Toko faha 13

1 Ôka fagnahy daôly hankatô reo magnam-pahefana agnambo, fa tsy misy fahefana ra tsy avy amin'Andriamanitra. Ary reo magnam-pahefana misy de efa voatendrin'Andriamanitra. 2 No zany ze manoitra zany fahefana zany de manoitra ny didin'Andriamanitra; ary reo ze manitra zany de ahazo fitsaràna amin'ny tegnan'jareo. 3 Satria reo mpanapaka de tsy fampitaôrana ho andreo asa tsara fa ho andreo asa ratsy. Magniry ny tsy hatatra ny raika ao amin'ny fahefana va nareo? Magnanôva ny tsara, de deraina amin'zany anao. 4 Fa izy de mpanompon'Andriamanitra ho anareo amin'ny tsara. Fa ra magnano ny ratsy anareo, de mataôra, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amign'antony izy. Fa izy de mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahasosena amin'le magnano ny ratsy. 5 No zany de tokony hankatô ianareo, tsy nohon'ny fahatezerana iany, fa nohon'ny fieritreretina ihany kô. 6 No zany de mandô hetra iany kô anareo. Fa mpanompon'Andriamanitra reo manam-pahefana, ze miadidy zany ra zany tsy ankiato. 7 Aloavy amin'ny tsiraikaraika ze tokony ho anjareo: mandoava etra amin'ze tokony andoavana anazy; mandoava fadin-tseranana amin'ze tokony andoavana anazy; mataôra an'ze takony ataôrana; magnajà an'ze mendrika izany. 8 Aza magnagna trosa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavana iany. Fa ze te ny magnondidigna anazy de na hatanteraka ny lalàna: 9 Betsaka reo didy: "Aza mangala-badin'ôla, aza mamono ôla, aza mangalatra, aza mitsiriritra," ary ra misy didy afa ankôtra reo kô, de vôfe amin'ty fehezanteny ty zany: "Tiavo ny namanao sala ny tegnanao." 10 Ny fitiavana de tsy mandratra ny magnodidina; no zany, ny fitiavana no fahatanteran'ny lalàna. 11 No zany, fantatrareo ny fotôna,fa efa fotôna hifoazanareo amin'ny toromaso sady zao. Fa amin'zao efa magnakeky no zay ninoantsika tamin'ny vôlony ny fanavotana antsika. 12 Mandroso ny alina, ary magnakeky ny andro. No zany anda harena reo asan'ny maizina, ary anda tsika hitafy ny fiadian'ny fahazavana. 13 Anda izotra amin'ny lalana mahitsy, sala ny amin'ny andro, fa tsy ôtran'reo firavoravona tsy am-paendrena na kô ny fahamamôna; ary anda tsy ande amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vôfe, ary tsy ho amin'ny fifanoerana na fialonana. 14 Fa mitafia an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza magnome hirika ho an'ny nofo, mba hagnomezana fahafam-po ny filàny