Toko faha 15

1 Ary tsika ze matanjaka de tokony handefitra ny falemen'ny mavozo, ary tsy tokony hagnano ze mafinaritra ny tegnantsika. 2 Aoka ny tsiraikaraika avy amintsika hagnano ze mafaly ny mpiara-belogna amin'azy fa zany no tsara, mba hanondrotagna an'azy. 3 Fa na Kristy aza hagnano ze nainaritra ny tegnany. Fa zany kosa, de araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny faniratsiran-jareo ze maniratsira anao de nianjera taminà." 4 Fa na ino na ino vôsoratra takeo alô de vôsoratra ho fampiarana anstika, mba amin'ny fahelany sy aminn'y alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hagnanatsika toky. 5 Andriamanitry ny faharetana sy fampaherezana anie hagnome fisaignana mitovy ho an'ny tsiraikaraika avy araka an'i Kristy Jesôsy. 6 Izy ane hagnano an'zany mba ho amin'ny fisaignana raika sy amin'ny vava raika iany no hiderànareo an'Andriamanitra sy Rain'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. 7 Non'izany mifandraisa, ôtran'ny nandraisan'i Kristy anareo ihany kô aza, ho fiderana an'Andriamanitra. 8 Fa koragniko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny vôfora ho an'ny Fahamarinan'Andriamanitra,mbô hahafahana manamarina reo fampagnantegnana ze namen'ile Ray, 9 ary hoan-jaeo Jentilisa mba hagnomezam-boninahitra an'Andriamanitra non'ny famindram-pony. Izany de araka ny efa vôsoratra hoe: "Non'izany de hagnome fiderana Anao akeo aminjareo Jentilisa zà ary hihihra fiderana ny Agnaranao." 10 Mbôla vôlaza hatrany hoe: " Miravoravô, miaraka amin'ny vaôkany ry Jentilisa." 11 Ary kô hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa daôly; Avilay ny ôla daôly hidera an'Azy." 12 Ozy ndre, Izaia hoe: "Hisy fanjakan'i Jes, ary l Raika ze hitsangana hagnapaka aminjareo Jentilisa hagnana fatokisana aminjareo Jentilisa." 13 Ary Andriamanitry ny fahatolisana ane hameno anareo amin'ny fifalena sy fedagnana daôly amin'ny finôna,mba ho feno fatokisagna anareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina. 14 Ny tegnako zao iany kô sz resy lahatra ny momba anareo, y ralà. Resy latra zà fa anareo iany kô de feno fahatsarana, feno ny fahaizagna daôly. Resy latra zà fa anareo iany kô de afaka mifagnanatra. 15 Fa manôratra tsy am-pisalasalana aminareo zà fa momba reo ra sasagny mba ampitsahivina anareo ndre, non'ny fagnomezam-pahasoavagna ze namen'Andriamanitra an'azy. 16 Zany fagnomezam-pahasoavagna zany de tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesôsy nalefa taigny amin'ny Jentilisa, mba hnaolotra ôtran'ny sorogna ny Filazantsar'Andriamanitra. Tokony hataoko zany mba ho azo ekena ny fanatitr'ireo Jentilisa Vôtokan'ny Fanahy Masina. 17 Non'izany ny hafaleko de akao amin'i Kristy Jesôsy sy reo zavatr'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahy hiresaka na ino na ino afa-tsy reo ra vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fagnekenjaeo Jentilisa zà. Reo ra reo de tamin'ny koragna sy asa, 19 tamin'ny herin'ireo faantaragna sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Zany de mba avy aigny Jerosalema, sy lavidavitra ôtran'i Ilyrikioma no hahafahako magantanteraka ny Filaazntsaran'iKristy. 20 Amin'izany, ny fagnireko de ny hitory ny filazantsara, fa tsy haigny amin'ize ahaizana an'i Kristy amin'ny agnarana,mba tsy hagnorenako akeo amin'ize efa nagnorenan'ny hafa. 21 Zany de araka ny vôsoratra hoe: Taminjareo ze tsy nikoragna an'Azy no atazagna an'Azy, ary ze tsy naregny no handray." 22 Non'izany iany kô de vôsakana matetika tsy ho aigny aminareo zà. 23 Fa amizao fotôna zao tsy managna tôrana amin'ireo faritra reo tsony zà; ary taona maro no efa nagniriko mafy ho aigy aminareo. 24 Non'izany na vena na vena handehanako aigny Espaina, de magnantena zà ny atazagna an'nareo rafa mandalo, ary aterinareo akaigny amin'ny andeanako, rafa avy ny fianaanareo vetiketika zà. 25 Fa amizao fotôna zao de hoaigny Jerosalema zà hanompo an'jareo mpino. 26 Fa fifalen'i Makedonia sy Akia ny hagnano fandraisan'anjara ho an'jareo mahantra agnisan'ireo mpino ze akaigny Jerosalema. 27 Iôny, fifalena ho an'jareo zany, ary mpitrôsa amin'azy tokôtra zareo. Fa ra ny Jentilisa na nizara tamin'ny ra masin-jareo, de tokony hanompo an'jareo iany kô zareo amin'reo ra ara-materialy. 28 Non'zany , rafa notanterako zao asa zao ary nagnamafy fa vôrainjareo ny vokatra ze nangonina, de ho aigny Espaina zà ary hitsidika anareo amin'ny lalako. 29 Haiko fa refa mankaigny aminareo zà de hiditra amin'ny fafenôn'ny fagnampen'i Kristy. 30 Amizao fotôna zao mampirisika anareo za, ry rahalà, amin'i Jesôsy Kristy Tompontsika, sy amin'ny fitiavan'ny Fanahy Masina, mba hiaraka hiady aminà nareo amin'ny vavaka ataonareo amin'Andriamanitra ho anà. 31 Mivavà mba ho avotra ho aminjareo ze tsy magneky aigny Jodia zà, ary mba ho ekenjareo mpino ny fanompoko ho an' Jerosalema. 32 Mivavà mba hiaveko amin-kafalena amin'ny fitsarana, miaraka aminareo.