Toko faha 11

1 Ary nitare za, naren'Andriamanitra ma ny ôlony? Sagnatre ane zany. Fa za iany kô de Israelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina. 2 Andriamanitra de tsy nagnary ny ôlony, ze efa fantany takeo alô. Tsy fantatrareo ma ze vôlazan'ny Soratra Masina momba an'i Elia, de le fitaraignany tamin'Andriamanitra namely an'Israely? hoe: 3 Tompo, zareo de namono reo mpaminagninao, namotika ny alitaranao. Za raika sisa tavela, ary mifofo ny aignako zareo. 4 Fa ino no valin-teny nilazain'Andriamanitra an'azy? "Nanokana fito arivo lahy ho an'ny tegnany Za ze tsy nandoalika takeo amin'ny Bala. 5 De ôtrizany amin'zao ankehitriny izao iany kô de misy sisa iany nony fisafidianana amin'ny fahasoavana. 6 Fa ra avy amin'ny fahasoavana zany, de tsy avy amin'ny asa intsony. Fa ra zany de tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana. (Fagnamarihina: Ny antontan-taratasy sasagny talô de mivaky hoe: "Kanefa ra avy amin'reo asa izany, de tsy fahasoavana intsony; fa ra izany de tsy asa intsony ny asa.") 7 Ino ary? Ny ra ze nikaran'Isiraely, de tsy azony, fa ny vôfidy no nahazo izany, ary namafisina reo ambiny. 8 Zany de araka ny efa vôsoratra hoe: Andriamanitra de nagnome an'azy 'reo ny fagnahin'ny fitavozavozana, maso tsy haitan'jareo, ary sofina tsy handregnesan'jareo, mandraka gniany." 9 Ary ozy Davida hoe: "Ôka ny latabany ho harato sy fandrika, ho vato mamingana sy ho valifaty ho an'azy reo. 10 Ôka ny mason'jareo homaizigna mba tsy hatazagna, ary ôka hiondrika mandrakizay ny lakamosin'jareo". 11 De oza za hoe: "Mo ma tafitona reo mba ho lavo?" Sagnatre ane zany. Fa kosa, avy amin'ny fahavalon'jareo, no nahatongavan'ny famonjena takeo amin'reo Jentilisa, mba hampialona an'azy 'reo. 12 Ary raha ny fahavalon'jareo no haren'izao tontolo izao, ary raha ny fahaverezan'jareo no haren'reo Jentilisa, de magnano aona ny halehiben'ny fahatanterahan'jareo? 13 Fa ankehitriny de mikoragna aminareo Jentilisa za, ary raha mbôla apostolin'ireo Jentilisa za, de mankasitraka ny fanompoko. Angamba hampialona reo ze avy amin'ny nofoko manokana za. 14 Angamba hamonjy ny sasagny amin'jareo tsika. 15 Fa raha midika fampihavanan an'izao tontolo izao ny fandavana an'azy 'reo, de ino no handraisana an'azy 'reo izany fa fiaignana avy amin'ny fafatesana? 16 Raha vôtokona ny vokatra vôlôny, de ny ampany amin'ny kobam-bary kô. Raha vôtokany ny fakany, de ôtran'zany kô ny rantsagny 17 Fa raha notapana ny rantsana sasagny, ary raha anao, sampagna olivadia,no natambatra takeo amin'jareo,ary raha nifampizara tamin'jareo ny faka-mamokatry ny kakazo oliva anao, 18 aza mirearea amin"reo sampagna. Fa raha mirearea anao, de tsy anao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19 De hiteny anao hoe: "Nitapana hiala reo rantsagny mba hafahako mifandray amin'azy". 20 Marina zany. Nony tsy finon'jareo de notapana hiala zareo, fa nareo de mijoro tsara nony finonareo. Aza magnano ny tegnanareo ho ambony, fa matahôra. 21 Fa raha ny tegna sampagna aza tsy navelan'Andriamanitra, de tsy ho avelany iany kô anao. 22 Ary, tazano, ny famoram-po sy ny fahasaro-pon'Andriamanitra. Akeo andagniny, ny fasaro-po de tonga amin'reo Jiosy ze lavo. Fa aketo ankilany kosa, ny hatsaram-pagnan'Andriamanitra de tonga aminareo, raha maharitra akao amin'ny hatsaram-pagnahiny anareo. Fa raha tsy zany de ho tapahina kô anareo. 23 Ary na ireigny aza, raha tsy manoy amin'ny tsy finony zareo, de hatambatra. Fa Andriamanitra de afaka mamerigna manambatra an'azy 'reo ndré. 24 Fa raha notapana tamin'ny kakazo oliva-dia anareo, ka natambatra tamin'ny kakazo oliva tsara, de salany akory ny foaran'ny habetsak'reo Jiosy, ze sampagna vôjagnahary, natambatra tamin'ny kakazo olivan'jareo manokana? 25 Fa tsy teko tsy hafantatra anareo, ry ralà, ny amin'zany ra-miafina izany, mbô tsy haha-hendry anareo amin'ny eritreritrareo manokana. Zany ra-miafina zany de efa nahamafy lô ny ampany amin'Isiraely, mandra-piavin'ny fafenoan'reo Jentilisa. 26 Nony zany de ho vonjena avokoa ny Isiraely daôly, araka ny vôsoratra hoe: "Hivôka avy aigny Ziona ny mpagnafaka. Hangala ny haratsiam-pagna amin'i Jakoba Izy, 27 ary zany no ho fanekem-pihavanako amin'jareo, rafa hangala ny fahotan'jareo Za." 28 Amin'ny lafiny raika makasika ny filazantsara, de fahavalo zareo nony aminareo. Amin'ny lafiny raika hafa araka ny safidin'Andriamanitra, de malala zareo nony reo razagna. 29 Fa reo fagnomezana sy antson'Andriamanitra de tsy miova. 30 Fa anareo de tsy nankatô an'Andriamanitra talô, kanefa amin'zao fotona zao anareo de nandray ny famindram-po nony tsy fankatoavan'jareo. 31 Ôtran'zany iany kô, amin'zao fotona zao 'reo Jiosy de tsy nagneky. Ny vokany de tamin'ny alalan'ny famindram-po ze nabôgna anareo no mety handraisan'jareo ny famindram-po iany kô amin'zao fotona zao. 32 Fa Andriamanitra efa nagnidy ny tsy fankatoavana rehetra, mba afahany mampibôgna famindram-po amin'ny daôly. 33 Endrey, ny halaligny 'reo aren'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saigna reo fitsarany, ary reo lalany de tsy hay refesina! 34 "Fa iza no nahalala ny fihevitry ny Tompo na iza no tonga ho mpanolo-tsigna an'Azy? 35 Na iza no nagnome ra an'Andriamanitra alô, ka tsy maintsy hanoneran'Andriamanitra an'azy ndre?" 36 Fa avy Amin'Azy sy amin'ny alalany ary an'Azy ny ra daôly. Ho Azy mandrakariva ny voninahitra.Amena.