Toko faha 4

1 Ino ary no hotaravintsika fa tazagn'i Abrahama, raintsika taigny alô araka ny nofo. 2 Fa ra nohamarigninna tamin'ny asa Abrahama, de nagnana antony hireharehana izy, nefa tsy eo anatrehan'Andriamanitra. 3 Fa ino ny koragnin'ny Soratra Masina? "Abrahama de nino an'Andriamanitra ary natao ho isan'ny fahamarinany izany." 4 Ary ho an'ze miasa, ny karamany de tsy isaina ho fahasoavana, fa ho tahaka ny trosa. 5 Fa ho an'ze tsy miasa kosa nefa mino an'Ilay iray ze magnamarina ny mpanôitra an' Andriamanitra, de isaina ho fahamarinana ny finoany. 6 Davida ihany kô de manognona tso-drano amin'ny ôla ze isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa. 7 Ozy izy hoe: " Sambatra reo ze vôvela ny helony, ary koa reo ze vôsargna ny ny fahotany. 8 Sambatra ze tsy hisain'ny Tompo heloka." 9 Amin'jareo voafora iany ve no hagnonônana an'zany tso-drano zany, sa ami'reo tsy voafora kô? Fa ozy tsika hoe: " Ny finoana de nisain'i Abrahama ho fahamarinana. 10 Ka aôna ary no nanisana an'zany? Tmin'ny Abrahama efa voafora ,sa tamin'izy tsgy mbôlla voafoara? Tys tamin'izy fa voafora fa tamin'izy mbôla tsy voafora. 11 Abrahama de nahazo ny famataran'ny famorana. Zany de mariky ny fahamarinan'ny finôna ze efa nanagnany ra mbôla tsy voafora izy. Ny setrin'zany famantarana zany de lasa rain'ze mino daôly izy, na de mbôla tsy voafora aza zareo. Midika zany fa ny fahamarignana de isaina ho an'jareo. 12 Nidika kô zany fa Abrahama de lasa rain'ny voafora tsy ho an'reo ze voafora rerika iany fa ho an'reo ze magnaraka ny den'ny finôn'i Abrahama raintsbika iany kô talôhan'ny tsy mbôla naha-voafora anazy. 13 Fa ny fampagnantenana tamin'i Abrahama sy reo taragnany fa ho mpandovan'zao tontolo zao izy de tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finôna. 14 Fa ra reo ze miaigna amin'ny lalàna no na mpandova, de ho fagna ny finôna, ary tsisy ilàna an'azy ny fampagnantenana. 15 Satria ny didy de mitôndra amin'ny fahatezeragna, fa aigny am'ze tsisy lalàna, de misy fandikan-dalàna. 16 Noho zany antony zany de mitranga amin'ny finôna zany, mba hitôran'ny fampagnantenana amin'ny fahasoavana ary ho azo antoka amin'reo taranak'i Abrahama reetra_tsy ho an'reo ze ambany lalàna iany, fa ho an'reo ze mizara ny finôn'i Abrahama iany kô. Raintsika reetra izy, 17 araka ny vôsoratra: " Nataoko ho rain'ny firenena maro enao. " Takeo amin'ny fagnatrehan'Ilay nitokiany Abrahama, de Andriamanitra zany, ze nagnome fiaignana reo maty ary magnantso reo ze tsy mbôla misy mbô hisy. 18 Na de takeo aza reo zava-gnitranga takaigny ambelany, de natoky tanteraka an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka tônga rain'ny firenenana maro izy, araka ze efa vôlaza hoe: " Ho sahala am'zany ny taranakao". 19 Tsy navozo tamin'ny finôna izy. Hain'i Abrahama fa tsy afaka ny hanan-taranaka izy ( satria efa eo amin'ny zato taogna teo ho eo izy). Nagneky iany kô izy fa ny kibon'i Saraha de tsy afaka ny hitondra vohoka tsony. 20 Nefa noho ny fampantegnan'Andriamanitra, de tsy nitaredretra tamin'ny tsy finôna i Abrahama. Fa kôsany,niha-natanjaka tamin'ny finôna izy ary nidea an'Andriamanitra. 21 Resy lahatra tantraka izy fa ze nampagnantenain'Andriamanitra, de azony ataony iany kô. 22 Noho zany de nisaiana ho an'azy ho fahamarignana zany. 23 Ary de tsy nosoratana ho n'ny tombotsoany raika iany zany, fa nisaina ho anazy zany. 24 Nosoratana ho antsika iany kô zany, ho an'ze hanisana an'zany, tsika ze minon Anazy ze nagnangana an'i jesôsy Tompontsika tamin'ny maty. 25 Izy le tokana natolotra noho reo fahotantsika ary novelomina mba hanamarina antsika.