lalàna, sty hatao ho isan'ny vôfora ma iazy na de tsy vôfora aza? 27 Ary tsy ho helohin'ilay raika ze tsy mifora ara-bônjagnahary ma anareo ra tô ka mitandrina ny lalàna izy? izany de satria magnana ny lalàna vôsoratra sy ny famorana anareo, nefa mbôla mandika ny lalàna! 28 Fa izy de Jjiosy amin'ny endrika ambelany fotsiny; na amin'ny famoran ze miseho aùin'ny endrika ambelan'ny nofo fôgna. 29 Fa izy de Jiosy akao agnaty, ary ny famorana ze an'ny fo akao amin'ny Fanahy, fa tsy akao amin'ny soratra. Ny fiderana ny ôla ôtran'zany de tsy avy amin'ny ôla fa avy amin'Andriamanitra.