Toko faha 14

1 Raiso na ze rehetra malemy amin'ny finôna, aza mitsara momba ny tohan-kevitra. 2 Ny ôla raika de magnana finôna hinana na ino na ino, fa ny raika, hafa ze malemy de tsy minana afa-tsy legioma. 3 Ôka ze minana ny ra daȏly tsy hagnamavo ze tsy minana. fa Andriamanitra efa nagneky an'azy. 4 Iza ma anao, anao ze mitsara ny mpiasan'ȏlon-kafa? akeo agnatrean'ny tompony izy no mitsangana na lavo, fa hatsangana izy, satria ny Tompo de afaka manangana an'azy 5 Ny ȏla raika de mihevitra fa misy ny andro tsara noho ny daȏly. Ny hafa kosa de mihevitra fa mitovy ny andro daȏly. Avelay ny tsiraikaraika ho resy lahatra araka ny saignany avy. 6 Ze matandrina ny andro, de mitandrina an'zany ho an'ny Tompo, ary ze minana de mināna ho an'ny Tompo; fa misaotra an'Andriamanitra izy. Fa ze tsy minana de mifady hanina ho an'ny Tompo, izy kȏ de misaotra an'Amdriamanitra. 7 Fa tsisy miaigna ho an'ny tegnany tsika,ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8 Fa ra miaina isika de miaigna hoan'ny Tompo, ary ra maty isika de maty ho an'ny Tompo. 9 Fa ho amin'zany antony zany no nahafatesan'i Kristy ary navelomany ndre, mbo hatonga Anazy ho sady Tompon'ny maty sy ho Tompon'ny velona 10 Fa anao, nagnino no mitsara ny ralanao? Ary anao nagnino anao mankahala ralanao? Fa tsika daȏly de mbola hitsagnana ho tsaraina eo agnolanan'ny seza fitsaran'Andriamanitra. 11 Fa efa voasoratra hoe: '' Ra mbola velona ko Za'' hoy ny Tompo,'' de hiforitra akeo agnolonako ny loalika daȏly, ary ny lela daȏly de hidera an'Andriamanitra.'' 12 Noho zany ary, tsika tsiraikaraika avy de hagnano filazana ny tegnany akeo amin'Andriamanitra. 13 Ka ȏka tsika tsy hifampitsara intsony, fa kosa hifagneky izao,mba tsy hametraka vato manafitona na fandrike ho an'ny ralay. 14 mafantatraa za ary resy latra ao amin'i Tompo Jesosy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. fa ho an'ze mandray na ino n aino ho tsy madio ihany, de tsy madio zany ho anazy. 15 Satria ra malaelo nohon'ny sakafo ny ralanao, de tsy mande am-pitiavana mitsy anao. Aza aratina nohon'ny amin'ny ahanina ze namoizan'i Kristy ny aignany. 16 Fa aza mamela ze heverinao ho tsara ho aratsina. 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra de tsy momba ny ahanina sy rano fisotro fa momba ny famarinana, fiadanana, ary fifalina ao aoamin'ny Fanahy Masina 18 Fa ze manompo an'i Kristy arak'izany de ankasitsan'Andriamanitra sy eken'ȏla. 19 Noho zany , aoka tsika hanohy reo zavatra ny fiadanana sy reo ra ze manefy ny tsiraikaraika 20 Aza aratina nohon'ny amin'ny ahanina ny asan'Andriamanitra, madio ny ra daȏly, kanefa ratsy ho an'ny ȏla ze minana an'azy ary matonga an'azy ho tafitona. 21 Tsara ny tsy omankana,na misotro divay na ny ra daȏly ze matafitona ny ralanao. 22 Ny finȏna anagnanao tahirizo akao aminnao sy Andriamanitra.Sambatra ze tsy magnameloka ny tegnany amin'ze ekeny. 23 Ze misalasala de meloke ra minana satria tsy tamin'ny finȏna zany. Ary na ino na no tsy avy amin'ny finȏna de fahotana.