Toko faha 16

1 De ozy ko Jesosy tam'reo mpianany hoe: Nisy leila mpanan-karena raika nanagna mpitantana, ary notanterina taigny amin'azy fa io mpitantana io no nandany ny fanagnany daôly. 2 Ka nampagnantso an'azy le leila mpanan-karena ary nitare tam'azy hoe: "Ino zany reigniko momba an'nao zany? Magnomeza tatitra momban'ny asa fitantanana, fa enao tsy ho afaka ho mpitandri-panagnana tsony.' 3 Ary le mpitandrim-panagnana nitare taigny an-tsaigny hoe: "Ino ary no tokony ataoko, fa mangala anà amin'ny asa tantanako ny tompoko? Tsy managna tanjaka hiasana tany tsony za, ary menatra ny hangataka za. 4 Fantatro ny ataoko, mba rafa alana amin'ny asa fitantanako za, de hampandroso anà akao an-dragnon'jareo ny ôla." 5 Avy akeo le mpitan-draraha nagnantso ny tsiraikaraika tam'reo mpitrosan'ny tompony, ary de nagnontany le vôlôny izy hoe: 'Ôtrinina ny anagnan'ny tompoko aigny aminao?" 6 Nitare izy hoe: "Menaka oliva zato litatra." Niteny tamin'azy izy hoe: "Raiso ny taratasina, mipetra malaky, ary dimampolo soratana." 7 Ary avy akeo le mpitantana niteny tamin'ny raika hoe: "Ôtrinina ny trosanao?" Niteny izy hoe: 'Vary zato famarana.' Niteny tamin'azy izy hoe: "Raiso ny taratasinao, ary sorato hoe valopolo." 8 Avy akeo le tompo de nidera le mpitantana tsy marina satria niasa tamin-kafetsena izy. Fa fetsy kokoa ny zanak'izao tontolo zao ny amin'ny fifagnarana amin'izy samy ôla noho ny zanaky ny fazavana. 9 Mitare aminareo Za, mikarà namana amin'ny alalan'ny vola tsy marina, am'ze daôly lany zany, de mety ho raisin'jareo akao amin'ny fonegnana mandrakizay anareo. 10 Ze matoky amin'ny kely indrindra de matoky amin'ny betsaka kô, ary ze tsy marina amin'ny kely indrindra de tsy marina amin'ny betsaka kô. 11 Raha tsy matoky amin'ny fampesana vola tsy marina nareo, iza no hatoky an'nareo amin'ny harena marina? 12 Raha tsy matoky amin'ny fampesana ny volan'ny ôla hafa nareo, iza no hagnome vola an'nareo manokana? 13 Tsy misy mpanompo afaka manompo tompo rôy, fa izy hankahala ny raika de ho te ny raika, na kô izy hagnolo-tegna ho an'ny raika de hagnano tsinotsinona le hafa. Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny harena anareo." 14 Ary ny Fariseo, ze te vola, rafa nareigny an'zany ra daôly zany, de nagnano tsinotsinona an'Azy izy reo. 15 Nitare tam'jareo Izy hoe: "Enao de magnamarina ny tegnanareo akeo amason'ny ôla, fa Andriamanitra malala ny fonareo. Fa ze hasandratra akeo amin'ny ôla de hankalaina akeo amason'Andriamanitra. 16 Ny lalàna sy reo mpaminagny de nisy de nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'zany fotôna zany, no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsiraikaraika de niezaka nagnitsy ny lalany ho am'zany. 17 Fa moramora koko ny hafôgna ny lagnitra sy ny tany nony soratra kely indrindra akao amin'ny lalàna ho tonga tsy manan-kery. 18 Ze misaraka amin'ny vadiny ka mapakatra vevavy hafa de mijangajanga, ary ze mampakatra vevavy ze efa nisara-bady de mijangajanga. 19 Ary nisy mpanan-karena raika ze nenkanjo voloparasy sy rongony magnify ary nankamamy isan'andro ny harem-beny. 20 Nisy mpangataka raika antsovina hoe: Lazarosy nipetra teo amin'ny vavahadiny, tototra fery, 21 ary nagniry mba hinana ze latsaka avy akeo ambony latabatr'le leila mpanan-karena. Fa na ny alika aza tonga sy nilelaka ny feriny. 22 Ary io fa maty le mpangataka ka nentin'reo anjely ho akeo agnilan'i Abrahama. Maty ihany kô le mpanan-karena ka nalevina, 23 ary tao amin'ny faverezana, raha nampijaliana, de nanandratra ny masony izy ary nahita an'i Abrahama taigny alavitra sy Lazarosy teo agnilany. 24 Ka nikikikika mafy izy sy nitare hoe: "Abrahama Ray, mamindrà fo aminà ary alefaso Lazarosy, mba handrobohany ny tendron'ny rantsan-tagnany akao agnaty rano ary hampangatseka ny lelako, fa ato agnatin'ny fangirifiriana mafy agnatin'ty afo tsy za." 25 Fa Abrahama nitare hoe: "Anaka, tadidio fa tamin'ny androm-piaignanao de nahazo ra tsara enao, ary ny an'i Lazarosy kosa ra ratsy. Fa am'zao izy aty de vôtambitamby, ary enao akao amin'ny fangirifiriana. 26 Ankôtran'zany rafa zany, de nisy tevana geda be napetraka, mba tsy ho afaka hempita ze te-hempita avy aketo mankeigny aminareo, ary tsisy afaka hempita avy aigny hankaty aminay." 27 Le leia mpanan-karena nitare hoe: "Mengavy an'nao za, ry Abrahama Ray, mba hagnirahanao an'azy ho aigny an-tragnon-draiko, 28 fa managna rahalà dimy za mba afahany mampitandrina an'jareo, nony taotra ny hatongavan'jareo aty am'ty tôran'ny fijalena ty ihany kô." 29 Fa Abrahama nitare hoe: "Managna an'i Mosesy sy ny mpaminagny zareo; aoka zareo hitaino an'azy reo." 30 Ary namaly le leila mpanan-karena hoe: "Tsia, ry Abrahama Ray, fa raha misy avy amin'ny maty mankaigny am-jareo, de hibebaka zareo." 31 Fa Abrahama kosany nitare tamin'azy hoe: 'Raha tsy mitaino an'i Mosesy sy reo mpaminagny izy reo, de tsy ho resy latra miitsy na misy ôla mitsangana amin'ny maty aza."