Toka faha 12

1 Mangataka anareo za nony zany, ry ralà, non'ireo famindram-pon'Andriamanitra mba hanolotra ny vatanareo ho sorogna velona, masina, eken'Andriamanitra. Zany no fanomponareo araka ny tokony ho izy. 2 Aza mitovy amin'zao tontolo zao, fa miovà amin'ny fagnavaozana ny saignanareo. Atôvo zao mba ho hainareo ze tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra. 3 Fa ambarako, nohon'ny fasoavana ze namena ana, ny tsy tokony hanagnan'ny daôly ze akeo aminareo eritreritra hagnambony ny tegnany mihôtra ze tokony ho eritreretiny. Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena zareo, ôtrany nagnomezan'Andriamanitra fatram-pinona ny tsiraikaraika avy. 4 Fa magnano rantsagna maro amin'ny vatantsika tsika, kanefa tsy mitovy avokoa ny asan'ireo rantsagna 'reo. 5 Mitovy amin'zany tsika ze maro be de vatagna raika iany akao amin'i Kristy, ary rantsagna manokana amin'ny tsiraikaraika. 6 Managna fagnomezam-pasoavana samy hafa isika araka ny fasoavana ze nomeny antsika. Raha faminagnina no fagnomezam-pasoavan'ny raika, de ôka atao araka ny haben'ny finony. 7 Raha fanompona no fagnomezam-pasoavan'ny raika, de ôka izy hanompo. Raha nisy raika nahazo fagnomezam-pasoavana hampianatra, ôka izy hampianatra. 8 Raha fampaherezagna no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka izy hampahery. Raha magnome no fagnomezam-pasoavan'ny raika,ôka izy hagnano zany amim-pahalala-tagnana. Raha hitarika no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka zany ho vita am-pitandremana. Raha hampiharihary fangoraham-po no fagnomezam-pasoavan'ny raika, ôka zany ho vita am-piravoravôna. 9 Ôka ny fitiavana tsisy fihatsaram-belatsihy. Ankalao ny ratsy; tano mafy ze tsara. Raha ny momba ny fitiavan'ny mpiralà, mifankatiava aminareo tsiraikaraika avy. 10 Raha ny momba ny fagnomezam-boninahitra, mifagnajà. 11 Ra ny momba ny fikirizagna, aza misalasala. Ra ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy Izy. Mifalia ao amin'ny fahatokiagna zay 12 hagnananao momba ny ho avy. 13 Mifampizara amin'zay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantranoagnao ô'la. 14 Misaora reo zay magnenjika anao; misaora ary aza magnozona. 15 Miara-mifaly amin'jareo zay mifaly; miara-mitomany amin'jareo zay mitomany. 16 Mitovia fisaignana amin'ny tsiraikaraika. Aza misaigna amin'ny fomba mirehareha, fa ekeo reo ô'la ambany. Aza mihevitra ny tegnanao ho hendry. 17 Aza mamaly ratsy ny ratsy. Magnaova ra tsara maro akeo imason'ny ô'la daôly. 18 Ra mety, araka zay azonao atao, mihavagna amin'ny ô'la daôly. 19 fa omeo lalana ny fahatezeragna Andriamanitra. Fa efa vaosoratra hoe: "Ahy ny vali-faty; Za no hamaly, hoy ny Tompo." Fa ra nôgna ny fahavalognao, omeo ho sotroigna izy. 20 Fa ra magnao zany enao,de hanangona vain'ofo akeo amin'ny lohany." 21 Aza magneky ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.